Hoy ny taratra androany

1. xxx ( 26/08/2008 18:15)
Hampitahao ireto voalazan'i kapistra sy ireto voalazan'ny gazety taratra androany ireto.
Dinika:hambarao koa ny anareo.
1-momban'ny tsy firaharahana mpampianatra.
kapistra:
Ity misy hafatra tiako tenenina amin'ny malagasy rehetra erantany izay mijery sy mamaky ity serasera ity.Tena misy zavatra mampalahelo ao madagasikara ao,ny antony dia izao,tsy mahay mankasitraka ny malagasy maro.Indrindra ireo fototra nipoirana.
"Ny hazo no vanoko lakana ny tany naniriany no tsara"
Hankasitraho ny ray amandreny(Maro ny ray@ mahantra nefa ny zanany tafita be)
Ny Mpampianatra,(mpampianatra sy ny sekoly mahantra ny mpianatra tafita)
Ny Ray amandreny arampanahy (pasitera ,evanjelistra sns)..
(Mpivavaka manankarena be ny pasitera mahantra be)
Tena tsy misy sitraka mihintsy.
Izaho mahita sekoly 40 taona nampianarana.Fa raha ianao no mankao,ny latabatra efa tonta,ny wc maloto,ny mpampianatra: fitafiana fripy,ny tena mahia tsy ampy sakafo.Tena mahaontsa sy mampalahelo be.Ny mpianatra nampianariny anefa, Ministra,Pdg ,direktera ...
Satria nahoana ny zavabitany hono aleo hipirimpirina any fa tsy mila doka hono rizareo.
Ny pôlisy mitifitr'olo dia misehoseho @ gazety, dia hoe miasa be, dia hampiakarina ny karamany.Betsaka nohon'ny an'ilay mpampianany.
Satria tsy misy milaza ny zavabitany fa hoe asa tokony hataony hono zany.
Mampalahelo.

Hoy ny gazety Taratra daty talata 26 /08/2008:

FIARAHAMONINA
Mpampianatra mpiasam-panjakana

Tsy mahavita volana ny karama

«Mihavery ny hajanay mpampianatra mpiasam-panjakana ankehitriny satria tsy tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana intsony ny momba anay». Tsy mahavita volana ny karama raisina isam-bolana. Ketraka ireo mpampianatra maromaro amina Ceg iray eto an-drenivohitra tafaresaka taminay omaly nitantara ny fiainany amin’ny maha mpampianatra azy. Voatery tsy maintsy manao asa hafa na mampanao cours any an-trano izy ireo noho izany. Tsy misy ny fiahiana ara-tsosialy toy ny trano fonenana na fanafody rehefa tsy salama fa miahy tena toy ny olon-drehetra izy ireo.

«Aiza izany mpampianatra amin’ny sekolim-panjakana taloha izany, nilahatra tamin’ny dokotera ny lentany», hoy i Zoly mpampianatra ny taranja tantara sy jeografia. 12 taona no nampianarany tamina Ceg. Tsy mbola nisy fampiakarana lenta azy tamin’ny asa hatramin’izay. Nampianatra tany Ambohidratrimo izy tamin’ny taona 1996 hatramin’ny 2000. Nafindra eto Antananarivo izy amin’izao fotoana. Tsy dia nisy ny fiovana fa vao mainka aza nanasarotra ny andavanandrom-piainana ny enjikenjiky ny fiainana an-tanàn-dehibe. Na eo aza anefa ny fahasarotana amin’ny asa fampianarana, efa faniriana hatramin’izay ny an’ireo mpampianatra sendra anay omaly ny hanao ity asa ity. Zava-dehibe ny asa fampianarana satria ifaharan’ny maha olona manontolo. Reharehan’izy ireo ny mahare fa afa-panadinam-panjakana ny mpianany indrindra moa ny fahitany fa efa lasa manam-pahaizana ambony sy mpitondra fanjakana mahefa ny ankizy mpianany tany aloha.

répondu par TOKO le 11/06/2009 07:58
2. fijo ( 26/08/2008 21:29)
atao ahoan afa izay mampalahelo izay no zavamisy any izao
3. nathie86 ( 28/08/2008 13:21)
migrevy mba hiakatra, zay ko no tena mahagaga, ny mpampianatra sy ny dokotera no kely karama indrindra nefa ain-dehibeny firenena. :idea: :?:
4. bazylou ( 29/08/2008 00:35)
Io ilay lazaina hoe, lany andro amin'ny tsy misy dikany ramalagasy sy ny prezdany. Ny vokany dia ny pokona ihany no gisitra ao e, ......... :roll: :-D :roll:
5. xxx ( 01/09/2008 10:12)
aza be resaka nareo fa ny ravalo managadra fona zay tiny ho gadrainy de gadrainy loza be!
6. nathie86 ( 01/09/2008 11:53)
fa hay v i Bazylou ka vazaha mo eh.
xxx -> zany v, ny any Ravalo ko tena mauvaise gestion no tena marina. Na ny mpanolontsainy mintsy no con-drana
7. orona ( 01/09/2008 12:57)
Tany misy lalàna io e --- ze mandika lalàna dia migadra --- zay iany no matongan'ireo mpitondra teo aloha ireo mitady korotana

Detournement de milliards no nalaza taloha. --- refa tonga ilay filoha vaovao mikaroka sy managadra ze nanao izany de mba misy maheno indray ny mpiasan'ny ceg. --- taritina ndray itolona @ karama kely --- d lazaina fa ny filoha sy mpanolotsaina dia cons ---- indrisy ry vahoaka majinika fa ataon'ny mpanodikodim-bola vato ferena nareo.
8. xxx ( 01/09/2008 13:43)
dia inona izao no idiran'i kapotsitra amin'izao resaka izao ? sa ve ilehiry lay te hoderaina moa fa tsy ampy dera =)) =)) =)) =))

xxx1= kapotsitra :°)
9. orona ( 01/09/2008 14:34)
sur à 100 ndray ity :-D :-D :-D
10. xxx ( 01/09/2008 14:36)
orona> ary ity mba maninona ?
11. orona ( 01/09/2008 14:54)
tena efa mitapy mihitsy :-D :-D :-D
12. xxx ( 02/09/2008 12:32)
Mampalahelo mihintsy 'lay sipa iray zay ka!,hatramin'izay nidiran'i kapistra tato zay a!dia nanembonembona foana izy,tsy mahavita n'in n'in mihintsy.
Tena potika tanteraka.
Avoaka daholo izao karazana style sary rehetra izao fa tsy manjofaka mihintsy.
13. xxx ( 02/09/2008 12:35)
ra orona anga zanakanabaviny ra8

14. xxx ( 02/09/2008 23:16)
xxx11> tena siora ve elah lesy rakapistra fa ho an'elah ireny sary reny ? iny ndray no tsy arako

de mba avoahy koa ny an'elah ho hitany lesy fa hifampitady eto fotsiny ve a

:-D :-D :-D
15. xxx ( 03/09/2008 08:13)
xxx13>
Fa nareo ve ahoana e!efa hita fa zany koa inon indray.
Fa heverinareo fa natao ho an'iza indray ary e!.
Arako tsara anie ianareo manao xxx13 io e!
16. tsiambaratelo ( 06/09/2008 15:14)
xxx:
Hampitahao ireto voalazan\'i kapistra sy ireto voalazan\'ny gazety taratra androany ireto. Dinika:hambarao koa ny anareo. 1-momban\'ny tsy firaharahana mpampianatra. [quote=kapistra]Ity misy hafatra tiako tenenina amin\'ny malagasy rehetra erantany izay mijery sy mamaky ity serasera ity.Tena misy zavatra mampalahelo ao madagasikara ao,ny antony dia izao,tsy mahay mankasitraka ny malagasy maro.Indrindra ireo fototra nipoirana. \"Ny hazo no vanoko lakana ny tany naniriany no tsara\" Hankasitraho ny ray amandreny(Maro ny ray@ mahantra nefa ny zanany tafita be) Ny Mpampianatra,(mpampianatra sy ny sekoly mahantra ny mpianatra tafita) Ny Ray amandreny arampanahy (pasitera ,evanjelistra sns).. (Mpivavaka manankarena be ny pasitera mahantra be) Tena tsy misy sitraka mihintsy. Izaho mahita sekoly 40 taona nampianarana.Fa raha ianao no mankao,ny latabatra efa tonta,ny wc maloto,ny mpampianatra: fitafiana fripy,ny tena mahia tsy ampy sakafo.Tena mahaontsa sy mampalahelo be.Ny mpianatra nampianariny anefa, Ministra,Pdg ,direktera ... Satria nahoana ny zavabitany hono aleo hipirimpirina any fa tsy mila doka hono rizareo. Ny pôlisy mitifitr\'olo dia misehoseho @ gazety, dia hoe miasa be, dia hampiakarina ny karamany.Betsaka nohon\'ny an\'ilay mpampianany. Satria tsy misy milaza ny zavabitany fa hoe asa tokony hataony hono zany. Mampalahelo.
Hoy ny gazety Taratra daty talata 26 /08/2008: [quote] FIARAHAMONINA Mpampianatra mpiasam-panjakana Tsy mahavita volana ny karama
17. tsiambaratelo ( 06/09/2008 15:24)
Ny any Ambanivohitray,ny Ray aman-dreniny mpianatra manome vokatra ,fiompiana,asa tanana ny mpampianatra ny zanany,satria sady mahay mampianatra no tsy mba miavona,ary ny 90%ny mpianatra afaka fanadinana doly.
18. TOKO ( 11/06/2009 07:58)
marn zan
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3241