toaka ary sigara àry rogony

1. lazounet ( 12/07/2008 09:11)
Ho antsika ray aman-dreny manan-janaka tsy ampy taona, mba azonareo zaraina eto ve ny fombafomba azo atao handresena lahatra an'ireo zanatsika mba tsy hikasihany zava-mahadomelina sy sigara àry zava-pisotro maha-mamo any aoriana any ? :@ :@ :^) :^) 8O 8O
répondu par sakaizakely le 13/07/2008 21:26
2. Noue ( 12/07/2008 11:16)
ny any am-pianarana aloha dia efa manao mobilisation momban'ireo ! na ny lesona , ny vidéo-n'ireo olona voan'aretina ary tena mampatahotra be mihintsy ! hany ka mino aho fa tsy te-hiherika @ zany ny ankizy !

io koa aloha dia ny RAD no manomé sy mapiseho ho modely ! ny sigara sy alikola zany !
3. tafita ( 13/07/2008 09:38)
Ny olona raha tenenina hoe aza manao an'io na hoe ajanony io de matetika tsy mandaitra , FA RAHA HAINAO NY MAMPISEHO NY VOKA-DRATSINY NA NY HARATSIN'ILAY ZAVATRA ATAONY dia hibebaka ho azy izy ....
4. tess ( 13/07/2008 10:13)
izaho aloha tsy manan-janaka fa io raha hataonao tsara taiza toy inona aza ilay zaza dia rehefa hi bolila izy tsy tànanao mihitsy, ary miafina izy manao ny adalàny fa tsy hifoka na hisotro eo imasonao mihintsy.....
sarotra ny mitaiza aloha e! ary ny mauvais fréquentations koa no tena poizina mandripaka ny tanora amin'io lafiny io.....
5. ni81 ( 13/07/2008 11:12)
rehefa hi bolila izy tsy tànanao mihitsy, ary miafina izy manao ny adalàny fa tsy hifoka na hisotro eo imasonao mihintsy.....
sarotra ny mitaiza aloha e! ary ny mauvais fréquentations koa no tena poizina mandripaka ny tanora amin'io lafiny io.....

Matetika koa dia ny ray aman-dreny no fitaratra jeren'ny ankizy ary tena lasa sarotra no ananarana azy. Mba diniho ange e: raha i Dada sady mpifoka no mpiloka no mpigoka? I Neny koa lafaoro mandehandeha! Tena mora @ ireo ankizy mihitsy ny haka tahaka kah!
6. tess ( 13/07/2008 11:58)
izay aloha dia tsy lazaina tsony...fa misy ny contraire....mba otrzay ihany ilay RAD fa misy iray mibolila ny any ivelany no tahafina de;...... :-P
7. sakaizakely ( 13/07/2008 14:12)
izay traikefanao manokana zaraina aminy, izany hoe azavaina aminy ny antony tsy nikitihanao azy. Marina ny voalazan'i tess mikasika ny mauvaises fréquentations, nefa koa misy lanjany ihany ny voalazan'ny RAD @ ankizy raha tsy atao dridrangilo fa resahina tsotra.
Ho ahy manokana dia miditra morabe ao antsain'ny zanako rehefa ny zavatra niainako no tantaraiko azy, na tsy mbola mikasika io olana lazain'i laza ireo aza, fa ny ditraditrakely. Mandaitra tsara.

Fa na inn na inn olana, ny kapoka tsy mahomby na ovina na oviana. Ny firesahana mampianatra azy ho tomponandraikitra am fiainany ihany. Fa tsy mora an

Bon korazy lazo @ bogosy kely :-*
8. niryna ( 13/07/2008 19:40)
Mbola any am-pianarana mihitsy dia efa misy taratasy fenoin'ny rar aman-dreny mamela ny zanany hianatra ireo mikasika ny rongony sy toaka,ny resaka firaisana.Rehefa omen'ny rary permission ny zanany anaraka ilay program dia moramora ho azy ireny ny mijery ilay vokatra ratsy mety ho aterany.
Ny ray aman-dreny ihany koa no fitaratra kanefa mbola maro koa ny manodidina mampianatra ilay zaza.Mbola kely dia efa atao fantany na misy tantara maro mitranga mikasika ny vokadratsin'ireo ary dia iny no mifantoka tsikelikely ao an-tsainy.
Tsy ho voatery ho mpisotro toaka koa anefa na mpifoka rongony koa ny rar aman-dreny vao hoe manao izany ny ankizy,ilay toerana sy ilay manodidina azy sy ireo namana mampianatra azy no tena antony lehibe.Ny dikany dia tsara ho fantatra hatrany ireo namana miaraka aminy ,raha kristiana koa moa isika dia ny mametraka izany fiainany zanaka izany ho tantanin'i kristy no voalohany indrindra sy ny mampianatra azy hatahotra Azy ka miaraka mizara ny tenin'Atra avy amin'ny fiarahana mivavaka amin'ny zavatra miantra amin'ny fiainana rehetra sy ny misaotra an'Atra amin'ny soa nomeny.Tena manampy ny ankizy io amiko.
9. lazounet ( 13/07/2008 20:12)
Misaotra anareo rehetra izay namaly hatreto. Fa ny ahy no angatahiko aminareo dia hoe, ankoatra izay efa fanentanana any am-pianarana sy etsy sy eroa, amin'ny maha ray aman-dreny mpitaiza sy mpanabe antsika inona no tokony atao ombieny ombieny hampisehoana ny haratsin'ny zava-mahadomelina?
Isika mantsy tsy hiandry ny any an-tsekoly foana satria tadido fa eo anatrehantsika no manomboka ny fanabeazana. :*
10. tess ( 13/07/2008 21:00)
tsy haiko aloha ry lazounet fa izahay fito mianadahy tsy misy voasitona nifoka sigara na nisotro toaka na dia efa samy lehibe aza amin'izao fotoana izao...
ny fitaizàna anay angamba no efikasy, voageja ihany izahay tamin'ny fitaizàna ary naverimberina taminay foana fa ratsy ny toaka tsy tsara ny mifoga sigara, eny na ny niteny ratsy aza tsy mba nataonay tamzany fa nahazo ny fehikibo raha vao manao zvtr tsy mety na dia kely aza.....
anefa ilay dada ao antrano misotro alcool an!
voageja ihany koa amin'ny resaka namana, bedy raha miaraka amin'ny namana somary madiditra ratsy taiza ireny....dia bonaika kely daholo zahay tamzany fa nony efa samy lehibe samy manana ny fiainany....fa tsy nisy nibolila NA voasarika tamin'ireny zvtr mahadomelina ireny eny na ny fifohana sigara hoy aho , ka mila averimberina amin'ny ankizy matetika angamba ny lafi-ratsin'ireny zvtr ratsy ireny, toy ny firesahana matetika ny momba ny SIDA ankehitriny mba hitandremana sy hiarovan'ny tsirairay amin'izany......
11. sakaizakely ( 13/07/2008 21:26)
misy oul zay, nentiny tany am hopitaly mikarakara ireny mararin'ny homamiadana phase terminal ireny sy ny centre mikarakara ireny grands accidentés ireny ny zanany dia tena tsy misy te hiherika toaka sy sigara, encore moins rongony.

na dia efikasy aza dia hitako hoe ekstrem loatra ilay metody, traumatisant be ho an'ny ankizy, na dia fantatra fa mila electrochoc ry zareo hahatonga saina azy.

Mila ampahafantarina sy ampahatsiahivina azy ireo matetika ny vokadratsiny (ny aretina mety azo @ fifohana sigara sy rongony, ny lozampifamoivozana aterakin'ny fisotroantoaka...). Misy boky manampy ny RaD am firesahana @ ankizy tsara ananana. Tsy fantatro aloha fa na za koa mba liana raha misy mahafantatra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2287