Rado

1. ari.malala ( 16/09/2008 05:46)
Banga iray indray ny tontolon'ny tononkalo malagasy, nodimandry Rado na i Georges Andriamantena! mirary fiononana tanteraka hoan fianakaviany sy ny mpanakanto rehetra ary isika mpankafy tononkalo!

Tsy hofantaty ny saiko izay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hahatoky anao!
répondu par zoukimi le 17/09/2008 21:50
2. ni81 ( 16/09/2008 05:53)
Misaotra an'i ari nampilaza ny vaovao e! Mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany ary ny mpankafy rehetra.
3. kelly13 ( 16/09/2008 06:02)
mirary fiononona feno ho an'ny fianakaviany :(
4. orona ( 16/09/2008 06:20)
Ho any ianao,kanefa....

Mandria ampiadanana Rado
:cry:
5. sff ( 16/09/2008 06:31)
Mirary fiononana feno ho an'ny gasy rehetra.
6. vale ( 16/09/2008 06:33)
[quote=ari.malala]
Banga iray indray ny tontolon'ny tononkalo malagasy, nodimandry Rado na i Georges Andriamantena! mirary fiononana tanteraka hoan fianakaviany sy ny mpanakanto rehetra ary isika mpankafy tononkalo!

Tsy hofantaty ny saiko izay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko, aoka aho hahatoky anao!
_____________________________________________________________________
Ndryyyyyy, eee very Mpanankato indray izany isika ko. Tadidiko nisy Mpampianatra Malagasinay taloha izay nièce-ny hono dia mampamaky Rado anay fona izy.
...Mandria am-piadanana Rado!!!(l)


7. istraky ( 16/09/2008 07:33)
Ekeko fa misy veloma tokoa
Atao amin'ny maty arahina saona
Fa fara-veloma mangidy tokoa
Ho an'izay velona tsy afaka hihaona....
8. ni81 ( 16/09/2008 07:49)
http://www.haisoratra.org/article.php3?id_article=744
9. fahamarinana ( 16/09/2008 08:12)
:arrow: misaotra anareo nampita vaovao.Ndryyy,maha-ontsa tokoa fa lasa ndray ny mpanakanto e,isan'ny ankafiziko tanteraka tokoa.Mandria am-piadanana dia mirary fiononana tanteraka ho an'ny fianakaviana rehetra sy ny malagasy rehetra ihany koa. :( (l)
10. ravatorano ( 16/09/2008 09:20)
Rado olombelona no lasa nodimandry fa ny sorany, ny haisoratra navelany dia hipetraka ho lovain'ny taranaka malagasy hifandimmy
Ny ahy dia i Dox sy Rado ary ny avana Ramanatoanina no poety mba tena ankafiziko ary koa mba anisan'ireo haiko tsianjery ny sangan'asany maromaro
Mandrià ampia-danana ianao Rado ary koa dia mirary fiononana ho an'ny fianakaviany manontolo !
11. Lejoba ( 16/09/2008 10:23)
Misaotra nampita ny hafatra
Lavo tokoa ny andrarezina satria tsy t@ sehatry ny tononkalo ihany, fa t@ hiram-pivavahana koa (aza avela hahalala, n'inon'inona hitranga Jesoa ...), t@ fanaovan-gazety (niaraka t@ Celestin Andriamanantena rahalahiny) , ny tolom-panafahana (tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany) sns,
Tsy vitsy t@tsika angamba no nindrana ny sangan'asany t@ fotoana isan-karazany, indrindra rehefa hitory fitia (l) (l) (l) snif snif
Koa dia mirary fiononana feno ho an'ny Fianakaviana manontolo, tena azy tokoa ny varavarana ivoahana fa ny fahoriana dia ho an'ny Malagasy iray manontolo
Aza misosok'alahelo intsony, Tompoko, ô
12. vale ( 16/09/2008 12:00)
"Iny tananao iny, aza akasika zavatr'hafa, mandram-pifandray ny anao sy ny azy"!!! hummmmm, veloma Rado! (l)
13. tslem ( 16/09/2008 17:17)
Ndryyy,mba handry am-piadanana anie RADO, dia mirary fiononana feno ho an'ny fianakaviany manontolo sy ireo mpankafy azy rehetra.


Mangina: mandinika izay nilofosany
Mangina: midera an'ireo soridalany
Mangina: mitsinjo ireo asa tontosany
Mangina anaty ireo rakimalalany.

Mangina: mitsinjo ireo andro efa lasana...
Ny tsiky sy hiran'ireo lohataona...
Ireny dia tsy mba voatelin'ny fasana
Ireny tsy mety ho voatakon'ny saona.

RADO 1993
14. Nickovy ( 16/09/2008 17:51)
Mandria am-piadanana Rado. :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif: :snif:
........ Raha manontany izy
Iangaviako ianao
handainga indray mandeha............
15. tenagasy ( 16/09/2008 21:06)
E e e e

Tsy hita hatao moa hoe vaky ny fo,
Fa misesy ny taona, mandroso tokoa.
Na zaza, tanora na olon-dehibe;
Rehefa tonga ny antso: tsy maintsy mandeha.

Misento mavesatra, resy ao anaty!
Mangotika, ketraka, mila tsy ho tanty!
Nindaosiny Izy nalainy any ho any,
Fa ny asany hitoetra, hanako eran-tany!

Nametraka kanto Izy, lova, tantara;
Ny toa azy ireny no Olona Tsara!
Mamy, tsotra, hendry: Rado tokoa,
Tena OLOMANGA, namela SOA!

Dia manonona vavaka sy firariana,
Fiononana feno ho an'ny fianakaviana!
Ary Izy anie mba handry am-piadanana!
Ny Fanahiny: ho raisin'Ny Ray eo ankavanana!

Ry Malagasy!

Rangahy, Ramatoa, r'i Madimoazely!
Ho fampiononana, makà ora kely!
Hankafizanao ny asany fa toa tantely,
Ny lala-nodiaviny ataovy modely!

Indray manonja kely sy bitika indrindra eo anatrehan'ny andrarezina, saingy tora-po mitopa avy ao anaty tokoa, tsy hay notohaina eto ampahatairana mahita ny vaovao! mankasitraka ny mpampita!

Samia mahereza!

Mirary soa!

16. arn ( 17/09/2008 09:24)
Eny tokoa tena tohana ny fo,
fa tena nankafiziko ny diampenina napetrany,
ny tokony atao dia andeha ampitaho,
amin'ireo tarana-tsika na eto na any ampita,
ny fitiavany ny tenin-drazantsika sy ny tsy fanekeny ny tsy rariny izay tena naindraindrany
ka nahatonga antsika nankamamy
ka tokony tsy ho ataontsika hiraraka an-tany.

Mirary fihononana tanterak ho an'ny fianakaviana ary miara-ory amin'izy ireo
17. zoukimi ( 17/09/2008 21:50)
http://manafo-safo.over-blog.com/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0473