Ahoana ny amin'ity ?
1. Bazily
(
18/12/2008 05:31)
Gazetiko:
Tsy fantatra na saran'ny fahatongavana na tsia fa nomena vola 400 tapitrisa Ae. ireo antoko politika maherin'ny 40 tonga nanatrika ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena momba ny lalana hifehy ny antoko politika teny Iavoloha omaly. Vola manokana ho an'ireto antoko tonga nanohina ny antso aloha io vola io fa tsy maintsy mbola hisy ny famatsiam-bola ny antoko politika aorian'ny fandaniana ilay lalana hifehy azy ireo izay havoaka amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ireo Parlemantera ato ho ato. Nambaran'ny Filoha tamin'ny kabary fanokafana fa mba hahamari-pototra ny antoko politika sy hahafahan'izy ireo miasa tsara sy ho matihanina no tanjona tamin'izao. Tsy nanafina ny alahelony kosa Ing. Serge Zafimahova sy Serge Radert omaly fa tsy noresahina tao mihitsy ny volavolan-dalana nasain'ny Filoha natsagan'izy ireo mialoha.
«Namadika palitao»
Tsy nisy tonga nanatrika ny fihaonana tokoa ny antoko mpanohitra. Ireo antoko efa mpila ranondranony amin'ny fitondrana hatramin'izay sy ireo izay efa tsy dia fantatra firy intsony ny fisiany no tonga tamin'izany. Nahavariana kosa ny nahita ny antoko Ame, Mavana, Hery velona Rasalama izay niara-nanao sonia tamin'ireo mpanohitra tetsy amin'ny foiben'ny Akfm fa tsy ho avy saingy «namadika palitao» ka teny soa aman-tsara.
Ny Tahiry R.
Raha tsolotra : aiza ho aiza ny BIANCO
Sa tena fanomezana amin-kafaliampo tsotr'izao?
répondu par Fanjaibe le 26/12/2008 04:13
2. rakapy
(
18/12/2008 07:11)
Mamadika palitao :-D :-D :-D io dia efa toetra mahazatra ny mpanao politika Gasy. Izahay tsy ho avy any eee!!!! aza makany eee!!! nefa ry zalahy handeha ho any amin'io an! :-D :-D :-D
Indraindray ilay polika Gasy dia politikan'adolescent :-D :-D :-D
Indraindray ilay polika Gasy dia politikan'adolescent :-D :-D :-D
4. kidoropamba
(
18/12/2008 09:48)
Na i levalo aza mivarotra tanindrazana ka tsy mahagaga raha mivarotra ny lohany ny mpanao politikka sasantsasany.
Tena notolaran-dravalo vola ny havanareo e. Tsy hita popoka ry Bianco mianakavy.
Tena notolaran-dravalo vola ny havanareo e. Tsy hita popoka ry Bianco mianakavy.
5. ravatorano
(
18/12/2008 10:39)
raha ny fahalalako azy dia toa hoe izay antoko afaka mitambatra no hahazo io vola io fa tsy hoe avy dia ho zaraiana amin 'izay efa tonga teny :roll: :?:
Ingahy Manandafy moa diua nilaza fa "ny vola tsy olana satria ny olona omena vola indray ve no hanolana" :!:
asa iky :wink:
Ingahy Manandafy moa diua nilaza fa "ny vola tsy olana satria ny olona omena vola indray ve no hanolana" :!:
asa iky :wink:
6. xxx
(
18/12/2008 11:35)
Fitaka be vava no ataon'ireo mpanao politika reo fa hadalan'izay mety ataony tohatra fiakarana eeeee!
7. penguin
(
22/12/2008 10:04)
Hahahaha, tsy tokony ataony tohatra fa aleo antoko roanjanto matanjaka sady mirotsaka ho fidiana filoha ary nahoby sy nahalasa an'i Madagasikara vé ry milay aaa???
8. kidoropamba
(
22/12/2008 16:05)
ingahy reveran satro-bory Andriamanampy, 3MF/3FM, sy UDECMA/KMTP no niady hevitra tao. Tsy mahagaga raha tapa-kevitra hanome vola ingahy levalo satria avo loatra ny debat tao. 8O 8O 8O
