hatraiza no tena fitiavana

1. xxx ( 11/07/2008 07:29)
Mirahaba antsika rehetra
Izaho de manana olana ka mba tiako ho vahana eto ilay izy
Izaho dia tovovavy mddn ny 30 taona niaraka t@olona zandriko heritaona , nanomboka ny taona 2000 no niaraka teny foana izahay nandritra ny 5 an izy moa nianatra ho dokotera ary efa nivoaka izaho kosa sady nianatra no niasa , nitohy teny ny fiarahanay roa tamin'ny 2006 izy lasa niasa tany amin'ny province ary de mbola nifandray teny zahay ary samy niloka fa hivady rehefa mba tena miasa tsara tsy haiko anefa fa nanombola tamin'iny 2007 iny izy tsy niantso firy nony izao 2008 izao anefa izy tsy miteny hoe hisaraka izahay an! fa hoe miaraka foana fa sty haiko e! naheno tamin'ny namany aho hoe hanambady izy ary efa mitondra vohoka ilay vadiny tsy hitako izy atao izaho ve mbola tolony hiresaka aliny hanazava ny antony sa tsy mihaona azy intsony ny foko anefa mbola tia . Miexiste ve ny hoe lavitrin'ny maso lavitrin'ny fo. Tena very hevitra aho fa mba mila hery avy aminareo .
Misaotra betsaka
répondu par xxx le 30/08/2008 08:44
2. ni81 ( 11/07/2008 08:34)
He, mampalahelo tokoa ianao saingy mahereza fa tsy anjara e!
Izy no tokony hanazava ny antony aminao fa matoa izy tsy manazava dia tsy te hampahafantatra anao ilay resaka. Aza mitady fanazavana hafa avy aminy intsony fa mivavaha mba ahazoanao fampiononana avy @ Atra.
Mety hisy ny hoe lavitry ny maso lavitry ny fo, fa eo koa anefa ilay SAFIDY, na koa mety ho nanala azy (araka ilay fiteny) fa lavitra anao dia niaraka t@ olona hafa, dia bevohoka tampoka ilay vehivavy, na koa nanao fanahy iniana ho bevohoka dia mivady malaky ry zareo.
Zavatra maro no nety ho nitrange fa faminavinana daholo ireo.
Marina fa marary ny (l) hoe mbola tia, nefa mbola hisy ny anjaranao fa aza kivy.
3. xxx ( 11/07/2008 12:44)
Araky ny hevitro, ny couple mila miara-miaina sy mifakahita matetika vao mety ilay izy satria lavitry ny maso dia lavitry ny fo tokoa, indrindra moa raha mbola tsy misy zaza. Momban'ilay sipanao indray, raha izà enao dia anotaniko mazava izy, mba ahafahanao mandeha amin'ny lalana hafa sy mba ahasitrana ny fonao fa tsy hiandry azy eo fotsiny.
4. diamondra27 ( 11/07/2008 14:22)
dia ahoana anefa hoy ny fianakaviany, mhazo vaovao ve ndry

amboary ihany aloha ny morale e

matoa tsy manome vaovao dia efa misy mahavariana azy ay izay , mety tsy afa manoatra marina izy sns , sady tsy manakivy anao za fa zany lasa any am province zany nge ka tsy moramora e

ahatsiarovako ilay film gasy we masahiry I sy II ity mahazo anao , mampalahelo fa tsara fiafara e de mba mirary mba ho toy izany koa ny fiafaranareo

mila fandeferana be ilay fitiavana

izay tia dia miandry foana

5. mbaliana ( 11/07/2008 15:35)
angah ianao tsy afaka mankany aminy pour qiq jours dia ho hitanao eo zay atao e? hevitra aloha iny
6. tess ( 11/07/2008 15:40)
raha sahala amiko dia efa nadaboko, manana ny hambo-poko aho kou!
fangah raha mianatra dokotera dia handrandraina be eo amin'ny fiainana????
7. Belami ( 11/07/2008 15:58)
Naheno teny t@ namany ianao fa hanambady ilay miaraka aminao. Zavatra roa no mety misy :
- na tena marina fa hanambady izy fa tsy sahy miteny aminao sao handratra anao,
- na efa tsy tiany ianao dia ny namany no asainy manely tsaho ho tonga any antsofinao hampiataka anao aminy fa tsy misy izany akory
- na tsy misy izany fa misy mamorona sujet fotsiny satria mety fantatry ny olona fa tsy nifandray firy ianareo

Mitovy hevitra a@ Mbaliana aho hoe mandehana jereo izy pour qque jours dia milamina tanteraka ny sainao aminy, ka raha tena marina izany dia avelao izy hande fa tsy hahasoa anao ny hi insiste ny fiarahanareo.
Manana hambo fa tsy indray andro ny fiainana ary manana heritsaina satria mbola henjakenjana ny hanadinoana ny fotoana sy ny zavatra vita tao anatinizay 7 na 8 taona niarahanareo izay. Rehefa niaraka ela tsinona , tsy ilay fitiavana no tena olana @ fisarahana fa ilay fialana aminilay fahazarana.

8. Veloo ( 11/07/2008 19:14)
Manana hambo fa tsy indray andro ny fiainana ary manana heritsaina satria mbola henjakenjana ny hanadinoana ny fotoana sy ny zavatra vita tao anatinizay 7 na 8 taona niarahanareo izay. Rehefa niaraka ela tsinona , tsy ilay fitiavana no tena olana @ fisarahana fa ilay fialana aminilay fahazarana.


marina mihitsy io... Rehefa ela no niarahana dia sarotra ihany ny fisarahana, marary ny fo.. Ny zavatra tsara anefa dia efa mba tsy nifankahita nareo pour presque 1an et demi na deux ans. Nefa ao ihany ilay fitiavana e...Raha tena marina io lazain'ny namana io dia tena mba ratsy fanahy ilay bandy, tsy manozona za fa ny manao ratsy an'olona dia misy valiny foana na ela na aingana. Ka manova ny tsara foana ry reto a.

xxx mahereza aky an :-*
9. Bola ( 11/07/2008 22:35)
Mahavariana ilay fiainana fa misy loko be dia be...
Raha izaho manokana dia ianao aloha mila mahafantatra ny tena tadiavinao. Rehefa mamaky aho - ahitsio raha diso - dia ny tianao ho fantatra ve hoe mbola tia anao ve izy sy hoe ahoana raha efa misy io olona iray io...
Ka raha valin teny entitra no tadiavinao (sady @ izay koa ianao tsy miaina ao anaty tombany fa mahay tsara ny faits rehetra) dia mora kokoa ny maka fanapahan kevitra. Ireo ambony efa nisy nilaza an io hoe tsidiho izy. Na koa ianao milaza hoe tsy milaza izy fa hisaraka nareo. Mbola mahazo azy @ telephone izany ianao...Ka raha hanontaniana azy fotsiny koa...Nefa aloha toa hafa ilay mifanatrika eo dia mifanazava. Dia tadidio fa ny resaka atao rehetra mifarana toy ny niantombohany foana ka ezaho calme foana ny miresaka.
Sarotra ny resaka fitiavana...Raha tonga any ianao ka milamina ny rehetra dia arahaba soa arahaba tsara. Raha sanatria - sanatria tsy milamina fa miafara @ zavatra hafa dia ity no zavatra nandaitra betsaka @ olona: aza avela handresy anao ny emotions. Manohitra an iny foana fa manjary mitarika depression. Te hitokana ohatra dia ny contraire atao. Miresaha foana momba ilay olona na fihetseham ponao momba an ilay olona mandra paha afaka azy (jusqu a ce qu il sort de ton systeme hoy ny fiteny). Rehefa mandeha ny fotoana afaka miresaka azy tsy misy tomany intsony aza ianao fa ho gaga. Raha tena namana vonona hihaino anao foana. Tsarovy koa hoe arakaraka ny fandehan ny andro no hampihena ilay marary. Ny fahazarana tiana ovaina rehetra mila soloina zavatra hafa fa tsy misy zavatra azo adino @ izao. No ho izany manaova zavatra tsy fanaonao hanoloana ilay fahazarana teo. Mety hoe manova ny ao an trano, mianatra zavatra efa nirinao foana. Manampy koa mihetsika ny vatana. Tsy voatery sport be na mandeha tongotra kely aza dia ampy satria mamaoka hormones mahatonga antsika hahatsiaro tena ho tsara ny fihetsehana. Rehefa tonga ny fihetseham po dia tsy maninona fa aleo ho avy saingy avy eo lazao ny tenanao hoe mbola mitohy ny fiainako dia mitsangana manao zavatra. Sarotra ilay izy ary tsy hisy hanao hoe mora izay efa voan ny ratram po rehetra kanefa dia azo resena sady rehefa afaka avy eo ianao tena mahatsiaro matanjaka! Izay tsy mamono moa mampantanjaka...
Mahereza indrindra dia na dia niteny ireo aza aho dia ny hirariko miverina soa aman tsara nareo mahatanteraka ny faniriana hatramin izay ary mahavaha izay mety olana mipetraka miaraka.
10. ainaheri ( 12/07/2008 06:09)
Mbola tsy hitan'ny masonao izay zava-nitranga,ny tsara dia ny mihaona aminy....marina fa mafy izany fa mba hanadiovanao izay ao anatinao mba tsy hisian'ny andraso lava sy ny fitaintainana ka tsara² ny manao carte sur table......Fomba fiteny ilay lavitry ny maso lavitry ny fo, ary matetika miseho ilay tranga,kanefa kosa tsy ny retra² ho tojo an'zany fa misy ihany ny matotra.
Sarotra ny manadino fa raha izay ny fandehany aza mandevin-tsotrobe ,tsy oe akory lany zara ianao sanatria.....Mahaiza mipozipozi d amboary i....... miaramiasa aminao ao iny ee lol...@ zay tsisy mankany @ province tsony :lol:
Bô kourazy enao
11. ni81 ( 12/07/2008 06:36)
Maro aminareo no miteny hoe: mandehana mankany dia ho hitanao... Ka raha inty ka efa miara-mipetraka aminy ao ilay vehivavy io, dia mety tsy hisy korontana ve zany? Toa sarotsarotra ihany ny tena fandehany kah! Raha izaho dia aleoko aza miantso an-tariby toy izay hoe hankany an-tranony.
12. ainaheri ( 12/07/2008 07:09)
Ilay mankany antranony sy ilay miantso alou tsy vahaolana amiko eee,miantso we asaina mankany @ ilay sipa miresaka; G suis d'acc!! Fa raha oe anontanina ny antony.......... ;misy mahay miresaka ambadik'io phone io,na eo akaikiny eo aza ilay sipany (kala ou bandy) hainy ny mamadika resaka,d lazainy refaveo we cousine-ko na cousin-ko lol,na koa we antsoiko enao refaveo,mba hanapahana haingana ilay resaka!!!!! Antsoy izy ny marimarina kokoa,asaivo mankany aminao,any miresaka tsara,tsy ankahatezerana....
13. endrika01 ( 12/07/2008 07:11)
Raha zah manokana aloha,raha tena ao aminao lay fitiavana an le tovolahy,niaritra sy niezaka ianareo ny hanomana izany hoavy izany,hé zany izy we haka vady anao izy.De ianao mihintsy no mandray ny fanapaha-kevitra mandeha makany aminy,@ora sy fotoana tsy ampoiziny mba hahalalanao ny tena marina!(raha hitanao ilay toerana)mety lay vhv bevohoka taminy nanao fanahinina hitombé satria ilay tovolahy efa nitantara taminy fa manana ny olon-tiko aho,hatao tsy hoela ny raharahanay,ny antsika fiarahana tsy matotra.Mazava hoazy fa tsy afa-bela léry satria bevohoka lay sipa;menatra anao izy ary tsy sahy mitantara!Mety koa izy mila courage avy aminao!Tsisy olombelona tsy ho diso ka anjaranao ny mandray ny fanapahan-kevitra amim-pahendrena!Raha tena marina fa misy vhv miaraka aminy ary efa bevohoka,aza asiana ady akory ,tso-drano no omeo azy ireo!Tsy mbola ilay tovolahy no anjaranao!Fa any ho any!Mahereza:-*
14. diamondra27 ( 12/07/2008 07:56)
ainaheri:

Mbola tsy hitan'ny masonao izay zava-nitranga,ny tsara dia ny mihaona aminy....marina fa mafy izany fa mba hanadiovanao izay ao anatinao mba tsy hisian'ny andraso lava sy ny fitaintainana ka tsara² ny manao carte sur table......Fomba fiteny ilay lavitry ny maso lavitry ny fo, ary matetika miseho ilay tranga,kanefa kosa tsy ny retra² ho tojo an'zany fa misy ihany ny matotra.
Sarotra ny manadino fa raha izay ny fandehany aza mandevin-tsotrobe ,tsy oe akory lany zara ianao sanatria.....Mahaiza mipozipozi d amboary i....... miaramiasa aminao ao iny ee lol...@ zay tsisy mankany @ province tsony :lol:
Bô kourazy enao


--------------------------

mila mafy saina ange zany ry ainaheri fa tsy hoe mande any fotsiny am zao e
Raha ity hono ka tratra eo ambony fandriana izy mitsam de ahoana aza

na koa raikitra ny rombon'izy roa vavy ,...mifampisintombolo sns
aoka re marinamafye
15. ainaheri ( 12/07/2008 08:25)
Diam's>> Tsy voatery mankany aminy ilay sipa raha oh mihaona ka,afaka atao oe izy mankany @ le sipa na oe manao fotoana @ toerana iray oh,fa ilay mankany alou mitady raha araka ny fitenenana ee,en+ we ra bevoka marina ilay sipa ka miady eo nareo hummmmm,aza hitako ary aza mahita ahy lol

Diam's,aza mankany @ province elà fa otrany mampitaotra anà ty tantara ty ka =))=))=))=))=))
16. mbaliana ( 12/07/2008 14:23)
tsotra anie ry zareo ny atao e, telephoner-na le olona hoe tonga any aho rafakampitso na hoe tel jour ... sady manomana ianao no efa vonona koa ny hande .. mety hilaza izy hoe tsy ho ao ecc.. dia raiketina eo ny discussion fa raha milaza izy hoe mbola miaraka isika raison de plus handehanana any hanamafisana ny fifankatiavana :D
17. tsiafoi1 ( 13/07/2008 13:17)
Fanintelony @'izao no nahitako tranga toy izao. Ilay farany aza de 8ans niarahana, ary efa vita "fiancaille" mihitsy rizareo, Mpianatra dokotera koa ilay ranamana, fa rehefa tonga teo @'ny famaranana de nanao stage interne tany @'ny hopitaly be tany Fianarantsoa le bandy, de promotion niaraka taminy tany ihany no novadiany.... Tsy nahasahy niteny t@'ilay sipa akory le bandy fa de ny fihetsiny sy ny taratasy tsisy mpamaly no nahafantarana ny fiovan-keviny...

Vita hatreo ny tantara..., Soa moa fa nisy naka vady ihany ilay sipa rehefa nanankim-po mafy t@'Andriamanitra.

Mahereza fa mbola misy anjara tsara ho anao any.

























































































































































































































































































































































































































































































18. naughtyboy ( 13/07/2008 13:52)
xxx>sarotra ny misy anao nefa mihombo ny aretina ra tsy fantarinao mazava ny mampatonga azy, alamino tsara ny fotonanao iresaka mifanatritava aminy ahafantaranao tsara zay any antsainy momba anao,ampahafantaro azy fa fotoana farany hanapahanareo hevitra ny fiarahana
ra handroso na hijanona na hihemotra ..de azonao mazava ny valiny tsisy olakolaka fa ny fiainana mitohy foana indrindra ra misy ny olana de misy foana ny vahaolana aza adino na @ toerana tsy mora aza enao @ zao fotoana ..mahereza fa tsisy mafy tsy laitry ny zoto ,ra 1 no tsy tia misy folo manotany ao ambadika tena misy io fa tsy resaka

:lol:
19. xxx ( 30/08/2008 08:34)
Slt daholo ianareo!
Marina ary tena marina ny voalazanareo fa dia tena misaotra betsaka anareo rehetra aho manana namana tokoa manana anareo rehatra .
Fa ny tiako ho lazaiana dia izao izy ange ry zareo efa manambady e! ary voa vita ny mariageny ary avant ny mariageny aho satria teto Tana no ananova azy fa ny toerana no tsy haiko dia niantso azy aho hoe adao isika sy ianao hihaona mba samy hifampiresaka mazava tsara fa tsy mety izao nefa tsy nasiany valiny aho ary izaho aza nilaza hoe "hitombina ve ny saina eo ampanamasinan'ny Pasitera ny mariagenao nefa any misy olona iray napetrapetrakao ary mba mahita tory koa ve ianao raha mampijaly vehivavy iray ianao manana anambavy ihany ? za aloha ry zareo dia efa nandeha tany aminy zany hoe tany amin'ny 900km mianatsimo fa tena nan ny reniny aza dia tena tsy haiko e! satria hono dokotera ny vinantony ka io no tiany . Za moa dia lasa mihitsy ny vavako hoe aza mandeha mivavaka ianareo mianakavy fa mihatsara velatsihy eo anatrehan'Andriamanitra fotsiny ary ianareo dia any amin'ny Helo no mandeha . Ary hoy aho hoe hiteraka ny vadinao dia hahatsiaro ahy ianao amin'ny ora farany .Na dia marary aza ny foko dia nivavaka aho mba hapian'Ilay Nahary mba tsy ho kivy fa raha toy zao ve ny ataon'ny lhlhy ho aiza izahay vhvvy ? Fa ny tena tsy haiko dia ny sariny aty amiko ve ataoko ahoana e! alefako posta sa hetezako sa atao ahoana e! mba hiadiavo hevitra indray zaho e! merci e!
20. xxx ( 30/08/2008 08:44)
Slt daholo ianareo!
Marina ary tena marina ny voalazanareo fa dia tena misaotra betsaka anareo rehetra aho manana namana tokoa manana anareo rehatra .
Fa ny tiako ho lazaiana dia izao izy ange ry zareo efa manambady e! ary voa vita ny mariageny ary avant ny mariageny aho satria teto Tana no ananova azy fa ny toerana no tsy haiko dia niantso azy aho hoe adao isika sy ianao hihaona mba samy hifampiresaka mazava tsara fa tsy mety izao nefa tsy nasiany valiny aho ary izaho aza nilaza hoe "hitombina ve ny saina eo ampanamasinan'ny Pasitera ny mariagenao nefa any misy olona iray napetrapetrakao ary mba mahita tory koa ve ianao raha mampijaly vehivavy iray ianao manana anambavy ihany ? za aloha ry zareo dia efa nandeha tany aminy zany hoe tany amin'ny 900km mianatsimo fa tena nan ny reniny aza dia tena tsy haiko e! satria hono dokotera ny vinantony ka io no tiany . Za moa dia lasa mihitsy ny vavako hoe aza mandeha mivavaka ianareo mianakavy fa mihatsara velatsihy eo anatrehan'Andriamanitra fotsiny ary ianareo dia any amin'ny Helo no mandeha . Ary hoy aho hoe hiteraka ny vadinao dia hahatsiaro ahy ianao amin'ny ora farany .Na dia marary aza ny foko dia nivavaka aho mba hapian'Ilay Nahary mba tsy ho kivy fa raha toy zao ve ny ataon'ny lhlhy ho aiza izahay vhvvy ? Fa ny tena tsy haiko dia ny sariny aty amiko ve ataoko ahoana e! alefako posta sa hetezako sa atao ahoana e! mba hiadiavo hevitra indray zaho e! merci e!

Mahereza fa tsy anjaranao izy e! Any aoriana any ianao dia ahatsapa fa tena nahatsara anao ny tsy niarahana tamin'io olona io.
Ilay sary poteho mba tsy hankarary ny fonao ny fahitana azy. Mahereza e :-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1646