Ry vahoaka malagasy! Mba manAna hambompom-pirenena

1. kidoropamba ( 30/07/2008 11:28)
Tena mahagaga mihitsy ny malagasy fa toa tsy manana intsony ny atao hoe "hambompom-pirenena" (fiErtE Nasionaly e).
Toe-javatra sahala @ vay ankAndrina izy io ka no sady maharary no mahamenatra.

Efa hita izao fa tsy misy vola ny fanjakAna malagasy, ny filoha hajaina Ravalomanana efa manao vy very ny ainy mandeha erak'ity vazan-tany mitrosa, mitady vola ary mandresy lahatra ireo mpanambola mba hitrandraka ny harempirenena malgasy sy hanondrana solika, ilmenita, vatosoa sy ny sisa, dia ny malagasy, indrindra fa ireo avara-pi (hono) dia miraviravy tanana, tsy misy zavatra atao.
Efa nilaza ny filoha t@ herin'andro lasa iny fa tsy misy vola hanantaterahana ny MAP.
Ireo ambasaderandrizareo zamerika moa sahy milaza mihitsy fa tokony hamidy io TIKO io fa manavestra ny sibiVANSIon fotsiny. Ny ambasadaoro firantsay moa vaky vava fa mivavaka amin'ny Osy ny mpitondra fanjakANA.
Ny malagasy dia midanAhaka, raraka ivy sy miodikodina sahala amin'ny baolina noana eo.
Iza no mitady hamonjy ny fitondrAna malagasy amin'izao fahasahiranana mitady vola izao? Ry zareo GABONE. Tsy ny toerana fanAriana sakafo voatsako io an, fa ry zareo vahoaky ny dadabe Omar Bongo. Ry zareo GAbonE.
Ny mainty hoditra indray ity no hanavotra antsika. kanefa ny gasy samy gasy dia faly mifampiantsy sy mifanaratsy eo fotsiny.

Any izany izao ny filoha hajaina mba mitady vola hoan'i MAP, na marimarina kokoa dia ny "tsodranon'ingahy Doyen" Bongo mba ahafahantsika mampitoetra ny sommet dE la FirankOFOnia @ 2010. Io sommet io ihany no ahafantsika mameno @ ampahany kely ny kitapom-bola ilain'ny MAP.
Isika gasy dia eo variana matory sy mihanahana sahala amin'ny akoho lena eo.
Tena mampalahelo.
Tsy misy ambompompirenena mihitsy marina.

Soa ihany fa mba olona manana ny maha izy azy ny filoha hajaina Ravalomanana ka tsy dia mandraharaha loatra izay vahoaka kamo be tenda miandry ho vokisana maimaimpoana, fa mifikitra kosa @ fampandrosoana ny firenena Malagasy ka sahy mijoro mitady vola na aiza na aiza, na dia hiondrika eo anoloan'i Doyen firansy-afirika, Bongo satria resaka ambompompirenena no tandroina.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
répondu par tsimati le 01/08/2008 14:15
2. saho ( 30/07/2008 12:40)
mahita lazaina alohan'ny fijerena kintana nareo zany an! Mody hoe zao sy zao kanefa nareo mihitsy no fototry ny tsy fifandraisan'ny gasy manampahaizana aty ivelany.
Ahoana ary ny hevitrareo ambadika vazaha ra9, vazaha daholo no mibaiko fa izy sarimbakoly mitovy Tsiranana. Raha samy vazaha rangahy dia izay hahavoky ny malagasy mikarama vola madio no atao fa tsy fitatazana vola maizina etsy sy eroa hampandrosoana ny Tiko na Fitiavantena manokana an!

Esory daholo ireo vazaha ambadika ireo fa ny frantsay ihany no mahavita hatr@ izay ka hatr@ izao....

Izahay tsy mila sarimbakoly baikona tsy nahita fianarana miseho milay!!!!!
vive malagasy tsy ambadika vazaha fa maneho ny hevitra mahatakatra lavitra, mbola aiza no hanjo raha mitohy ny tsy fitiavana frantsay eo vao hoe vonjeo vonjeo....
Malagasy, mitabe tsy lanin'ny mamba
Firaisankina no hery
Ho an'ireo izay nidodododo teny @ 13 Mai, adinoy izany fa aza adino fa malagasy manana ny anjarany koa
:roll: :roll:
3. xxx ( 30/07/2008 13:14)
Marina hoe dadany ity Kidoro ity amin'ny fahaizany miserasera eto fa ataoko fa tafahotra loatra kosa raha lazainao hoe izy no fototry ny tsy fifandraisan'ny gasy manampahaizana any ivelany. Sa manana info tsy hanananay nareo ?????

Raha ny momba ny resaka frantsay indray dia tsaratsara enao miresaka amin'ny tsimati fa i ledala no tena mahay azy. Sady efa ho avy izy izay.
:D
4. tsimati ( 30/07/2008 13:52)
1 - Gasy ao Frantsa sady mahaibe no mampianatra vazah, no lelafin'ny vazaha sy mibaiko vazaha.
2 - Gasy ao Frantsa ihany no tokony jerena fa ankoatr'izay lany andro eo araka ny hafany
3 - Tsy maintsy hilelaka sy handady amin'ny Frantsay hono izany ka azabe resaka.

Tsy manakatokona i tsimati na tsy mirevy Frantsay aza ka ela velona anie kidoropamba na baradaka, badboy, tezitra, aughtyboy sy ny mpilelaka frantsay isany.

Ho ahy dia ataovy izay handresenao ny fahantranao fa efa izy izay rehefa tsy vesatra ho an'ny sasany ianao.
5. saho ( 30/07/2008 14:12)
tsimati inona no atao hoe fahantrana aminao ary aiza no misy io fahantrana io aminao
ny firenena malagasy dia mahantra ara tsaina e, izay no olona toa anao milaza fa tsy mahavita azy ny frantsay, hainao moa ny tantara misy eo @ firenena afrikana sy eropeana ary amerikana....

ny farantsay foana no misahana ny francophonie e, ary izy no mbola manjaka indirect.
Mitonatonana maka zamerika ianao, miteny amerikana, kanefa ny amerikana aza mbola manana ny blem-ny foana hatr@ izao, firy ireo mainty hoditra tsy manana rariny any zamerika, New Orleans sns...

Tsindry hazo lena foana no mahazo mada indrindra fa te hitodika hafa sy handaka frantsay, zao zao mihinana ny tsy fihinana ny gasy ao mada raha resaka fitsinjovana fahasalamana fotsiny aza...rehefa tsy manana vola be hividianana fanafody sy sakafo ho hanina @ ity karama kely zara fa misy dia faty no hita, vonoina indirect ny malagasy satria ve te hanakatra ny tsy takatra, ka aminao aiza no lazainao fa mahantra sa tsy mahantra....mila fiheverana io amiko.

Vazaha isankarazany no tonga mada te hahita ny faune sy flore kanefa ireo vazaha manambola , manambola manankarena ireo kanefa ny gasy no tompontany tsy misy atokona na dia miasa be aza.
Mivavaka ho an'ny mpiray tanindrazana amiko aho sady mivavaka ireo havana amantsakaiza fa ho tonga ny farany izay samy hanana ny anjarany sahaza azy...izay no atao hoe FAHAFAHANA NA hoe LIBERTÉ amiko
AIZA RA FAHAFAHANA fa toa voageza foana, MIASA IANAO tsy velona tsara, manana enao toa enjehina foana, manana teny hendry enao tapenana tsy mahazo miteny....

AIZA RA FAHAFAHANA; AIZA ILAY TO TENY TOA NY OLONA MITADY NY RARINY
:roll: :roll:
6. tsimati ( 30/07/2008 14:20)
Aiza no misy resaka Zamerika nosoratako ra drodroka ty ?
Ho ela velona anie Kidoropamba ary ho tafita ny gasi rehefa milelaka frantsai
7. saho ( 30/07/2008 14:32)
tsimati fa iza no lazainao fa drodroka, aza mifampitsaratsara fa hita nareo fa maka zamerika badboy, augthyboy, kidorompamba ....any amerika daholo ireo hitatitra ny fahantrana olona mainty any e, sy blem zamerika....

Vive la france!!!!!
8. bazylou ( 30/07/2008 15:13)
diahoe rehefa tsy nahazo saosy avytany hoany dia hilefa any zamerika e!! tsssssss, MAPME, tsy misy vola, tsy misy kaly, reveo e!! fa ianareo no nifidy azy ihany io :-D :-D
9. kidoropamba ( 30/07/2008 15:37)
Aza mandositra fa mbola any ny sombiniain'i filoha hajaina:

"Marié depuis 1974 à Lalao, il a une fille et trois fils : l'aînée Sarah, ensuite Josoa qui est étudiant à l'Université d'Heidelberg (Allemagne), le cadet, Tojo étudiant à l'Université de Brighton (Royaume Uni) et le benjamin, Mike, élève à l'American School de Tananarive. "
Ho ela velona ange ny maliGasiZAsion ho an'ireto pokona hanaovana bizna..hin!hin!hin!hin!

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
10. saho ( 30/07/2008 16:03)
ra-josoa tena tsy mahay ninoninona hatrany St Michel, taty Allemagne tsy vita fianarana fa natosika fotsiny , lasa naka vady Bulgare fa tsy gasy...

amiko saribakoly daholo ireo fianarana nandalovana ireo, tena nahazo diploma ve, asehoy eto ary ry kodoroampamba raha tena nahavita fa aza tapenana laza sy voninahitra fa olona tsy mahay daholo e, taranaka mpitery ronono....taranaka tambawax baikona...

Vive la France!!!!! 8O
11. kidoropamba ( 30/07/2008 17:01)
Raha ny haneritery ny fonay aloha dia vitanareo e. Tsy tantiko mihitsy raha vao miresaka fankahalAna an'i filoha hajaina Ravalomanana. Lasa mihetsika indray mantsy ny paLipitAsion raha izay.

Sao lahy dia tena fialonana no betsaka satria ankizy manana ny maha izy azy daholo ireto koafyboay ireto. Raha hiteny angilisy dia tena dadany mihitsy e. Mitovy amin'ny rainy.

Hita ange nareo fa tena nobeazina tany @ SAFF sy SFF ary voky fanAgasiana ka tsy mahatakatra mihitsy ny hatsaran'ireto fianArana any ivelany ankoatry ny ao firantsa izay efa mahaleo.
Ankizy hofanina ato @ school izany dia tsy olo-olom-poana fa manan-danja. Ireo izay mianatra any alEmana izany na any BiritAnika izany dia tena dadany raha hiteny angilisy fa tsy gasigasy mpanosika sarety sy mpivarotra mofo gasy tsy ampy siramamy ary efa tsy mikirAro mihitsy noho ny Loto diso tafahoatra.

Raha miresaka aminao aho dia toa mitady haniry tandroka izay ka mahakamo satria tsy mitovy ny fijery: nareo mitady ho vokisana baOjo ny hafa kosa dia mikaroka fandrosoana foana ka mandefa ny zanany mba any ampita mandranto fianarana. tsssss! Gasy e! Rariny raha boliGary ny alaina vady fa raha izao ny fisainan'ny gasy dia tena tsy lasa.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
Gode blesse Ravalomanana ^:^
12. tsimati ( 31/07/2008 05:44)
Tena tsy lasa sa tena foloha hajaina indray e ? lazao mahitsy fa aza miolakolaka fa manimba ny sasany. Na izany aza tsy mbola mahavoa ny balanao ka dia ahita bala soa ahavoa ary ho lasa filohampirenena atsy ho atsy anie Kidoropamba ka tsy Mapme intsony ny Gasy
13. kidoropamba ( 01/08/2008 08:59)
VelompanantenAna izahay mahita ireto malagasy any andafy maharaka tsara ny baikompitoilomna nasetrin'ny filoha hajaina Ravalomanana.

Io ary fa teraka ry zareo SAFUGE (Save The Future Generation): http://www.madagascar-tribune.com/Honorer-sa-langue-et-sa-patrie,8111.html,

Hita mibaribary fa mitia mafy dia mafy ny maligasiZasion ny vahoaka malagasy indrindra fa ny tanora. Ary efa miaiky fa tokony "ho vonjENA ny taranaka mandimby" satria ho ratsy ny raharaha.

dera sy laza ho anao ry filoha hajaina, namana ankaikin'i BAOngO sy KAdafY, Ravalomanana Marc.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save the friend of BaongO and KadafY, Ravalomanana ^:^
14. tsimati ( 01/08/2008 14:15)
Ahazo seza prezida haingana anie Kidoropamba fa efa maika dia amika ny anao lahy. tandremo sao maty alohan'ny seza :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.9113