ho anao irery ihany (Mme Henriete)

1. tsimiova ( 31/07/2008 11:28)
Fahasalamana daholo?
Saika tsy tafiditra fa tafiditra indray fa voalaza fa diso ny teny miafina

Mba saika hitady tonon-kiran'ilay hoe "ho anao irery ihany" hirain'i Mme Henriette raha misy manana. Hira efa antitra be izy io kanefa mba ankafiziko. ILay hira dia hitako saingy kentsonkentsona be dia misy tsy voaray ny teny lazainy.
Misaotra mialoha
Tsimiova
répondu par ni81 le 31/07/2008 16:48
2. veromahefa ( 31/07/2008 12:34)
ito ve lay tadiavinao?

Ho anao irery aho
ho anao hatrany hatrany
Ho anao matokia
Raha mbola eto an-tany
Atolotro ho anao
ny fiainako rehetra
Atokako ho anao
Anao tsisy fetra

Sahiko lazaina
Fa raha tsy eo anilanao
Voahary tsy ilaina
Raha izao tontolo izao
Aleoko raha izany
Dia tsy ho ary teto
Satria dia hijaly
Ny fiainako eto

Porofo ve no ilaina
Ilainao rahavako
Aleoko dia ambara
Tsotra anao ny fitiavako
Raha toa ka ilaina
ny hamoizako ny aiko
Dia foiko ho anao
Anao sombinaiko.
3. veromahefa ( 31/07/2008 12:37)
sa ito?

HO anao irery ihany
Ny fitiavako ry lala
Ho anao hatrany hatrany
Mandra-pialako eto an-tany
Na ho be ny mpankahala
Na ho maro ny tsy tia
Ny fitiavako tsy miala
Fa hoanao doria doria

Ho anao dia ho anao
Lay voasoratra ato am-poko
Voasokitra ato anaty
Ho lalaiko mandra-maty
Mbola hohajaiko ihany
Raha toa aho ka lasana any
Any ankoatra irony rahona
Sy any ambadiky ny fasana
4. ni81 ( 31/07/2008 16:48)
Ilay nadikanao faharoa angamba ry Veromahefa no tadiaviny a! satria ilay voalohany dia i Perle sy Gaby no mihira azy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1768