ilay anjeliko

1. endry ( 04/11/2008 15:08)
mba tediavo kely ange azafady ilay hira ny mirado iny ilay hoe:" ilay anjelikony "iny fa tena tiako iny hira iny.Izany moa rangah fa izaho ange mankafia any serasera foana e!.Izay fa veloma dia aza adino ilay izy an izany ah! misaotra mialoha @ fiaraha miasa :D
répondu par ni81 le 04/11/2008 17:48
2. ni81 ( 04/11/2008 17:48)
Ry ilay anjeliko

manimanina azy aho izany.
f'izy ilay nambabo fo
tsy miala ato an-do
lasa lavitra ahy izy izay
ka niverina ato an-doha,
endrika kanto tokoa

hanihany, tsiky, sangisangy
no nameno ny fo
feno tsiky ny androko
fa dia tena kanto izy izay
bika tarehy ihany koa
tsara fanahy manao soa


dia 'lay tiako, 'lay niriako
'lay tato am-poko hatrizay
dia lay foko no nitempo
ho ahy tsisy afa tsy izy ihany,
no nataoko anjeliko
anilako hiambina ahy
nolazaiko, tantaraiko
fa izy lay sady tiako no tia ahy!
navelako azy anie ny foko
navelako anjakany
f'izao azy irery ihany
foiko anao ny amiko manontolo
foiko avokoa r'ilay anjeliko

hanihany, tsiky, sangisangy
no nameno ny fo
feno tsiky ny androko
fa dia tena kanto izy izay
bika tarehy ihany koa
tsara fanahy manao soa


alahelo sy tomany raha izao irery ihany
raha avelanao eto aho, fantatrao fa hijaly

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.3216