Tena sarotra tokoa ve le mitaiza?

1. xxx ( 25/07/2008 06:12)
Misy oul zay mifanakaiky trano aminay tena masiaka amin-janany rah ny fahitako azy. Fa ny mahagaga ahy de toa mifanohitra @ fahasiahany ny toetran-janany. Matetika izy no mibedy an-janany ary tena mitabataba tokoa kanefa toa tsy misy fiantraikany eo @ fihetsik'le zaza le izy. De lasa ny eritreritro hoe: inn marina no fomba hitondrana ny ankizy : fibedesana lava sa anatranatra matetika sa inn? Ny ahy manko mbola vao kely ka mba ilaiko ihany ny hevitrareo ho enti-mitaiza azy rehefa tonga @ fahalehibiazany izy.
répondu par nikah le 02/08/2008 08:05
2. ari.malala ( 25/07/2008 06:34)
tsy misy afatsy ny miresaka iany! ilay mitabataba tsy efikasy, ny mikapoka indrindra indrindra!
3. tess ( 26/07/2008 06:00)
ka efa zàtra bedesina izy dia tsy mandaitra aminy intsony ilay bedy koa! ny ahy no hatahorako rehefa tsy mandaitra ilay bedy sy fahasiahina dia avy hananga-tanana hikapoka sy hamono ity rainy masika.... :? de eo enao no raisina
4. haritianah ( 26/07/2008 12:01)
amiko indray dia ilaina ny fibedesana sy fikapohana zaza, FA amin'ny endriny ts tafahoatra loatra na ts hatao matetika ihany koa.
Tsy manda lé firesahana ao fa mety io nefa raha vao ts bedesinao na kapohinao ny zaza refa tena manao zvtr ts tokony hatao dia ts ho fantany ny mametr ny tokony sy tsy tokony hatao @ RAD.
Mbola averiko fa @ tokony ho izy fa ts reny manao fibedesana adala sy kapoka adala reny.Ts maints asiana balise an'ireo ny fitaizana fa manjary heveriny fa mety zé tiany sy ataony, ka hany ianao RAD indray no ananganany tanana.
Indrindra ny Ray tokony ampiseho amin'ny zaza fa atreto no azo atao ary raha manaonao foana dia bedy na voakapoka(matetika koa ny ray diso mikapoka mafy loatra tsy mety indray ireny).
Tsy dia misy respé loatra ny zaza tsy bedesina sy ts kapohina.Zanabazaha alou ny hitako dé tsis respé satria ts azo bedesina sy kapohina,hany ka mafy loha.
Raha vao zanaka vazaha sy gasy dia efa hita misy fiovana manana respé kokoa satria @ akapobeny alou ny gasy mbola manabedy na mikapoka zaza.
Misy ko ny gasy manao fitaizam bazaha fa elany ela dia mitaraina ihany.Ny tiako lazaina zany dia atambatro lé owé mila fifampiresahana ary mila ampahafantarina azy fa atreto no azo atao satria zao atreto no tsy satria zao fa raha vao manao ny tsy ianao dia bedy ary raha trop dia voakapoka.

5. ravakamalala ( 27/07/2008 13:39)
haritianah > yes, tsy maintsy asiana fetra hoe hatreto ihany fa raha mihoatra io dia bedy, ary rah ambola miziriziry dia mikapoka, tadidio koa fa ny ankizy dia tena tiany mihitsy ny mitsapa ny RAD ny, tsapainy hoe hatraiza marina no azoko atao, sy azoko aleha, ary raha amin iny izy no tsy hainao fehezina dia eo ianao no raisina fa varavarana misokatra ho an ny betises isan karazany amin izay
6. sakaizakely ( 28/07/2008 14:35)
Tsy sarotra ny mitaiza ka, raha resaka fitaizana zaza fotsiny ny ahy na ho 5-6 aza (l)

Izahy fahiny klou de tena anisan'ny nahzo kapoka saingy nena ny zanako tsy kasihantanako zany satria tiko loatra ary tsy misy faritra foiko ho kapohana am tenany donko...

Za tsy mikapoka, kanefa tsy maditra zany ry zareo. Bemarenina ndrai² satria toy ny zaza rehetra ihany, fa mila faharetana ary tenenina moramora fotsiny dieny mbola kely asena mieritreritra ny ditrany mba hi responsabiliser-na azy

Mandaitra am ny ahy io méthode io, nefa koa tsy voajanahary amiko satria mifanohitra be am fanabeazana azoko, fa namaky boky betsaka aho mikasika ny fitaizana. Ary itokiako fa tsy benefique am firasiampo misy am RaD sy ny zanaka ny fikasihantanana azy

samy manana ny fandraisany azy de samy manao ze heveriny fa mety, amiko dia izao " ze tinao ataonjanakao aminao no ataovy aminy koa". Raiso am teny malefaka izy raha tianao halefampiteny aminao, araho tambitamby daholo ny fihetsikao aminy raha tsy ho tianao hahery fihetsika aminao izy. Le respect, ça se gagne, ça se mérite, ça s'apprend dès le plus jeune âge. Izay iainany any antrano am RaD no ampihariny any ivelany.

Nahoana mou ny zanakao no anananao fahefana ny fikapohana azy rehefa misy tsy mety ataony, dia izy koa ve afaka mikapoka anao rehefa tsy tiany ny ataonao ? Izay amiko no atao hoe notion de justice fa tsy didy jadona we za mahazo midaroka anao fa ianao tsy mahazo.

Bref, hevitro manokana izay
7. RATOVOARY ( 29/07/2008 12:56)
Nahoana mou ny zanakao no anananao fahefana ny fikapohana azy rehefa misy tsy mety ataony, dia izy koa ve afaka mikapoka anao rehefa tsy tiany ny ataonao ? Izay amiko no atao hoe notion de justice fa tsy didy jadona we za mahazo midaroka anao fa ianao tsy mahazo.

Manintona be io fomba fijery anakiray io.
Kanefa de tena misy tokoa RAD tena sahy fa rah vô tsy mifanaraka @ sitrapony tonga de daroka be , ny kabary tsy lazaina tsony. Ny Ray ndray ny sasany tsy mahavita miteny raha tsy mamomamo kely, de mandeh koa ny daka sy totohondry. Ohatry ny hoe mitovy vatana aminy le zaza amin'io. Ny latsa aman-kanina tsy lazaina tsony ( F'angah vola ariana fotsiny ny hanina ho haninao ato e! sns .....) Zah manokana aloha tsy tia an'zay e! sady tsy mba nanaovana fitaizana ohatr'izany.
8. nikah ( 02/08/2008 08:05)
Izaho in-1 t@ mbola kely dia tadidiko fa voakapoka foana.i dadanay in-1 tsy mivazavaza na be kabary fa miteny in-1 na in-2 fotsiny izy hoe zao sy zao no tsy azo atao.Ka raha mbola manao iny zavatra voarara iny ,tsy misy kabary fa tonga dia mirefotra ny kapoka.Izany hoe HADINOKO zany moa dia tena fady ny miteny izany ao antrano.fa kosa refa nanomboka lehibe @ zay dia tsy nikapoka intsony izy fa raha vao misy faute dia miakatra conseil ao antrano.Ary @ io conseil io dia malalaka ny famoahana hevitra ,ary terena mihitsy tsy maitsy miteny izay antony nahatonga anao nanao ilay faute.Dia eo @ zay ilay RAD manoro sy manitsy,ary mampitandrina ny tsy hanaovana ilay faute itsony.Tsy misy kapoka itsony eo fa ny sazy t@ zany dia TAPAKA NY ARGENT DE POCHE .Refa sendra any ambany vohitra izahay dia hidina ao @ grenier manofy voanjo,mandritra ny 1 andro .Dia ao no anaterana sakafo atoandro,hitanareo ilay manao asa anterivozona ireny.!!!
FA hitako nalalaka kosa izahay t@ fifandraisana @ olona,ary ny RAD mihitsy aza no mamporisika ny hidiranay @ fikambanana ireny (Chorale,scoutte,association sportive na culturelle ireny....)
Ny lafiny arapitivana koa refa nanomboka nanao sipa dia tsy voateritery zany fa manannatra tsikelikely eny fotsiny ny olondehibe.
Izao efa lehibe zao vao mahatsapa hoe nety ilay fitaizana .
fa tadidiko tsara ilay olona teo akaikinay tabataba sy fangejangejana foana no mahazo ilay zanany.Voarara daholo zay atao rehetra ary tsy mba misy comprehension na dia kely aza fa didijadona fotsiny.K\'inona fa tsy ny zazany lahy lasa mamo lava eny antsena moa ny zanany vavy miteraka tsy manamba dy daholo no niafarany.Satria Voageja loatra,ary tsy mba misy anatra fa tonga dia tabataba sy daroka no mandeha.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3622