26juin voninahitra sy fifaliana ary 48 taona alahelo Henatra

1. nygasysoafifameno ( 28/06/2008 14:17)
26 jiona 2008 voninahitra sy fifaliana mahatsiaro fa malagasy zanak'i Madagasikara ny tena.
ankilany kosa 48 taona nandiso fanantenana mampalahelo ary mahamenatra
ny mijery ireto fitondrana nanimba nandany be: Tsiranana-pisodia Ratsiraka-Arema sy Ravalomanana-TIM
Manasa anao hijery ny famelabelarana mikasika izany nataon'i
Profesora Johnson THAÏNA
filohan'ny fiarahamientana politika ny GaSy soa fifameno
Ao amin'ny blaogy maha olom-pirenena
http://madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
dia aza adino avy eo ny mitsidika ny site olom-pirenena
http://madagascar-animation-culturelle.net
ilazao ireo namana sy havana fa ireo no vaovao tsy misy sivana ary mitory fanabeazana sy serasera
répondu par tsimati le 03/07/2008 14:33
2. Belle ( 28/06/2008 15:02)
Miarahaba,

Ny tonga dia nisarika ny saiko raha vao nanokatra ny rohy (sy ny tohiny) dia nahoana kay no amin'ny teny vahiny mipoapoaka no lahatsoratra hita raha vao manokatra ilay tranon-kala (rohy)? Sahirana ihany ny tenako tsy mahay ilay fiteny ary ela vao nahita ilay dikany amin'ny tenin-drazana. Tsy ny valala bemandry Malagasy ve nefa no tena iantefan'ny lahatsoratra voalohany indrindra?

Fanamarihana tsotra fotsiny ihany ny ahy io. Misaotra anareo,

Belle
3. tsimati ( 28/06/2008 23:30)
Ka ny valalabe mandry efa mandry sy taritina fotsiny e. Izahay samy manandoha aloha no mifanampempo. Tanindrazana anie midika hoe teny vahiny e. Ao aza no milaza hoe adalan'i Madagasikara ny nangataka fahaleovantena. Mody atao vazivazy nefa taritina ilay resaka hisainana tsara. Ity serasera ity koa no ahitana izany. Ilay fampianarana olompirenena dia tsy ho an'ny olompirenena Malagasy any Madagasikara mihintsy akory fa ho an'ny olompirenena andafy ka izay ilay teny vahiny. Misaotra eeeee
4. kidoropamba ( 30/06/2008 10:22)
FitiavantanindrAzana? Tsy misy dikany mihitsy izany @ izao fitontoloana izao.
Tandremo ny tosindrA fa azavaiko io an: Ny vola no maha rangahy hoy ny Ntaolo. Ka ny vola ihany no mibaiko ny zavadrehetra fa tsy izany fitiavan-tanindrAnzana izany.
Ny filoha hajaina Ravalomanana aloha dia tena pragmatika: namidiny t@ sheritt ohatra ny ambatovy, vola nitobaka tao @ kitapombolan'ny fanjakAna. Raha ny sasany izay dia fitiavantanindrAnaza tsy mahavoky kibo sy tsy mahatsabo aretina no hiorakorahana. Vola no maha rangahy. Aza adino io hafatra io.

Nomen'i filoha ny Exxon ny petiroly sy ny ranomasina any mahajanga, morondava sy ny sisa, vola nitobaka tao @ kitapombolanm-panjakAna; n,y kamo be tenda mioraka hoe fitiavan-tanindrAzana kanefa tsy mahavokatra vary iray kilao akory.

Amidio ry filoha hajaina raha toa ka mampandroso ny firenentsika; amidio raha toa ka mitondra fandrosoana sy fivoarana. Amidio fa aza mora ambakain'ireo kamo be tenda izay tsyu te hiasa sy tsy te hamokatra fa faly mitanisa sy mihira ny "ry tanindrazanay malala ö" eo fotsiny.

Tsy misy mihitsy ny ilAna olompirenena mahantra ka tsy misy vola izany satria fanetriben'ny tany izany. Raha te ho olom-pirenena TSY ny fitiavantanindrAzana tsy mahavoky io no aroso fa ny vola hiainan'ny tsirairay.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy ^:^ ^:^ ^:^
5. rahiratra ( 30/06/2008 10:37)
Tony koa aloha dia efa manao resaky ny tapidalakaleha ka miteniteny vilana. Iza no hanaiky izany resaka izany ho mitombina. Vao tamin'i Ravalomanana daholo ve ny Projet rehetra no nipoitra sa misy efa manaraka fotsiny? Na i kidoropamba aza no lasa President any aoriana dia misy zavatra efa neken'ny fanjakana nifanesy no tohizanao. Mahamenatra ihany ny ampitoviana amin'izany fihevitra izany. Samy manala azy ka dia tohizo fa mety mahasoa ny serasera angamba izany.
6. kidoropamba ( 30/06/2008 11:34)
Azonao tsy ekena ny fihevitro fa tsy ekeko kosa ny hilazanao fa miteniteny vilana aho. Azoko atao koa ny milaza fa ianao ity dia miteniteny vilana . Aoka hifanaja.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
7. tsimati ( 01/07/2008 01:50)
Mijoro amin'ny maha-izy anao ary aza milaza ho TIM sandoka. Rehefa mpanohatra dia tohizo ny fanoherana fa efa rakatra ilay voambola hiasanao hoe tranainy: "baikompitolomana sy filoha hajaina"
8. kidoropamba ( 01/07/2008 10:41)
Tsy maintsy mitolona vao tonga @ fahafahana. Fahafahana azo avy @ asa, tsara sy mafy.
Ny filoha hajaina Ravalomanana no manome an'io baiko io.
Ka rakatra ahoana?

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy ^:^
9. tsimati ( 01/07/2008 15:26)
Any amin'ny boky mena ianao miresaka baikompitolomana ry kidoro fa aza manimba ny an'olona milay tsara.Tsy ilain'ny TIM na hilelaka lela-antsy aza :-D :-D :-D
10. kidoropamba ( 01/07/2008 15:54)
Fa ahoana no any @ boky mena no ahitAna ny baikompitolomna? f'angaha efa tsy hitolona @ fampandrosoana intsony izany izao?
Tsy izay ilay baikompitolomana nomen'i filoha hajaina Ravalomanana.
Ka ity TIM lazainao ity moa ilay hoe [b]T[/b]eo Ihany no Miverina an-dry Ranjivason sa ny Tafita Isika Malagasy an'i filoha tompo mahery Ravalomanana?

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
11. tsimati ( 02/07/2008 01:14)
Rehefa sasatra sy fisaka ny kidoro na tany aiza na tany aiza soloana vao hatrany. Tsy mila kidoro tranainy ny tanora fa tsy mihevotra :-D :-D :-D
12. kidoropamba ( 03/07/2008 08:52)
Lasa izao! hoy ny jeneraly praiministra no sady minisitry ny atitany.

Tafita Isika Malagasy
God bless Ravalomanana ^:^
13. tsimati ( 03/07/2008 09:51)
lasa adala ty zao =)) =)) =))
14. kidoropamba ( 03/07/2008 10:30)
Moramora ty vava fa tsy sarotra ny mampigadra raha mitohy ny ompa. Okay?

Tafita Isika Ravalomanana
God save Malagasy ^:^
15. kanota ( 03/07/2008 10:47)
Efa azo fohana tsy migadra hono izao ny moly ka mitarika azy ra-zoky =)) =))
16. kidoropamba ( 03/07/2008 11:19)
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana ^:^
17. kanota ( 03/07/2008 11:39)
any amin'ny nygasysoafifameno any andafy ianao manamafy ny molinao. sady mahay "audit" moly amin'izay=)) =))
18. kidoropamba ( 03/07/2008 12:13)
Fa inona loatra re no nataonay mpanohana an'i filoha hajaina ary inona loatra no vitan'ny filoha hajaina no lasa mankahala anay tahaka izao ianao?
Marary ny foko, mivarahontsana ny saiko raha mahita olona tahaka anao io? Raha mitohitohy izao ataonao izao dia tena hametrapialAna ao @ TIM aho.

Dera sy lmaza anie ho anao ry filoha hajaina Ravalomanana. ^:^
19. notron ( 03/07/2008 13:27)
Salama aby!!
Ka io tsy maintsy mandroso ary tsy maintsy lasa la hiakatra na hidina, na ho any an-danitra na ho any an-kady e!
God bless Ravalomanana # Le Vidim-piainana blesse le Vahoaka

:?: :?: :?: :?:
20. tsimati ( 03/07/2008 14:33)
Niampy ray koa ny misosa. na ny iray mody mitana nefa mamototra ny iray mitifitra inona no vola miditra ho an'ny noana amin'izany zao. misosa tsss ^:^ ^:^ ^:^ ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3106