Vonona mandrakariva hamaly ny fanantenana ao anatinareo
1. niryna
(
07/07/2008 12:35)
15 Fa manamasina an'i Kristy ho Tompo ao am-ponareo (Isa. 8. 12, 13); ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin'ny anton'ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin'ny fahalemem-panahy sy ny fanajana. 1 Pet 3:15
Inona no hevitra tiaNy ampitana amintsika ?
misaotra mialoha
(l) niryna
répondu par niryna le 19/07/2008 04:37
3. bichette
(
16/07/2008 13:44)
niryna, inona tsara ny reference biblique-n'ilay hoe manamasina an'i Kristy ao amponareo ????
4. niryna
(
19/07/2008 04:37)
bichette:
niryna,inona tsara ny reference biblique-n'ilay hoe manamasina an'i kristy ao am-ponareo ????
Isaia 8:12 mampisho amintsika eto fa na inona mitranga na inona fanenjehana ataon'ny tsy mpino na olona manohitra ny finoantsika dia tsy tokony atahotra isika fa tokony hijoro hatrany.
Mety misy olona hanatsatso isika na misy olona tsy manome hery fa vao maiky ny anohitra ilay tenin'Atra hatrany no ataony dia tsy tokony ho kivy isika satria manana Azy ho tompo ,manana Azy ho mpaniraka antsika ary manana Azy ao anatintsika ka tsy hisy na iray aza afaka hanongotra an'izany fitiavany lehibe miaraka amintsika isan'andro izany. Ary tsy tokony atahotra olona isika fa Atra irery ihany tokony atahorantsika Ary dia mbola tohizana ao amin' Isaia 8:13 ihany koa izany
Dia mbola tohizana ao amin'ny 1 Pet 3:15 koa izany,tsy tokony atahotra isika hizara ilay finoana ao anatintsika ,dia ny finoana izy izay ihany dia ny firahan'ireo kristiana rehetra mino an'i kristy. ( one faith in Him to others)Izany hoe mino an'i kristy sy ny tenin'Atra izay nomeny antsika ary vonona mandrakariva ny hizara izany amin'ny hafa ka sahy hijoro vavolombelona ny soa nataony tamintsika ary tsy atahotra na ho menatra na ho kivy ....
Izay no fahalalako azy !! sa ahoana hoy bichette ?
:D
