ho anjarako

1. miantsoa ( 14/07/2008 06:53)
manao ahoana daholo!

mba mangataka an'ilay hira an'i Tovo j'hay farany e: "ho anjarako"!

merci
répondu par mikie le 27/07/2008 17:33
2. mikie ( 27/07/2008 17:33)
slu Miantsoa, io lé tononkiran'i tovo, d za mba mangataka ny tononkiran'i princio "kely fotsiny" ra sendra manana enao d mb valio. mci.à+
ho anjarako

Efa nodorako izay rehetra2 momba anao
Novitriariko izay sary rehetra nisy anao
Fa tsy maty anaty foana ilay tsiaro, tsy mangiana
Fa maro loatra ireo tantara mifangaro

Efa narindriko tsy hohita ireo firavaka
Zay rehetra nomenao efa any anaty lavaka
Indrisy anefa fa miraikitra tsy miala ato anaty
Lay endrikao manaraka ahy,indraindray tsy tanty.

Refrain:

Hihazakazaka aho hijery izay mba nisy anao
Hivezivezy tsisy hery ny tady no nirao
Ilaza fa dia mbola ianao ihany no tiako
Ianao no iriko hoanilako eo
Dia mbola ianao ihany no ekeko hoanjarako

Ilay toerana faleha niarahana nitafy
Tsy nandalovako intsony niviliako lalan-kafa
Ny maso anefa mitsipalotra mangalatra makany
Fa feno loatra ny alahelo ka kotsan'ny tomany

Tsy tiako henoina intsony ireo hira izay mba fiainontsika
Izaho sy ianao mifamihina rehefa andro mangatsiaka
Nefa ny tonony sy ny feo tsy afaka an-doha lasa aretim-po
Nanjary vao may nankarary

Refrain:..
tovo j'hay
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1707