Tenin'i Jesosy pasopasohan'ny fiangonana #1

1. LazaDaddy ( 16/07/2008 23:29)
Ny ankamaroan'ny fiangonana dia tsy mampivoitra loatra na ny maha entitra an'i Jesosy. Matetika aza moa dia "voapasopasoka" tsara mihitsy ireny teny ireny ka manova ny fampianaran'i Jesosy.

Ohatra:
"Koa raha hianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra?"

Teny Anglisy: "though you are evil"

Ompa io amin'ny fiangonana ankehitriny ka tsy dia resahina loatra. Lazainy fa "cool" be hono i Jesosy, "tolerant" i Jesosy e, bla bla bla. Tolerant ve ny fitenenana olona hoe "you are evil"?
répondu par fijo le 23/07/2008 21:03
2. Rasiligaoma ( 16/07/2008 23:43)
azon'i LD antoka ve fa ny "fiangonana" no nipasopasoka fa tsy ilay nandika teny (na anglisy io na gasy na vazaha?"
na ny anglisy aza ange misy dikan-teny maro araka izay contexte tian'ilay "mpandika" handikana azy e
3. LazaDaddy ( 17/07/2008 00:56)
Rasiligaoma:
azon'i LD antoka ve fa ny "fiangonana" no nipasopasoka
ENY, azoko antoka ary izaho dia anisan'ilay antsoin'i Jesosy hoe "evil" :). Isaorako Izy tsy kivy miantso ahy hiverina aminy indray isan'andro isan'ora :)
4. LazaDaddy ( 17/07/2008 00:57)
LazaDaddy:
Tolerant ve ny fitenenana olona hoe "you are evil"?
5. Rasiligaoma ( 17/07/2008 02:11)
evil sy devil samihafa
eny tolerant ny fitenenana hoe "that's evil"

Hoy ny New Oxford
evil:profound immorality, depravity (no man is so evil as to be beyond redemption.) , harmful or tending to harm(evil effects of high taxes)

Devil: (in Christian and Jewish belief) the chief evil spirit; Satan.
6. LazaDaddy ( 17/07/2008 02:28)
Aza ovaina ny fanontaniako Rasiligaoma a.
LazaDaddy:
Tolerant ve ny fitenenana olona hoe "YOU are evil"?
Rasiligaoma:
eny tolerant ny fitenenana hoe "THAT's evil"
Tsy ny fanontaniako anie no valian'ise e :)
7. hery ( 17/07/2008 05:18)
Mitovy ve aloha ny hoe intolerant sy ny hoe sevère :-)

I Jesoa dia tolérant fa sévère, miséricordieux fa juste, be ronono fa masiaka

betsaka ny teny ao amin'ny baiboly izay hanehona'ny mpanoratra ny tsy finoan'ny apostoly sy ny kristianina.
Ohatra fotsiny http://baiboly.katolika.org/boky/Lioka/24:25 "Ry adala sy votsa saina!"

Tsy intolérant izy amin'izany fa sévère.
8. LazaDaddy ( 17/07/2008 05:56)
Hery> raha fitenenana sy fitsarana ny olona hoe "evil" dia resaka "tolerance" fa resaka "sévèrité". Ka io no mbola iandrasako valiny. :)
LazaDaddy:
Tolerant ve ny fitenenana olona hoe "YOU are evil"?
9. bichette ( 17/07/2008 07:24)
Tsy hiditra amin'ilay hoe tolerant sy severe loatra aho fa inty misy ohatra 1 ao amin'ny soratra masina :

Marka 11 : 15 - 17 dia i Jesosy nahita ny olona nivarotra tao amin'ny tempoly.
15 Ary tonga tany Jerosalema izy; ary Jesosy niditra teo an-kianjan'ny tempoly, dia nandroaka izay nivarotra sy izay nividy teo an-kianjan'ny tempoly sady nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan'ny mpivarotra ny voromailala;
16 ary tsy navelany hisy olona hitondra fanaka handeha hamaky ny kianjan'ny tempoly.
17 Dia nampianatra Izy ka nanao taminy hoe: Tsy voasoratra hoe va: "Ny tranoko hatao hoe trano fivavahana ho an'ny firenena rehetra?"(Isa. 56.7); fa hianareo kosa efa nanao azy ho "zohy fieren'ny jiolahy"


Jereo fa tsy nisy discussion, tsy nangataka moramora Jesosy na hoe nampitandrina aloha fa tonga dia "action", tsy naka fotoana akory izy niteny hoe "esory re ny varotrareo azafady e ! " anefa azon'i Jesosy tsara ny niteny moramora an'ireo. Anefa nandroaka izy sy nanjera avy hatrany. Tsy voasoratra ao ami'ny soratra masina ny fihetseham-pon'ny ireo mpivarotra fa azo antoka fa tezitra sy nahasorena azy ireo ny nahita fa azerazera ny entany). NITENY MAFY IREO ILONA IREO IZY KANEFA MIFONO FITIAVANA SY FAMPIANARANA NY TENY NATAONY. Amin'ny andininy 17 ny fampianarana.

Raha tena mandalina ny teny rehetra nataon'i Jesosy isika ao amin'ny testameta vaovao dia mifono fitiavana hatrany sy fampianarana ny teniny, na miteny mora izy, na manazava mora izy, nma mampianatra izy, na mampiseho fahatezerana izy na severe izy na inona na inona ny fihetseham-pony sy ny toerana misy azy, ny situation, na tolerant izy na choqué koa izy toy io ohatra ambony io dia MIFONO FITIAVANA HATRANY ny teniny ; ary manova zavatra be izany.

Hoy LazaDaddy hoe
Ompa io amin'ny fiangonana ankehitriny ka tsy dia resahina loatra. Lazainy fa "cool" be hono i Jesosy, "tolerant" i Jesosy e, bla bla bla. Tolerant ve ny fitenenana olona hoe "you are evil"?


Arakaraky ny fomba hitenenan'ilay olona, raha tena dans l'esprit hoe hanamavo dia normal fa raha fonosina fitiavana sy misy fananarana sy tsapa fa fitiavana ho hitenenana azy dia hafa indray izany.

Jereo koa ny ray amin'ny zanaka. Rehefa manabedy ny zanaka ny ray dia misy fotoana miteny mafy, mikikiaka mihitsy aza ary mety efa nikapoka mafy azy nefa dia tin'ilay zanaka sy tsy foiny mihitsy ny rainy satria nahoana ? satria fitiavana avokoa izany, tsapan'ilay zaza fa fitiavana azy sy misy fitiavana ao no hibedesan'ilay rainy azy, sy fampianarana.

:-*
10. xxx ( 17/07/2008 07:54)

Toa tiantsika ery ilay mitsongoloka "mot", izay ve no essentiel ! Izay ve no tiana ampitaina hoe raha izao no noteneniny dia tolérance izay fa raha izao dia sévérité ? Sa ilay résultat (hoe mahatsapa tena ilay olona )? Tsy resaka susceptiblité ve izany !

Misy olona raha lazainao hoe ry adala sy votsa saina dia tezitra , misy tonga saina hoe hay tokoa moa aho adala sady votsa saina

Raha ny fomba firesak'i LD eto dia toa carré carré hoy ny fitenenana, tsy afaka miteny zavatra hafa fa valio ENY na TSIA ? Limité ihany vokatra azonao @ io satria tsy misy ouverture mihintsy
11. bichette ( 17/07/2008 08:18)
ié tokoa. Io koa arakaraky ny fandraisan'ny olona ny teny voaray. Arakaray ny personnalité n'ny olona tsirairay. Misy ny olona sasany tezitra foana sy mampiseho tsy te hahalala na dia zavatra mahasoa azy sy manampy sy teny mifono fitiavana aza no lazaina azy satria succeptible loatra ary tonga dia manisy rindrina be na inona na inona. Anefa rehefa amin'ny fotoana hafa dia manome tsiny ny olona hoe "maninona hono raha mba notenenina hono izy, lazao azy daholo hono ny tsy mety, bla bla izany ve hono no tena namana" anefa rehefa tenenina tokoa dia montotra toy ny inona sy tsy te hahalala sy be vava hoe "tsy te haheno na inona na inona za fa izay za e ! " . Dia avy eo rehefa tenenina hoe "ka enao anie efa notenenina dia tena tezitra be dia aleonay tsy miteny intsony e " ,dia izy indray no manome tsiny avy eo.

Indra1 1 koa anie ilaina ilay tenenina hoe "ratsy ny toetranao toa izao " , clair, direct, honnete. Fa kosa arahina vahaolana izany fa tsy mifaly miteny ratsy fotsiny. Jesosy aza manome fampianarana hatrany avy eo.

Ary izany aza no tena namana. Miteny ! Ny tsy tena namana tsy hiteny anao mhitsy hoe "izao sy izao ianao fa tokony hiova".

Jesosy dia direct hoe "na ianareo aza na dia ratsy ...." Hita fa ratsy ny olombelona ka inona no mety hahatezitra amin'izany ?

Hoy ny tenin'Andriamanitra ao amin'ny ohabolana 1 : 7 hoe : 7 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana. amin'ny teny frantsay manao hoe La crainte de l'Éternel est le commencement de la science; Les insensés méprisent la sagesse et l'instruction. Ka raha misy fiangonana ....... dia ..... :D
12. piste ( 17/07/2008 09:36)
Sao dia any @ voambolana " Tolérant " mihitsy no tokony dinihina tsara. Toa tsy tokony @ io context io manko no ipetrahany.
13. Rasiligaoma ( 17/07/2008 13:22)
marina tokao ny an'i xxx: raha mots anankitelo (you are evil) no hijerena ny resaka tolerance an'i Jesosy dia tsy ampy.
Io ilay hoe ny tsy manam-petra aza ferana amin'ny mots anankitelo
14. fijo ( 17/07/2008 20:09)
io ary fa manomboka manaiky ny mpino sasany fa mahery fihatsika anie io olona hivavahanareo io e.olona gidragidra lava io wa fa dinio tsara
15. pissoa ( 17/07/2008 20:31)
I Jesoa dia hentitra be ! Tsy amin'ny fomba fiteniny fa amin'ny hevitra entiny mihitsy. Na amin'ny fanoharana aza i Jesoa no miteny dia mbola misy hentitra be ihany ny hevitra avy amin'izany. Ny tsy tokony hadinoina dia toetra iray fotsiny io fa tsy hoe voafehin'io ny maha-Jesoa an'i Jesoa :lol:


Ary sao amin'i LazaDaddy kosa no hoe ompa ny hoe you are evil fa tsy hoe amin'ny fiangonana ankehitriny ? Toa misy fiangonana mantsy na lazain'ny sasany fa devoly devil sns aza fa tsy hoe evil dia toa tsy mbola niteny hoe manompa anay nareo :-D :-D :-D
16. fijo ( 17/07/2008 20:34)
izay le hoe mifanaraha ao ianareo
17. pissoa ( 17/07/2008 20:37)
Fijo : hevitra aseho raha misy fa tsy raharahanao na hifanaraka zahay sy LD na mpino na tsia :-D :-D :-D :-D :-D
18. fijo ( 17/07/2008 20:40)
ka hevitra io ko,
19. Rasiligaoma ( 18/07/2008 18:15)
Ny tsy tokony hadinoina dia toetra iray fotsiny io fa tsy hoe voafehin'io ny maha-Jesoa an'i Jesoa

marina

20. fijo ( 18/07/2008 21:02)
ka efa toetra azo hitsarana olona koa izay.raha nangalatra i robin de bois mba hanampiany ny mahantra,taoko ity voatsara izy???satria nangalatra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759