feno 4 mi indray Antananarivo

1. lemenakely ( 12/09/2008 13:56)
araka ny lahatsoratra hita ao @ express dia lasa feno 4 ams indray ny tanana e,Mbola hino fotsiny ihany ve izany ....
répondu par endrika01 le 07/10/2008 12:46
2. fahamarinana ( 12/09/2008 16:29)
:arrow:lemena : io ndray ianao an...
F''angaha moa tsy efa nisy foana teo sa nafindra toerana ry zareo taty aoriana...dia niverina ndray na olon-kafa ndray ireo raha izany.Ka ilay fiainana koa sarotra,na ny antonony aza mikolay maika moa ireo efa sahirana. :( (l)
3. ni81 ( 12/09/2008 16:44)
araka ny lahatsoratra hita ao @ express dia lasa feno 4 ams indray ny tanana e,Mbola hino fotsiny ihany ve izany ....
Io aloha na hino fotsiny ihany na tsia, dia hisy foana. Misy toerana namboarina eny @ RN4(alohan'ny ahatongavana eny Ankazobe angamba moa izy zay fa tsy dia tsaroako loatra) dia naterina teny ny 4'mis maro, fa nitsoaka niverina tao Antananarivo avy eo fa tsy tamana, satria zatra ilay mandeha mangataka eny @ olona eny dia mahazo vola, ao ireo miandry fiara eny @ parking, ny sasany mangalangalatra kely etsy sy eroa.
4. fahamarinana ( 12/09/2008 16:55)
:arrow: ka naterina teny dia nampianarina nitady sy namboatra ny fiainany ve ry zareo sa dia nalàna mba tsy hampa-ratsy ny tanana fontsiny.Marina aloha fa sarotra ny mampiova olona indrindra raha tsy vonona hiala amin'ny fahazarany ilay olona. :( (l)
5. bozyboleta ( 13/09/2008 04:06)
Nisy tokoa ny tetikasa fandefasana ny 4’mi t@ toerana maromaro, ary efa ela no nisian’izany. Fa misy no tafajanona ary be koa anefa no tsy tamana satria nasaina namboly.
Efa zatra ny mitsindroka sy mangataka dia tsy vonona ny hampiasa sandry izany.
Ka io mila miasa fa tsy adika vilana le hoe mino fotsiny e! Ny finoana arahina asa fa tsy ilaozana manonofy am-pitoerana eo.
Samy mafy ady daholo fa tsy maintsy misasatra sy mitsemboka koa raha te-hihinana sy ho velona fa tsy ilaozana mangataka.
Ny toe-tsaina no mampahantra fa tsy ny mpitondra akory. Na hiova mpitondra in-jato aza nefa kamo de aleo ho 4’mi hahantra eo foana.
6. Herimiafina ( 13/09/2008 12:47)
Raha mbola mitohy ny fanadinoina ny any ambanivohitra manodidina dia aza manahy fa hahita 4-mi foana ianao na 200taona any aoriana any aza. Ny eo ampovoany mirehitra jiro fa ny amin'ny sisiny rehetra maizinkitroka.
Vao miala 20km ny tanandehibe fotsiny dia efa dezaka brousse, akata, sns, ka norma raha mikisaka makao ampovoany ny olona. Any tsinona na dia tsy misy trano sy maloto aza, misy ny jiro sy ny ilaina rehetra. :^)
7. ni81 ( 13/09/2008 13:31)
Ny toe-tsaina no mampahantra fa tsy ny mpitondra akory. Na hiova mpitondra in-jato aza nefa kamo de aleo ho 4’mi hahantra eo foana.
Marina mihitsy fa mila mihezaka foana fa tsy hiandry ny mana milatsaka avy any an-danitra.
8. tsiambaratelo ( 17/09/2008 10:43)
Herimiafina:
Raha mbola mitohy ny fanadinoina ny any ambanivohitra manodidina dia aza manahy fa hahita 4-mi foana ianao na 200taona any aoriana any aza. Ny eo ampovoany mirehitra jiro fa ny amin\'ny sisiny rehetra maizinkitroka. Vao miala 20km ny tanandehibe fotsiny dia efa dezaka brousse, akata, sns, ka norma raha mikisaka makao ampovoany ny olona. Any tsinona na dia tsy misy trano sy maloto aza, misy ny jiro sy ny ilaina rehetra. :^)
Miombon-kevitra,ny Malagasy alou tena hita wé mbola taraiky be ny @resaka jiro manaza ny lalana sy ny tanana e,aty tsy wé firenena manana,fa ny mahalasa saina a,na aty ambanivohitra be aty aza dia feno jiro ny lalana,nefa zara raha misy trano,hany ka na @1maraina aza afaka tsara mandé irery tsisy wé itondra lamp d poche.Any Ambanivohitra raofiny malaso ny biby fiompy,satry maizimaizina ny tanana.
9. nathie86 ( 17/09/2008 12:42)
Mety ho mampahantra ny mpitondra ka, na manana toe-tsaina ambony aza enao tsy voatery hanana mintsy refa tsis ny plan d'action ny fitondrana eh.
10. tsiambaratelo ( 18/09/2008 07:41)
nathie86:
Mety ho mampahantra ny mpitondra ka, na manana toe-tsaina ambony aza enao tsy voatery hanana mintsy refa tsis ny plan d\'action ny fitondrana eh.
Marina izany,nefa ndraindray kou ny mpitondra miezaka manatsara, ny sasany mamotika ny nandaniana vola be,avy eo vao mimenomenona wé,taxe é,hetra é,fetsifetsy le mpitondra é,nefa ny tsy fantany de ireny vola na hetra sy taxe ireny mitambatra no hanavaozana ny lalana ,de avy eo tonga hatrany ny sasany mangalatra ny pavé eny @lalana,ny panneau publicitaire,ny vy @tetezana tsofaina,avy eo miakatra ny taxe de mimonomonona ny sasany wé lafo be ny vidiny entana é ,sarotra ny fiainana é,ka tsy mahay manaja ny sasany fa mangalatra de ny daholo be,no iharany le fiainana lafo,ny sasany tsy manam-bola hividianana rano,handoavana ny hetra-trano,ny lava-drano.Dia aleony mamonjy matory eny an-tsisin-dalana eny,sy mangataka,sitrany ahay tsy mandoa hetra,tsy mividy fandrina na vilany na vilia,hangalariny ny sasany,fa aleony libre comme le vent :-*:-P
11. ikaretsaka ( 27/09/2008 02:58)
bozyboleta:

Nisy tokoa ny tetikasa fandefasana ny 4’mi t@ toerana maromaro, ary efa ela no nisian’izany. Fa misy no tafajanona ary be koa anefa no tsy tamana satria nasaina namboly.
Efa zatra ny mitsindroka sy mangataka dia tsy vonona ny hampiasa sandry izany.
Ka io mila miasa fa tsy adika vilana le hoe mino fotsiny e! Ny finoana arahina asa fa tsy ilaozana manonofy am-pitoerana eo.
Samy mafy ady daholo fa tsy maintsy misasatra sy mitsemboka koa raha te-hihinana sy ho velona fa tsy ilaozana mangataka.
Ny toe-tsaina no mampahantra fa tsy ny mpitondra akory. Na hiova mpitondra in-jato aza nefa kamo de aleo ho 4’mi hahantra eo foana.



raha mahatamana azy ny handefasana azy dia tsy maninona.
fa raha tany ngazana tanampolo kosa no ametrahana azy de hoe eo nareo mipepe......tsy ny hiezaka hanajary ny tany mihitsy no ho laza toe tsain'ny zatra tolorana fa ny hamoonjy ilay manolotra mora foana!

amiko raha voaomana tsara ny drafitr'asa sy ny toerana "hanaovana sesitany" azy ireo ka tamana sy vareana any ireo .. tsa mipoly avao ireo ka!
12. epsedo ( 30/09/2008 18:37)
!slt ny 4 mi anie efa zatra eny ankalamanjana eny ka na inona ezaka ataon fajakana dia mety tsy ampiovava zavatra , satria efa zatra mitsindroka sns .. eny izy de vita ny fiainana ka na inona na inona ezaka atao dia aleo ndry zareo mirenireny eny foana sady fanampiny zay dia kamo izy hiasa fa efa zatra mirenireny eny de vita ny tontolo adro :lol:
13. endrika01 ( 07/10/2008 12:46)
Nisy tokoa ny tetikasa fandefasana ny 4\'mi t@ toerana maromaro, ary efa ela no nisian\'izany. Fa misy no tafajanona ary be koa anefa no tsy tamana satria nasaina namboly. Efa zatra ny mitsindroka sy mangataka dia tsy vonona ny hampiasa sandry izany. Ka io mila miasa fa tsy adika vilana le hoe mino fotsiny e! Ny finoana arahina asa fa tsy ilaozana manonofy am-pitoerana eo. Samy mafy ady daholo fa tsy maintsy misasatra sy mitsemboka koa raha te-hihinana sy ho velona fa tsy ilaozana mangataka. Ny toe-tsaina no mampahantra fa tsy ny mpitondra akory. Na hiova mpitondra in-jato aza nefa kamo de aleo ho 4\'mi hahantra eo foana.
raha mahatamana azy ny handefasana azy dia tsy maninona. fa raha tany ngazana tanampolo kosa no ametrahana azy de hoe eo nareo mipepe......tsy ny hiezaka hanajary ny tany mihitsy no ho laza toe tsain\'ny zatra tolorana fa ny hamoonjy ilay manolotra mora foana! amiko raha voaomana tsara ny drafitr\'asa sy ny toerana \"hanaovana sesitany\" azy ireo ka tamana sy vareana any ireo .. tsa mipoly avao ireo ka!
miombon-kevitra,aminilay resaka drafitr asa.=D=D=D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5167