Misaora amin\'zavatra rehetra
1. rijadolly
(
03/11/2008 16:19)
Amin\'Finoana sy ny fanantenana ny fitsanganan\'ny tena amin\'maty no ilazako anareo fa ny Reniko dia nody mandry ny Zoma 31/10/2008 teo.
Ny taona 1987 izy no nanomboka narary(tosi-drà) dia tapaka lalan-drà madinika.1991 koa izy dia voatery nasorina ny tranon-jazany satria voan\'cancer izay tao anatiny faharerahany noho ny tosindrahany ambony dia ambony tsy nety nidina firy intsony fa notezaina tamin\'Fanafody.Nanontaniana izahay ra didina izy na tsy,izy dia naharisika ho didina,Nivavaka izahay ary dia nampetrakay mianakavy kely(5 mianaka) teo ambany fahefan\'Andriamanitra ny raharaha(fandidiana)ary dia vita soamatsara,izay mbola nitarika ny faharerahany bebekokoa noho ilay teo.Tao anatin\'Finoana tanteraka ny nangatahanay ny ahavita izany sy famelana ny helokay mianakavy,Valiny: na dia reraka aza izy dia nahazo 17 taona +,
Tsy misy afatsy ny Fiderana an\'Andriamanitra ny tsy afaka tao am-bavanay mianakavy,ekena fa nisy ny alahelo fa kosa velona tao anatinay ny fanantenana fa avotr\'Ilay Mpanavotra ny Reninay izay tao anatiny fitsapana mavaivay izay tsy zakako,Nanana fotoana betsaka izy(7 andro)hifonany sy angatahany an\'Andriamanitra sy Jesoa Kristy izay ilainy satria efa fantany,efa fantatray fa tsy ho ela intsony ny fotoanany.
Indro alefako eto ny tenin-tsoratra masina tamin\'fandaharana izay novakian\' anabavinay taminy matetika taminy.Salamo 103:1 \"Misaora an\'i Jehovah, ry fanahiko; Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.\"
hira:
- Jesosy reharehako(FF 26)
- Iny lalana iny
Vita ny azy, Latsaka ny ranomasoko,tsy noho izy tsy noho ny fisarahanay fa izaho????????

répondu par cutie le 07/11/2008 17:47
2. ni81
(
03/11/2008 16:50)
Dia mamangy amin'ny fahoriana. Andriamanitra tompon'ny hery rehetra anie hampahery, hanasitrana sy hampitraka anao sy ny fianakavianao noho izao fisarahana izao.
Mahaiza mionona :-*
Mahaiza mionona :-*
4. Noue
(
03/11/2008 18:28)
mamangy amin'ny fahoriana dia aza misosoka halahelo intsony ary Andriamanitry ny fiadanana anie ho eo anilanareo lalandava.
5. rabilabila
(
03/11/2008 18:37)
Dia mamangy amin'ny fahoriana koa ny tenako .
Tombon-dalana ny azy hoy ny fitenenana
Ary indrindra indrindra mahereza.
Tombon-dalana ny azy hoy ny fitenenana
Ary indrindra indrindra mahereza.
6. rakapy
(
03/11/2008 20:20)
Mampalahelo tokoa izany ry Rijadoly. Fa dia mahereza ary aza misoska alahelo. Fandalovana ny tany ary soa ianao mba manana ilay finoanao mba hiankinanao amin'ny vanin'andro maloka toy izao.Mahereza.
7. fahamarinana
(
04/11/2008 04:56)
:arrow: mampahery hatrany any ise ry rijad dia mahereza.Ho tahian'ny Tompo ary homeny fiononana tanteraka. :-* :-* (l)
8. diamondra27
(
04/11/2008 07:51)
rija: mahereza ranadahy a.
Miaraka amin'i Tompo tokoa isika ka mahaiza misaotra azy amin'ny zavatra rehetra tokoa na ankafaliana na ankaratsiana. Izy anie hanome anao sy ny fianakavianao hery hiatrehana izao fahoriana izao
Indro omeko eto ilay video
jesosy reharehako = http://www.dailymotion.com/playlist/xkxka_diamondra27_hira-vavaka/video/x683vs_jesosy-reharehako-hosana-ambohijato_music
http://www.dailymotion.com/playlist/xky32_diamondra27_zafindraony/video/x665rn_iny-lalana-iny-e_music = iny lalana iny
:-* :-*

9. diamondra27
(
04/11/2008 07:57)
Sambatra aho Jesoa miaraka aminao,
sambatra aho Jesoa miankina eo en-tratranao
ampy ahy ny fitiavanao, ampy ahy ny finoako anao
...reharehako Ianao
:* :*
rija : misaotra anao fa na dia ao anaty fahoriana aza dia mbola afaka mampahery ny hafa ianao amin'ny alalan'ny hira natolorao., merciiiiiiii

10. fahamarinana
(
04/11/2008 08:23)
diams:
rija : misaotra anao fa na dia ao anaty fahoriana aza dia mbola afaka mampahery ny hafa ianao amin'ny alalan'ny hira natolorao., merciiiiiiii
:arrow: marina tanteraka ny voalazan'ny diam's...tena misaotra any rijad :-* (l)
11. coopsal
(
04/11/2008 09:05)
rijadolly:
Vita ny azy, Latsaka ny ranomasoko,tsy noho izy tsy noho ny fisarahanay fa izaho????????
==> Mamangy @ fahoriana r'ise. Fa ity fanontaniana ity azon'i rija hazavaina ve?
12. prime
(
05/11/2008 10:43)
Dia mankahery anao sy ny ankohonanao ary ny fianakavianao hahita ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindrapony mandrakariva ka honina aminao amin'ny fahasoavany anie ny fanahiny masina amin'ny anaran'i Jesosy Kristy.
Mahereza ry rahalahy fa Izy no nandahatra ka isaorana mandrakizay tokoa ny asany rehetra.
Hoy ny tenin'Andriamanitra :
"...Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.[Na: Tamin'ny fahiny]" Jeremia 31:3
"...mahereza ao amin'ny Tompo sy amin'ny herin'ny faherezany." Efesiana 6:10
Andriamanitra anie homba anao amin'ny ataonao rehetra...

13. rijadolly
(
05/11/2008 15:45)
Fisaorana no atolotra ho antsika rehetra izay nampahery sy izay rehetra mbola ho avy ampahery.
Nanana fotoana hibebahana izy,ary tsy ho tantaraiko eto ny asa vitany teo@ Fiarahamonina sy ny fahazotoany hamonjy fotoa-mpivavahana na dia noheveriko ho kiry fotsiny aza izany ,fa ny azoko lazaina dia nihaiky ny manodidina rehetra noho ny fanampiany izay mila vonjy azy,fitaizany ireo zay sahirana manantona azy.
Nanana fotoana hibebahana izy,ary tsy ho tantaraiko eto ny asa vitany teo@ Fiarahamonina sy ny fahazotoany hamonjy fotoa-mpivavahana na dia noheveriko ho kiry fotsiny aza izany ,fa ny azoko lazaina dia nihaiky ny manodidina rehetra noho ny fanampiany izay mila vonjy azy,fitaizany ireo zay sahirana manantona azy.
Vita ny azy, Latsaka ny ranomasoko,tsy noho izy tsy noho ny fisarahanay fa izaho????????
coopsal:Tsy noho izy satria efa nino aho fa misy zavatra tsy takatry ny saiko teo amin\'fotoana nelany aina noho izy nanana fotoana betsaka sy ny fahasitranany tanteraka noho ny tenin\'Andriamanitra.Tsy ny fisarahanay satria efa azony ny satroboninahitra tsara indrindra izay efa nomanin\'Jesoa Kristy ho azy.Izaho satria,hanao ahoana ny amiko,ahazo fotoana hifonana ve aho,zakako ve ny tsy hiova tahaka azy raha oh ny fanaintainana tahaka ny nahazo azy ny mahazo ahy,Efa nahavita ny asan\'Tompoko ve za,Efa oh ho an\'mpino ary indrindra² ny tsy mpino ve za,Efa nanolotra ny tenako(eloko) ho diovin\'Rà n\'Tompoko ve za,... Ity tenin\'Tompoko ty dia maha tonga ahy handini-tena toy izany.LIOKA 23 27 - 28 27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. 28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin\'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
==> Mamangy @ fahoriana r\'ise. Fa ity fanontaniana ity azon\'i rija hazavaina ve?
14. niryna
(
05/11/2008 18:01)
Rija a,mamangy ny fahoriana ,misaotra anao koa nijoro vavolombelona ho anay rehetra,
rijadolly:misaotra e
.Izaho satria,hanao ahoana ny amiko,ahazo fotoana hifonana ve aho,zakako ve ny tsy hiova tahaka azy raha oh ny fanaintainana tahaka ny nahazo azy ny mahazo ahy,Efa nahavita ny asan'Tompoko ve za,Efa oh ho an'mpino ary indrindra² ny tsy mpino ve za,Efa nanolotra ny tenako(eloko) ho diovin'Rà n'Tompoko ve za,... Ity tenin'Tompoko ty dia maha tonga ahy handini-tena toy izany.LIOKA 23 27 - 28 27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy. 28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin'i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
15. fijo
(
05/11/2008 21:51)
amin'ny maha mpinamana eto sy amin'ny maha mpandray anjara mavitrika andry eto,dia miara miombona alahelo ny tenako.vao tsy ela koa moa izany no nihatra tamiko,ka dia mankahery ary mirary hoavy mazava hoandry aho.
16. coopsal
(
06/11/2008 08:52)
rijadolly:
Efa nahavita ny asan'Tompoko ve za
==> Mino aho fa ianao dia isan'ireo izay mino an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany ô?
Taorian'ny fotoana ninoako ny fisian'i Jesosy sy ny maha tenin' Andriamanitra velona Azy vao noraisiko sérieux ny baiboly. Izany hoe, tsy nataoko toy izay olona mitady karana philosophie sy ohabolana, fa ninoako fa marina. Ary t@ fotoana maro no nanahirana ny foko nandray izao fahamarinana nambaran'i Kristy izao :
"Ny asan' Andriamanitra dia ny hinoanareo izay nirahiny" [Jaona 6:29]. Ka tsy mihambahamba aho milaza aminao, fa izay mino an'i Jesosy no antsoina hoe manao ny asan'Andriamanitra. Koa noho ny finoanao dia tena manao mihitsy ny asan' Andriamanitra ianao hoy aho! Fa zahao toetra ny tenanao raha mitoetra @izany finoana izany, raha mino ianao fa manao tokoa ny asan' Andriamantra satria mino an'i Jesosy dia faly aho ny amin'ny finoanao.
17. coopsal
(
06/11/2008 09:23)
rijadolly:
ahazo fotoana hifonana ve aho
==> Ny fahavelomana manontolo dia fotoana ahafahana mifona ny amin'ny faharatsiana rehetra. Tsaroako eto ilay tenin'i Jesosy nanafatrafatra t@ mpianany hoe:
"Mivavaha mba tsy ho amin'ny ririnina na @ andro sabata no handosiranareo" [Matio 24:21]
Raha mety hino ianao dia :
1- Ny afobe no andosirana tenenin'i Jesosy eto. Izao no hevitr'io fanontanianao io : "hanana fotoana handosirana ve aho?". Ka izany no ilazan'i Jesosy amintsika mpianany hoe "mivavaha (tsy mitsahatra) mba tsy ... "
2- ririninna : fotoana ialana aina. Misy fomba andinihinao azy. Toy ny ahoana ny fahatsapanao rehefa ao anatin'ny fahatezerana ianao ka mahatsapa hoe "raha izao moa aho no maty eto, ny foko feno hatezerana, na dia azoko atao aza ny hiteny hoe mamela ny helokao aho, ny foko tsy mahay mamela raha mbola tezitra". Raha sarotra toy izany ny fiala ny fikitroha-nify ianao mbola mirijarija toy izao, hanao ahoana ny fandosiranao izany rehefa @ fotoana fialana aina? (ririnina)
3- sabata : andro fitsaharana, izany hoe na @ andro iverenan'i Kristy (sy ny tohiny), na rehefa maty! Trop tard no iantsoana azy.
Izay mino marina an'i Kristy dia manana garantie fa voavonjy. Izany hoe ny fotoana mahavery ny finoana dia very koa ny garantie.
Fa eto dia manome torolalana iray Kristy : mivavaha.
18. coopsal
(
06/11/2008 10:07)
rijadolly:
zakako ve ny tsy hiova tahaka azy raha oh ny fanaintainana tahaka ny nahazo azy ny mahazo ahy
==> Ilazako zavatra ianao. Ao @ Jaona 6 misy ny tantaran'ny mpanara-dia an'i Kristy maro, tao ny mpianany akaiky (izy 12 lahy), fa nisy koa vahoaka maro izay niaiky azy ho "Ilay mpaminany ho amin'izao tontolo izao".
Ireo mpanara-dia ireo dia nitety vohitra maro hitady an'i Jesosy fotsiny, niampita ny ranomasina, niaritra hanohanana sy (inoako fa) hainandro, ary nisy aza sasany narary mihitsy no nentina sy nandeha tany, satria nino izy ireo (mety ho noho ny honohono) fa nanasitrana Jesosy.
Fa rehefa niteny Jesosy hoe "Izaho no mofo midina avy any an-danitra", dia hoy ireo mpanara-dia toa nafana fo ireo : "tsy zaka izany teny izany". Ary dia maro no nihemotra ka tsy nanara-dia azy intsony.
Inoako fa hatramin'izao, tsy dia ny fanenjehana na ny aretina loatra no tena tsy zakan'ny olona amin'ny fahamarinan'i Kristy, fa ilay fahamarinana ambarany mihitsy! Maro no hitako nihemotra t@ fomba toy izao : tsy nino fotsiny izay nambara.
Mbola nazoto niangona sy nanao fanompoana tao am-piangonana, mbola nazoto nihaino toriteny, mbola namaky baiboly, nifady hanina, nanao asa soa ... sns! Fa tsy mino fotsiny izy rehefa niteny Jesosy hoe
"ny asan' Andriamanitra dia ny hinoanareo izay nirahiny". Mafy taminy ny hanaiky fa tsy ny fanaovana asa soa na ny fitorian-teny na ny fivavahana na fifadian-kanina no asan' Andriamanitra, fa ny finoana an'i Jesosy.
Fa misy karazan'olona faharoa izay tsy mba nitsoaka, eny fa na dia navesatra taminy aza izany fahamarinan'i Kristy izany! Rehefa nanontany ireo 12 i Jesosy raha hihemotra koa ireo, dia hoy i Petera "ho aiza moa izahay? Ianao no anana ny teny fiainana".
Hoy Apostoly Paoly : "Tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko". Ary izaho miara-miteny @ Apostoly Paoly an'izany! Ary ny mpianatr'i Kristy rehetra dia afaka hiteny izany, satria "Izay tsy manana ny fanahin'i Kristy dia tsy azy".
Ka io Kristy io (izay velona ao anatin'ny mpianatra tsirairay) dia nahazaka hatr@ natao ho sarin'ny fahotana [hamonjena ny mpanota], nitondra fijaliana ara-nofo katr@ fahafatesana [hahazoan'izay mortel fiainana], fa nietry faran'izay ambany koa [hampiakarany ny olona any an-danitra]
Ka hoy aho hoe, raha ny fanahin'i Kristy koa no ao anatinao, dia tsy ianao intsony no hizaka, fa i Kristy ao anatinao, fa ianao tena hanana ny fiadanan'i Kristy!
Iza ary no afaka manana ny fanahin'i Kristy?
"Izay mino an'i Jesosy ho Kristy dia naterak' Andriamanitra" [1 Jaona 5:1]
"Fa izay nandray Azy (Kristy), dia nomeny hery ho tonga zanak' Andriamanitra, dia ireo izay mino ny anarany" [Jaona 1:12]
Ny finoan'i Petera fa i Jesosy no manana ny teny fiainana no nahazakany ilay tsy zakan'ny hafa.
Ny finoako an'i Jesosy fa tenin' Andriamanitra velona ka iresahan' Andriamanitra @ olona no nahazakako koa izay zavatra tsy mba zakan' olombelona.
Ary inoako, fa ny finoanao fa velona Jesosy ka azo itokiana Izy sy izay nambaraNy no hahazakanao izay rehetra tsy maintsy hozakainao.
19. naritsimba
(
06/11/2008 13:24)
Mirary fiononana feno ho an'i rijadolly, an'Andriamanitra ny aina, koa rehefa mino isika dia voavonjy.
Hoy ny voalaza ao @ Timoty:
« Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » 2 Timoty 4:7
Mahereza sy mahatanjaha, ny Tompo momba antsika mandrakariva.
Hoy ny voalaza ao @ Timoty:
« Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho; » 2 Timoty 4:7
Mahereza sy mahatanjaha, ny Tompo momba antsika mandrakariva.