Fiompiana

1. mampikanto21 ( 03/12/2008 05:26)
Miarahaba antsika rehetra,

Mety v raha mba asiana dinika momba ny fiompiana ato? Ohatra hoe fiompiana akoho ama-borona, kisoa, omby, trondro sns.

Miandry valiny avy @mpikarakara sy isika e!
répondu par mampikanto21 le 22/12/2008 12:28
2. dadasy ( 03/12/2008 06:00)
marina mintsy io, azo tanisaina koa ny soavaly, saka, alika. Azo tohizana ny listra!
3. mampikanto21 ( 08/12/2008 09:17)
Aleo ary atomboka @ akoho gasy ilay izy e!

Ny tena hevitra hitako fa mety ampitomboana taranaka ny akoho gasy dia ny fanasarantsarahana ny efa tokony hanatody sy ny mbola vantony ary indrindra ny madinika.
Rehefa mikotrika koa ny akoho d tsy avela mitarika ela loatra fa 3 andro-5andro ihany dia efa sarahina @ reniny. Tsy avela @izao anefa ilay zanany fa atao anaty carton misy jiro dia izay!
Mora manatody indray ilay reniny iny avy eo;

Izay fa dia miandry hvt avy any aminareo indreay e!
4. rapala ( 10/12/2008 15:24)
izaho indray nihompy kisoa fa maty ny aretina daholo nefa efa natao vakisiny, so d mba misy mahay ny fiarovana ny aretina kisoa? Mila sopapa hoe sakafo inona no mety hampitombo azy ankoatrany lavandy sy ny tsindrona hormone ireny e!
5. ikaretsaka ( 10/12/2008 22:19)
toa efa misy an'ny mpiompy alika tao ambadika tao fa lasa ni migre ry zalahy
6. mampikanto21 ( 22/12/2008 12:28)
rapala:

izaho indray nihompy kisoa fa maty ny aretina daholo nefa efa natao vakisiny, so d mba misy mahay ny fiarovana ny aretina kisoa? Mila sopapa hoe sakafo inona no mety hampitombo azy ankoatrany lavandy sy ny tsindrona hormone ireny e!



Miarahaba an'i Rapala,

Ny fiompiana rht aloha dia tena asa manokana mihitsy e! Izaho manokana indray dia tsy mbola nanao vaksiny t@ kisoa zany mihitsy fa ny ahy indray dia rehefa feno 2 volana izy dia omena vitamina VITAFLASH (eny @ AVITECH) mandritra ny 3 andro dia vay eo omena ody kankana indray andro dia miverina indray ny vitamine 3 andro dia afaka 2 volana indray mamerina toy io.
Ny tranony koa ilay madio foana ary toa izany koa ilay kisoa mila ampandroana satria raha maloto izy dia tsy mitombo loatra fa tsetsina ny mason-kodiny.
Ny anay aloha dia provende ihany no omena azy e! Arahina tsara fotsiny araka ny poids ilay izy dia mila misotro rano betsaka koa. Tsy ranon-dolana io fa rano madio fotsiny @zao. Raha mbola kely izy dia omena rano maty2 fa refa lehib dia rano mangatsiaka fotsiny.
ankoatran'io dia omena bozaka (vilona maintso), beroberoka koa izy.
Azo omena fary ihany koa.
Dia ny tsara tsy fer no omena zy direct fa aleo manao anandrano sasana madio tsara dia asiana sirakely mba ho faly ireny lelosy kely ireny dia izay!

Mahavanona @ izay ary e!
;-)
Mampikanto

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4541