ny fanafody vidina eny @ ireny mpivarotra tapa-kazo ireny

1. xxx ( 29/07/2008 20:52)
ny fanafody vidina @ ireny mpivarotra tapa-kazo ireny ve kay naman'ny manompo sampy ihany
répondu par naughtyboy le 03/08/2008 10:44
2. Herimiafina ( 30/07/2008 13:18)
Ivavahana angaha ilay tapa-kazo sa ampangotrahana dia sotroina?
Raha hividy talkapetraka ianao dia mety tsy manompo sampy izay.
Raha hividy tany ravo ahosotra amin'ny vato eny Ambohimanga kosa anefa ianao dia mety manompo sampy izay!
Anjaranao no mahita azy!
3. Noue ( 30/07/2008 13:38)
ary efa atsy @ dinika fivavahana sy finoana ity dinika ity.
4. xxx ( 30/07/2008 13:53)
Ivavahana angaha ilay tapa-kazo sa ampangotrahana dia sotroina?
Raha hividy talkapetraka ianao dia mety tsy manompo sampy izay.
Raha hividy tany ravo ahosotra amin'ny vato eny Ambohimanga kosa anefa ianao dia mety manompo sampy izay!
Anjaranao no mahita azy!

Miray hevitra, raha entinao hatao fitsaboana le izy de tsy sampy izany amiko. Ianao mividy fa tsy hoe handeha hanoko ary amin'ny mpimasy sy ny mpisikidy de izy no manome azy.
5. 08051972 ( 30/07/2008 16:36)
fa inona no atao hoe manompo sampy? Amiko izay rehetra tompoina dia sampy daholo fa tsy hoe rehefa mividy hodinkazo eny amorondalana dia manompo sampy fa io fitadiavambola io koa dia sampy, io fanompoana vady amanjanaka sy havambady io koa amiko dia sampy satria tsy ahatsiarovantena lanaka.
6. Herimiafina ( 30/07/2008 17:09)
Marina izany saingy....
Raha sokajiana hoe sampy ny famelomambady amanjanaka, ny fitadiavambola, sns, dia karazana sampy tsy azo hialana izany fa tsy maintsy topoina, toy ny hoe mihinankanina, matory, sns.

Saingy ny resaka eto dia hoe, "mividy tapa-kazo" izay raha atao koa hoe sampy, dia sampy azo ialana, safidy, mbola afaka atao koa ny "tsy mividy tampakazo".

Ny olana eto dia "sahirantsaina i xxx fa matahotra sao tsy mifanaraka amin'ny moral-ny sy ny heritreriny ny zavatra tiany hatao: hividy tapakazo". Matahotra izy noho ny finoany ao anaty sy ny zavatra nampianarina azy hatrizay sao dia toy ny manompo sampy ny mividy tapakazo satria zavatra tsy fantany sady zavatra tsy mahavantana azy.
7. 08051972 ( 30/07/2008 19:30)
Herimiafina:

hayyyy!!!! Azoko @ izay !!!!! An! an!!!! Tsy manompo sampy ny mividy tapa-kazo fa mitovy @ mividy paracetamol any @ pcie ihany ka!

8. haritianah ( 30/07/2008 21:28)
Manopo sampy oy ny mpivavaka ianao raha nakany @ mpanao fanafody gasy dia izy naniraka anao mividy an'izao sy zao na anasitranana io na iarovana vatana na amelezana olona na itadiavana zvtr maro samy hafa.
Ts manopo sampy kosa ianao raha ianao tenanao no mahafantatra fa ny ravina aviavy dia fanafody aty dia mividy azy mivantana eny @ mpivarotra tapakazo.
Misy mantsy ny olona mahafantatra anarana ravikazo na kakazo avarotran'ireny mpivarotra tapakazo reny fa nefa fitsaboana vavony ohatra, manala kiligadra(baybay @ vtana),manasitrana vavony,manasitrana nify, manala mivontovonto @ vatana.
Betsaka zao no mahalala fa ny Mandravasarotra dia anti inflamatore nefa ireny ts maints any @ mpivarotra tapa kazo vao misy azy.Ts manopo sampy ianao raha ianao tenanao no mahafantatra fa manala mangotsoka io mandravasarotra io dé mividy any ianao.
Maro ny olona refa maharary nify no mividy azy io kikisana dia asiana kely ao anaty nify loaka no sady asiana kely mifotetaka eo @ takolaka.
Betsaka ny lagaly(kiligadra) dia fanafody @ reny no vidiana Satriko aza maratra, tenehana io dé alona ao lé zaza misy lagaly na lé zaza misy farasisa reny fa rem dé maina ny fery.
Tsy mpanao fanafody gasy no milaza zany fa resaka eno, any @ boky, fahalalana tsotra.
Katrafay manala havizanana, sns maro
9. naughtyboy ( 03/08/2008 10:06)
ny aferontany ko oh. de afaka manadio taova any anaty(immune system)ny ts1/1 tsisy idirany fivavahana (herbal medicinal na tapakazo)na kely aza ,tao Tana aza nisy orinasa mpamokatra fanafody @ alalany zvmaniry fa asa ra mbola ao, Itpkl Pr.Ratsimamanga niezaka nampandroso io fomba fitsaboana zay mifanetana @ fahefamividiny rehetra fa ny tsy azo adino de harena
izy reny ao amintsika satria betsaka azy reny ao efa misy toko ny fanondranana azy reny aty ivelany @ reo alema, frantsay sns..
10. naughtyboy ( 03/08/2008 10:44)
hay kay efa resaka tatsy ambadika ty fa efa voalaza reo nolazaiko reo :°) :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3249