Aretina Alzhmer .Ahoana no ahalalana azy ?

1. niryna ( 07/11/2008 11:17)
Raha manadino ny nametrahana ny la cle na anaran'olona na be fitadidiana dia toa mandeha ho azy ary efa mpandalo ny olona sasany izany.Tsy aretina akory io ,fa indraindray aza ny tena efa lasa lavitra vao miteny hoe efa novonoko ve ny afon-daoka teo na ny prisen'ny fandrah
oam-bary ?
Rehefa maimaika koa ny tena vao manontany tena irery eny an-dalana hoe sao mba tsy novonoiko aza ny afombary izay ! Hianareo koa ve mba manao izany indraindray l?
Nisy namako izay niaraka nandehandeha izy mianaka dia naheno fofona vomanga hono izy ,teo vao tadidiny hoe tena adinoko ny namono ny fantana,niverina aingana tokoa izy ary may tanteraka ilay vomanga . Tena tantara nisy io a

Ny zavatra ataoko rehefa fantatro aho fa maimaika dia asiko soratra eo ambaravarana " Aza adino ny fatana !" na manao lisitra izay tokony atao,ny antony dia tsy mila manitra adi -tsaina amin'ny tsy heveriko fa tsy ilaiko aho ,asa aloha ny anareo fa manampy ahy io e

Rehefa mitombo hono ny taona dia manomboka manadino tsikelikely koa isika ary tsy aretina izany .Tsarovy fotsiny fa miasa foana ny ati-doha raha manaiky hianatra zava-baovao isika .Ngaha !!


Raha ny amerikana fotsiny dia efa misy ho 5 millions mahery no voan'io aretina Alzhemer io ,izay aretina manimba ny ati-doha ka tsy afaka manao ny zavatra fanao an-davan'andro toy ny miteny,mihinan-kanina,eny fa na dia mandeha hivoaka any amin'ny wc aza mety tsy mahafantatra hoe andeha ho any aho dia lasa mipipy na mikaka an-kil eo .
Ary araka ny fitrangan'io aretina io tsikelikely hono no mahatonga ny toetrany mihova koa (personality and behavior ) .Hatramin'izao aloha dia toa mbola tsy misy fanafodiny
Ahoana no ahalalana ilay olona voan'io aretina io ?

(l)niryna

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7632