Miara-mipetraka @nkavana

1. xxx ( 23/07/2008 12:09)
Mba toroy hevitra aho ry reto a! izaho vao vita mariage 2taona lasa izay, manan-janaka 9mois izahay mivady, ary mipetraka ao @ tranon-dray aman-dreniko. Marihiko fa izahay telo mianaka irery miaraka @ mpanofa trano no ao @ ilay trano FA rehefa misy fianakaviana avy lavitra tonga eto tanà dia ao aminay no mamantana (ordre avy @ RAD-ko io).
3mois izao, nisaraka tamin'ny vadiny nenifaranay, dia lasa ao aminay no mipetraka. tsy mbola manan-janaka izy. Vao tonga herin'andro anefa izy dia nipoaka sahady ny gera. Misavoritaka hono izahay, tsy manana disciplines, sns. Dia nisafaoka rangahy vadiko fa hoe mitsabaka @ raharaha tokantranonay Ramatoa. Dia raikitra teo ny fifamaliana. Refa nazavaina taminy ny antony mahatonga ny korontana ao antrano (tsy manana mpanampy, nefa samy miasa) dia nilefitra ihany izy. Nanaiky tsy fidiny angaha ny tena marina. Izy mantsy karazany irony olona sarotiny sy kizintina irony.
@ izao anefa, tsy azo lazaina ho milamina ny fiainanay satria rangahy vadiko tsy manaiky ny hipetrahan-dramatoa ao aminay fa ozona ho an'ny tokantranonay hono izy.
Dia misy menace be ny tokantranoko amizao fotoana , entre le clou et l'enclume aho. Tsy hitako izay atao. Ilay vadiko miteny hoe andao hanofa trano, izaho anefa tsy mety satria tsy haharaka an'izany ny karamanay. Dia teneniny foana aho hoe na ramatoa no mandeha na izy no mody any @ RADny. Tsy te-handraoka anlé nenifaranay aho @ izao aloha satria hitako hoe mbola tsy stade tokony hitoka-monina izy, satria vao 1mois ny vadiny no nilaza taminy fa tsy hanambady azy intsony.
Toroy hevitra e! inona no tokony ataoko. Tiako ny tokantranoko, kanefa aho tsy te-ho ratsy toetra be @ ramatoa. INONA NO ATAOKO ary raha ianareo no eo @ toerako
répondu par Nanoo le 30/07/2008 11:12
2. ni81 ( 23/07/2008 12:22)
Tena tsy tsara ilay miara-mipetraka aloha fa manimba ny tokantrano e! Ny havan-tiana tsy hiara-monina. Ary raha toa ka nahita i nenifaranao fa mikorontana ny tranonareo dia tokony handamina izy fa mipetraka ao raha toa ka tsy arakareo ny fikarakarana noho ny asa aman-draharaha sy tsy fananana mpanampy.
Azavao @ nenifaranao ny olana misy aminareo mivady, fa tsy hoe akory efa mikorontana ny azy dia hikorontana eo koa ny tokantranonao. Mahereza.
3. diamondra27 ( 23/07/2008 12:51)
mbola tsara fanahy ramose ndry zany fa ra za no nataon'i nenitoanareo an'io de tena nahazo izy we tsy ny anao no natao tsra zay nampandeha azy fa mijabaka am zay tokantranonay
Faran'ny zavatra tsy tiako mihintsy zany mandidy amin'ny tokantranoko zany. Ianao vahiny sy iantrana ndray no be vava tssssssssss

dia voalohany marina fa we tokony nareo zany no mandray ol kanefa tokony hisy resaka tsara momba ny condition de vie ao we hatreto ihany no azonao idirana ka raha manaiky enao dia tsara tsy manaiky de malalaka ny varavarana hiii , masiaka be le fiteny an ,
ao fa tsy atao an zany e ! lazaina tsotra sady entitra izay ol tonga ao aminareo we zao sy zao ny fomba fiainanay ka raha misy tsy mety aminao dia tsara ny mifampiresaka, samy manana ny fomba fiainany ny olona fa tsy voatery hitovy ka ra tsy zakanao ny fomba fiainanay de manome fotoana anao izahay jusk am herinandro hitadiavanao solution fa tsy mety ntsony ny fiarahantsika fa mety manimba ny tokatranoko etc etc

4. fahamarinana ( 23/07/2008 18:50)
:arrow: fanontaniana manorisory kely fontsiny :fa mba firy taona loatra ilay nenifaranareo ? Amiko aloha,amiko manokana rahatoa ka tena efa mapizarazara toy izany dia aleoko ny vadiko no arahako ;ezahako fontsiny ny manamboatra ny nenitoa,manazava tsara ,eny na dia fantatra fa ho sarotra ary ahazoana tsiny ihany koa.Ary rahatoa ka efa sahirana sns...nareo mivady,koa tsy ilay RAR ndray no handefasana azy,aiza dia hoe tsy maintsy nareo no hi-subir lava,hoe ordre-ny RAR sns..sns...satria ao am tranon-dRAR-ny....Tsy aleo marina ve mitady solutions hafa :mifindra trano satria mety tsy ho i nenifara ihany fa mbola hisy olon-kafa koa any aoriana tant que eo foana nareo..Mora ho ahy agamba aloha ny miteny satria tsy hiainako o? (l)
5. tess ( 23/07/2008 19:15)
havantiana tsy hiaraha-monina hono e!
manaraka izany! misy blem foana ny tokatrano raha vao misy hafana miaraka mipetraka aminao, na i ramatoa no tsy mahatanty na i rangahy....
alamino diniho mifampiresaha tsara vao manaonao foana
6. xxx ( 23/07/2008 19:50)
7. ari.malala ( 24/07/2008 06:53)
Manahirana io miaraka mipetraka am havana io ka! fa amin'ny antsoin'i diamondra27 hoe izy iantrana indray no b vava! ilay manofa trano, ny ambany iany aky no tsy laitra a! ny tiako tenenina d zao, am voalohany iany no ohatran'ny hoe mafy b fa refa eo zaka foana! marina ny tenin'ny namana hoe tsy voatery ho io nenifara io iany no hivantana tant que mbola ao am tranon'ny RAD nareo no mipetraka, fa mbola hisy hafa d ny tokantranonao v d ho voakorontana lava eo! nareo tompony aza mahazaka ko izy vahiny indray no hikizintina ao antranonareo! tsisy afatsy ny mahaleo tena angamba no hitako fanafodiny, satria rehefa any nareo d masi-mandidy am tokantranonareo, fa mety ny nahasahiany nikizintina angamba d satria fantany hoe mbola an'ny RAD nareo ilay trano...
8. Nanoo ( 24/07/2008 09:18)
Mila mailo tsara! Mila midinika tsara ianareo sy ny RAD-nao mijery ny mahamety sy ny tsy maha-mety an'ity situation ity. Il faut ménager la chèvre et les choux! Mila apetraka tsara ny maha zava-dehibe ny autonomienareo 2 ao anatin'ilay tokatrano. Mety nentanim-pitiavana fotsiny ry zareo t@ izy nanome ilay ordre, fa tsy nieritreritra ilay izy we mety hiteraka olana rehefa tena hampiharina. Mahazo resaka ry zareo arahaba soa arahaba tsara! Tsy mety moa d tsy maintsy manaraka ny vahaolan-drangahy vadinao. Mahereza e!
9. Nanoo ( 30/07/2008 11:12)
Mbola manitikitika ahy ty resaka 1 ty. NGamba le ordre avy @ RAD we
"FA rehefa misy fianakaviana avy lavitra tonga eto tanà dia ao aminay no mamantana (ordre avy @ RAD-ko io)"
miantefa @ vahiny sendra mandalo (tsy mipetraka eto) fa tsy ho an'ny ol hanorim-ponenana???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1462