mangataka hira ny bessa kely

1. salema ( 11/11/2008 09:57)
mangataka hira ny bessa mitondra ny lohateny hoe foiko manontolo
sy i mirado izay rehetra misy de misaotra antsika rehetra izay mahay azy ny tenanay (l)
répondu par ni81 le 12/11/2008 06:17
2. ni81 ( 11/11/2008 10:12)
Ny fahazazako
Sy ny nofy tao
Samy nangalako
Natokako anao
Zay rehetra lasa
Sy zay mbola kinasa
Foiko manontolo omena anao

Ny hatanorako
Voninkazo soa
Tsy mba norarako
Notoazako avokoa
Dia nataoko amboara
Mirindra sady tsara
Foiko manontolo omena anao

Ity tononkalo
Zay hiraiko ity
Tsy ilan-takalo
Fa vokatra fitia
Hatramin'ny aiko
Zao ihany no lazaiko
Foiko manontolo omena anao
3. Noue ( 11/11/2008 10:14)
Mirado
http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&mpihiraid=1003
4. zoukimi ( 12/11/2008 02:20)
Toa hiran' i Bessa io nomen' i N81 io fa tsy hiran 'i bessa kely :lol:
Fa iza moa i bessa kely :°)
5. ni81 ( 12/11/2008 06:17)
Toa hiran' i Bessa io nomen' i N81 io fa tsy hiran 'i bessa kely
Fa iza moa i bessa kely
Dia tsy mahalala izany bessa kely izany indray aloha zà e! :lol: :lol: :lol: miverina mitady eo izy raha toa ka tsy izy io :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1047