Misy olona mba mila anareo

1. ni81 ( 12/09/2008 16:18)
Maro amin'ny olona ato @ fivavahana sy finoana no tsy mba mamaly dinika, manome torohevitra mba hampahery ireo izay manana olana ka mila fanampiana ao amin'ny lohahevitra hafa. Sa ianareo mankeo ihany fa miova ps?
répondu par Noue le 13/09/2008 06:23
2. fahamarinana ( 12/09/2008 16:23)
:arrow: zà mankany amin'ny lphahevitra hafa sady tsy miova ps zany no tsy hanao xxx fa assumer-ko hatramin'ny farany ny valiteny sy torohevitra mba haiko sy niainako...
fa marina tokoa fa misy tsy hita any ho any nefa mety ary mino aho fa afaka manana jery hafa mety hanampy ny hafa ihany koa. (l)
3. rijadolly ( 12/09/2008 19:26)
Amiko manokana aloha ry ni81 dia tsy ary voavaly daholo ny dinika rehetra fa rehefa oe efa mba voavalin'namana sasany ilay hevin'tena dia tsy hitako intsony izay idirana,ary za koa dia indraimandeha ihany aho no nanao xxx teto dia nisy nibedy hoe miseho satria nisy xxx roa izahay tamin'izay dinika iray zay.Nitonotena mihitsy moa za t@zay.Ny PS-ko ndray dia anarako tena anarako satria tsy misy iray zay ahamenatra ahy ra tena voninahitr'Andriamanitra sy Jesoa Kristy marina no katsahiko.
4. fijo ( 12/09/2008 19:42)
fahamarinana,isaorako manokana ndry eto,fa tena mahakamo ahy ny olona miafina rehefa maneho hevitra.
na dia tsy mitovy hevitra aza indraindray dia tiako ny olona sahy miaro ny heviny fa tsy miafina lava isaky ny misy resaka izao.
5. fahamarinana ( 12/09/2008 19:59)
:arrow: fijo :ka ny ahy koa angamba ilay hakamoana fa mila atidoha ngoda be anie ny mitadidy ireny soratana rehetra ireny e...tsy efako fa sady aleoko nanisy repere amin'izay tonga dia tazako hoe zà iny namaly iny...,dia moa koa tia miresaka loatra ka hita etsy sy eroa...:wink:
rijad :tsy voatery hoe dinika rehetra kah,na zà koa anie misy dinika dia tsy ahitana ahy tokoa hany zany...ary ny hoe anarana tena anarana indray dia amiko tsy resaka fahamenarana fa raha ny amiko manokana dia io fahamarinana io no mba tena mahafatifaty ahy...sy iriko hananana raha toetra...:) (l)
6. fijo ( 12/09/2008 20:06)
rehefa tsy miafina maneho hevitra amiko dia efa izay no lehibe.
7. ikaretsaka ( 12/09/2008 22:39)
iny tokoa hoa no mba tsy azoko e.. rehefa adihevitra momban'i dadapasy ny resaka na momban'ny hoe volombavan'ilay jiosy hoe iza no lava ny an'ny jiosy sa silamo ohatra.. dia izay dia hihafenana 8)
8. Noue ( 13/09/2008 06:23)
ni81:

Maro amin'ny olona ato @ fivavahana sy finoana no tsy mba mamaly dinika, manome torohevitra mba hampahery ireo izay manana olana ka mila fanampiana ao amin'ny lohahevitra hafa.

ilay izy aloha raha ny fahitako azy dia misy ny ohatra any am-piasana no mitsidika kely eto , dia ilay dinika efa mahazatra azy ihany no valiany. (arahana)

Mety tsy ho araka koa raha mandeha aingana be ny famalian'ny olona ilay dinika , na mety koa ohatra hoe tsy tadidy hoe aiza moa no misy an'ilay dinika izay ?


:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0874