Mba miverena !

1. istraky ( 25/08/2008 07:01)
Sao dé mba misy manana na mahafantatra lé hira misy hoe :
"Efa loatra re, 'zay nandehananao e !
manina ka mahatsiaro, izay niharahana....'

Fiv: Mba miverena aty ......."

Style Kaiamba 'zay izy io, fa nisy reprise vao haingana mandeha amin'ny radio any.
répondu par ni81 le 27/08/2008 07:21
2. ni81 ( 25/08/2008 07:40)
sao dia ilay hoe: mba miverene aty antsihanaka aty e!
3. ni81 ( 25/08/2008 07:55)
MBA MIVERENA ATY ANTSIHANAKA

Efa ela loatra izao no nandehananao
Nandao ity toerana izay niarahana
Tsy misy anefa, tsy misy azoko natao
Afa-tsy ny mirary ny hiverenanao
Izay rehetra nahita ahy
Nandatsa ahy avokoa
Tsy kivy anefa aho fa manana anao

Mba miverena aty antsihanaka aty e
Raha reninao izao antsoko izao e
Mba miverena aty antsihanaka aty e
Havanao anie ity nilazanao ity

Na lavitra aza ianao, aza adino ny efa vita
Aza adino hoy aho na dia iray minitra
Ny taratasy ihany anie no ataovy sesilany
Izaho aty manina ka mitomany
Iny soratanako iny anie
Aoka mba ho am-batanao
Fa iny no solontenako hamangy anao

Mba miverena…..



4. istraky ( 25/08/2008 13:42)
;) MISAOTRA BETSAKA AN'i ni81 fa io mihitsy ilay hira tadiaviko ! sady tena ilaiko ny tonony :) :idea:
5. fahamarinana ( 25/08/2008 13:57)
:arrow: ary kakory ilay feony ry ni ? tsy ao amdaily na youtube ve? (l)
6. ni81 ( 25/08/2008 13:58)
Tsy misy fisaorana e!
7. ni81 ( 25/08/2008 16:31)
Omena fahafaham-po koa i fahama e!
http://www.dailymotion.com/relevance/search/miverena%2Baty%2Bantsihanaka/video/x50awf_miverena-aty-antsihanaka_music
8. fahamarinana ( 25/08/2008 17:26)
:arrow: misaotra akia a,zay ilay mba mahafinaritra e.. :-* (l)
9. istraky ( 27/08/2008 07:00)
:wink: d iza marina moa no tena anaran'ny mpihira sy ny tena tompon'io hira io :)
10. ni81 ( 27/08/2008 07:21)
d iza marina moa no tena anaran'ny mpihira sy ny tena tompon'io hira io
Tsy tsaroako ny tena anaran'ny tarika mpihira azy teo aloha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1011