Lany Fotoana amin'ny fanarenana

1. zandikely ( 31/07/2008 10:15)
Hoy ny gazety Madagascar Tribune le 31 Aout 2008: Lany fotoana amin'ny fanarenana ny zavatra nosimbaina ny Mpitondra

Any ivelany indray ny filoha Ravalomanana. Midinika momba ny ahasoa ny firenena, ka isan’io ilay fiverenana indray amin’ny Asecna. Ity sehatra iray ity izay nambara taona vitsy lasa izay, fa hisintaka ao anatin’io isika rehefa tsy mitovy ny fomba fijery.

Volam-panjakana maro no lany amin’izao dia izao, satria tsy moramora ny asa atao mba hiverenana amin’ny efa naloa.

Faty antoka hatrany no hita amin’ny fanampahan-kevitra maimaika izay natao teto amin’ny firenena hatramin’izay. Isan’io ny nidirantsika tamin’ny "détaxation". Iza tamin’ny Malagasy no nahazo tombony tamin’ireny ? Nisy tokoa ny tombony, saingy ny mpanam-bola no botrefona tamin’izany. Tsy mba nisy ny fiarahana midinika tamin’ny tompon’andraikitra isan-karazany, fa teny am-pikabariana tao Antsirabe no nivoaka tampoka ny baiko. Sanganehana ny maro tamin’izay. Roa taona tato afara tsy nahomby io, ka niverina tamin’ny fanapahana noraisina.

Tsy zoviana amin’ny maro ihany koa ity resaka Asecna ity, ary io mandamina ny resaka atsy Gabon io ny filoha. Soa fa nilamina. Nirahana nahita ihany koa ny fandravana ny federasiona ny baolina kitra farany teo. Naverina tamin’ny laonina indray andro vitsy tato aoriana.

Mahamenatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao. Tsy tokony entina amin’ny tendro-po ny raharaham-pirenena. Isika ihany no mamela ratra hotsabointsika ao afara. Ny manarina azy toy izao no olana. Izay no mbola hangatahan’ny sehatra maro eto amintsika ny hisian’ny fifampidinihana maika. Ny fifanakalozan-kevitra no làlana iray hivoahan’ny finihavan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana. Raha io no tanteraka hatramin’izay, mety efa tany amin’ny sehatra tsaratsara kokoa noho izao no misy ity nosy mahantra ity.

répondu par ni81 le 07/08/2008 14:47
2. Noue ( 31/07/2008 10:18)
ka inona ary no mba toro-hevitra harosonao hanatsarana ny tanindrazana ? :)
3. ramorafr ( 31/07/2008 11:06)
Betsaka ny Malagasy mahay na any ampita na aty antoerana;betsaka koa ny mahay mitsikera.De mba maninona moa raha mba manoro hevitra any R8 izy reo hoe zao no mety dia mba ataovy ohatra
4. mignone ( 31/07/2008 11:26)
gazety 31 aout 2008 , oviana zany ? :roll:
5. zandikely ( 31/07/2008 11:31)
Torohevitra:


Mila dinihina tsara ny fanapahan-kevitra ho raisina, inona ny lafitsarany inona ny lafiratsiny, manon-tany ny hevitrin'izay manana fahalalana (experts ) ampy amin'izay zavatra andraisana fanapahan-kevitra fa tsy raisina maimaimaika fotsiny izao.

Maro ny manoro hevitra fa tsy arahiny, ny sasany moa dia efa maty vao Ramalala, lazaina fa nanana hevitra tsara, mbola fahavelony dia lazaina fa mpiteniteny foana. Mandreraka sy Manafintohina iany ity Malagasy mpihatsara velatsihy ity.



6. Noue ( 31/07/2008 11:46)
zandikely:

Hoy ny gazety Madagascar Tribune le 31 Aout 2008:
hivoaka @ faran'volana ho avy ve io ?


7. fahamarinana ( 31/07/2008 13:45)
:arrow: :-D misy bako mpitsongo dia koa ato an,mahita ny détails rehetra... :wink: (l)
8. zandikely ( 31/07/2008 14:06)
Noue:

Juillet no tiako lazaina. Sady raha mieritreritra koa ianareo dia tsy misy 31 velively ny volana Aout
9. fahamarinana ( 31/07/2008 14:14)
:arrow: ka ny olona kosa mamaky dinika aloha fa raha hijery date sy hanamarina dia ela be...tsiky dia ampy e...ekena fa sendra diso ianao :wink: (l)
10. xxx ( 31/07/2008 14:19)
zandikely:

Torohevitra:


Mila dinihina tsara ny fanapahan-kevitra ho raisina, inona ny lafitsarany inona ny lafiratsiny, manon-tany ny hevitrin'izay manana fahalalana (experts ) ampy amin'izay zavatra andraisana fanapahan-kevitra fa tsy raisina maimaimaika fotsiny izao.

Maro ny manoro hevitra fa tsy arahiny, ny sasany moa dia efa maty vao Ramalala, lazaina fa nanana hevitra tsara, mbola fahavelony dia lazaina fa mpiteniteny foana. Mandreraka sy Manafintohina iany ity Malagasy mpihatsara velatsihy ity.







Izay mihintsy , taitaitra eo dia lazaina tampoka ery imasom-bahoaka ery hoe ajanoko ny zao, tsy hiara-miasa @ i anona aho ... nefa anie ka fanapahakevitra goavana ilaina mpanolo-tsaina ilay izy e
11. Noue ( 31/07/2008 14:34)
zandikely:

Noue:

Juillet no tiako lazaina. Sady raha mieritreritra koa ianareo dia tsy misy 31 velively ny volana Aout

mininam-bary aza hono misy latsaka.

Fa misy 31 ny volana août ka


:)
12. mignone ( 31/07/2008 18:55)
de tena ni eritreritra tokotrany zahay fa nisy 31 ny volana aout ka !
13. zandikely ( 31/07/2008 21:28)
Noue et Mignone: Misaotra nareo fa tena nieritreritra marina ianareo fa misy tokoa ny 31 Aout, tsy hifamarana ny marina e! Zaho no tsy nieritreritra.


14. ikaretsaka ( 01/08/2008 00:53)
zandikely:

Noue:

Juillet no tiako lazaina. Sady raha mieritreritra koa ianareo dia tsy misy 31 velively ny volana Aout



odry misy 31 tsara ny volana aout ka!
:-D :-D :-D :-D
15. Herimiafina ( 01/08/2008 17:42)
zandikely:

Hoy ny gazety Madagascar Tribune le 31 Aout 2008: Lany fotoana amin'ny fanarenana ny zavatra nosimbaina ny Mpitondra

Any ivelany indray ny filoha Ravalomanana. Midinika momba ny ahasoa ny firenena, ka isan’io ilay fiverenana indray amin’ny Asecna. Ity sehatra iray ity izay nambara taona vitsy lasa izay, fa hisintaka ao anatin’io isika rehefa tsy mitovy ny fomba fijery.

Volam-panjakana maro no lany amin’izao dia izao, satria tsy moramora ny asa atao mba hiverenana amin’ny efa naloa.

Faty antoka hatrany no hita amin’ny fanampahan-kevitra maimaika izay natao teto amin’ny firenena hatramin’izay. Isan’io ny nidirantsika tamin’ny "détaxation". Iza tamin’ny Malagasy no nahazo tombony tamin’ireny ? Nisy tokoa ny tombony, saingy ny mpanam-bola no botrefona tamin’izany. Tsy mba nisy ny fiarahana midinika tamin’ny tompon’andraikitra isan-karazany, fa teny am-pikabariana tao Antsirabe no nivoaka tampoka ny baiko. Sanganehana ny maro tamin’izay. Roa taona tato afara tsy nahomby io, ka niverina tamin’ny fanapahana noraisina.

Tsy zoviana amin’ny maro ihany koa ity resaka Asecna ity, ary io mandamina ny resaka atsy Gabon io ny filoha. Soa fa nilamina. Nirahana nahita ihany koa ny fandravana ny federasiona ny baolina kitra farany teo. Naverina tamin’ny laonina indray andro vitsy tato aoriana.

Mahamenatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny toy izao. Tsy tokony entina amin’ny tendro-po ny raharaham-pirenena. Isika ihany no mamela ratra hotsabointsika ao afara. Ny manarina azy toy izao no olana. Izay no mbola hangatahan’ny sehatra maro eto amintsika ny hisian’ny fifampidinihana maika. Ny fifanakalozan-kevitra no làlana iray hivoahan’ny finihavan’ny rehetra amin’ny fampandrosoana. Raha io no tanteraka hatramin’izay, mety efa tany amin’ny sehatra tsaratsara kokoa noho izao no misy ity nosy mahantra ity.




Tsy haiko raha mety misy ipacts ekonomika angamba ireo zavatra ireo matoa imatimatesana. Sao mantsy dia tratran'ny aretin'ny sosialisma taloha ny mpitondra ka mandany vola any amin'ny zavatra tsy mampidi-bola ho azy akory na ny ariary aza. :^)
16. mirabela ( 03/08/2008 14:34)
zandikely:

Noue:

Juillet no tiako lazaina. Sady raha mieritreritra koa ianareo dia tsy misy 31 velively ny volana Aout




mhh,rah n daty az no diso, sao dia diso doly hatram ny resaka voalaza etsy ambany az kou!!! mampieritreritra :P
17. bazylou ( 03/08/2008 16:22)
be diso tsipelinea be tenisany,
mihinam-bary,
fanapaha-kevitra
hiaraha-mahalala, fa tsy ramalala , sa malalan'ialahyisany i ZOU be!!??? :roll: :roll:
18. fahamarinana ( 03/08/2008 16:49)
:arrow: ary tenatenainareo kosa ilay olona na mandiso na ahoana ...maty vao ramalala kosa aloha fiteny sy faheno any amintsika fa tsy maty vao hiaraha-mahalala e..., :( (l)
19. ni81 ( 03/08/2008 17:40)
ary tenatenainareo kosa ilay olona na mandiso na ahoana ...maty vao ramalala kosa aloha fiteny sy faheno any amintsika fa tsy maty vao hiaraha-mahalala e...,
Rehefa tsy manompa izy dia manao valy bontana fotsiny ao @ zay dinika rehetra novaliany ao! 8O
20. bazylou ( 04/08/2008 23:09)
O ry fahamarinana a, tsy teny gasyizany maty vao ramalala izany, sa malalan'ialahy ilay izy .... " maty vao hiaraha mahalala"" izay no izy fa ny vavanareo no mivilana :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2746