Ny toetsaina malagasy sy ny fahendreny Ntaolo ..

1. naughtyboy ( 22/08/2008 12:10)
Nisy nofy nahafinatra ahy tsy ela zay ho zaraiko eto ,sendra tafiditra tao andakilasy aho indray mandeha nanatrika famelabelarankevitra nataony mpianatra 1,somary hafahafa zay mo no anarany ilay sekoly toa oe fiainana ra tsy diso aho, teo ampanazavana ny velankevitra nodinihana ranamana no tonga aho ka ny fomba fandraisankevitra sy fanehoana hafatra no niatombohany ary ny voatoantikevitra dia \" Ny hery tsy mahaleo fanahy...\"
Dingana maromaro hoy izy no arahina @ ny fototry ny fifaneraserana anisany zany ireto :
-fandraisana reo vaovao
-fitsinjarana azy reny isantsokajiny toy ny : fanasivanana mazava reo hafatra
ilaina na tiany hafa ampitaina,ary ny famitinana azy reny ..
-fanapahankevitra manoloana ny hafatra voaray : raha mila na miandry valiny,
-fampitana hevitra mazava @ alalany reto fomba telo ireto:
.ny teny , zay mitaky fahalalana fototra ary ny famakafana tsara ny fampitana azy
.ny saina zay hery mandrafitra sy manome lanja ny hevitra tiana aroso
.ny fanahy zay ikolokoloina io hery io ary fitaovana faratampony ahatongavana @ fahendrena fonosiny hevitra ampitaina,nahoana ?
Raha ny fahita andavan\'andro hoy izy dia betsaka ny olona no vava no ampiasainy mialoha raha miresaka nefa raha ny lojika de ny saina no hery iresahana afaka mamaha ny olana na ampitana ny hafatra (ekena)
Ny fahendreny Ntaolo nefa de milaza fa ny hery tsy mahaleo fanahy,zany oe:
\" Ny teny avoaka(vava) tsy maharesy ny hery (saina) ary ny hery tsy mahaleo ny fanahy(fahendrena) \"
Niaiky aho marina ny voalazany ty akama ty ary mbola betsaka reo fahendrena tsy azo ariana avy @ reo teo aloha tokony ampitaina @ faramandimby satria anisany mahaizy ny kolotsaina malagasy ..mety ho nofy fotsiny ngambany fa asa ahoana ny fijerintsika eto ty resaka ty ..

:lol:
répondu par naughtyboy le 23/08/2008 11:44
2. mignone ( 22/08/2008 13:06)
fa ny ntaolo ve tsy malagasy ihany e ? :lol:
3. naughtyboy ( 22/08/2008 13:26)
eny ,izy reny no anisany razambeny sy nipoirany vakoka sy ny fahendrena malagasy niampita @ taranaka sy fara amandimby @ alalany lovatsofina alohany nahatongavany sivilizasiona arabo sy tandrefana ny daty mazava de tsy ananako (samihafa @ vazimba fa tsy mitovy akory ..)
4. naughtyboy ( 23/08/2008 11:44)
nony tafafoha za de nahita fa tsy ny ampy @ fanazavana reo fomba 3 ampitana
hafatra de ny fo ,
ao ny miresaka @ vava olona (mahay vava),@ saina (olona manantsaina),fo (olony fo ao reo entimpo sns..),fanahy (olona manampanahy).
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5306