Tena efa dilan'ny ela sy ny ela zany rasitefa zany papa ...
Ny ahy ny tadidiko zao le hoe :
Fa ny hariva, harivan'ny ririnina mamirifiry mila tsy ho tanty
ny fahoriana sy ny adim-piainana mavesatra ka mila tsy ho zaka
Ny tenanao manify dia manify tsy mahita ny fiadanana mba revinao
Fa tandra vadin-koditra mipetaka madity ny adintsaina zay mangeja anao
Tsy kivy anefa ianao fa mikaroka hatrany ny lalana izay mba hizoranao
Ny lasanao rehetra tsy mba maty akory izany fa hitarafanao ny ho avinao
Iza no tia, ary iza no tsy tia? ezaho ka fantarinao hatrany
iza no afaka mba hiara-dia, hialao pa akia zay be vinany
Fa ny safosafo, safosafon'olon-tiana mitondra hafanana ho anao
fa ny tsikitsiky, tsikitsikin'olon-tiana, manaisotra ny hatezeranao.
Ny vintana ny lahatra ny anjara sy ny sisa e, ianao tsy mba mivaky loha @ izany
Tsy manaiky resy tsy manaiky akia ra sipa e, araho tsikitsiky ny tomany.