48 taona fitondrana lonaka anaty fitaka sandoka mandripaka

1. nygasysoafifameno ( 10/06/2008 22:39)
tafa dinika hay sy soa serasera fanabeazana ary pedagojia maha olom-pirenena.
Fanazavana ny tena olana mandripaka
48 taona 1960 - 2008 fitondrana Tsiranana-pisodia Ratsiraka-arema Ravalomanana-TIM samy
no lonaka anaty fitaka sy sandoka manimba mandripaka ara-drafitra sy ara-tsaina
ny aretina ifotony?
ny vaha olana matotra sy maharitra?
jereo amin'ny google ary soraty
http;//madagascar-animation-culturelle.blogspot.com
ho hitanao ao ny famelabelarana fanazavana nataon'iprofesaora Johnson Jacky Thaîna ho antsika tia tanindrazana rehetra na eto Madagasikara na aty ivelany.
Tsy ny olona no enjehina fahatany fa ny fitiavana tanindrazana no asandratra ho avo mazotoa mamaky ary ilazao ireo namana sy tapaka iaraka hijery ary dia mazotoa mifanakalo hevitra.
aza adino koa ny mamangy ny site maha olom-pirenena
http;//wwwmadagascar-animation-culturelle.net
ilazao ireo havana namana sy tapaka ireo izay manana sekoly na orinasa
répondu par Jeankely le 14/06/2008 01:42
2. Jeankely ( 11/06/2008 00:09)
Anisany tena olana asa na voasoratra any na tsia dia ny famotehana ny fomba fisainan'ny vahoaka maro an'isa. Asa na olona teraka tao anatin'io 48taona io ny Professora na teraka talohan'io. Ary asa koa na nobeazina tamin'ny fanjanahantany na nobeazina tamin'ny fomba vahiny andafy. Arakarak'ireo no ahaizany mahita vahaolana ho an'i Madagasikara. Marina fa Professora fa ny "Prix Nobel" @ toekarena aza nisy mihintsy no namono tena satria tsy tafavoaka. Ny resaka Fitondrana amiko mbola mora amboarina fa ny fisainana efa miparitaka nefa fisainana lo morina no sarotra ahitsy. Ohatra tsotsotra: Vao hiditra andakilasy ny zaza ary hanomana fanadinana dia ny "spapa" no ao an-tsainy satria fantany fa azo atao izany daholo na ny "fitsara avo" aza ary lesona hitany amin'ny Politika izany. Ny Mpiasam-panjakana tsy mahalala fa mila miasa mafy nefa mihevitra fa tokony ampiakarina ary ampiakarina ny karama na tsy mampiditra vola ho an'ny fanjakana aza. Ohatra tsotra zakan'ny daholobe sahala anay io fa tsy resaka avobe akory. Ny maro an'isa beazina ahaizany mifidy ny solontenany
3. naughtyboy ( 12/06/2008 16:18)
io zao no atr@ zay no mba hevitra ekeko @ lazainy J.K ilaina ny fanabeazamboho ny olompirenena malagasy hahalala ny andraikiny ts1/1 fa tsy taritaritina havia sy havanana fotsiny de manaiky..otrany fifampitaizany RAR sy zanaka
4. Jeankely ( 13/06/2008 04:03)
Mba tsy rombo indray tam'ity ve ry naughty a. Ilay izy ny samy tsy mifoka sigara ve no hifampiteny hoe ratsy ny sigara ? Ny efa nianatra no hanarinao dia lasa mifanadala saingy ny mpifidy no ampiakarinao ny fomba fijeriny sy fahalalany ny ho aviny. Tsy misy mpitondra tafapetraka eo raha vahoaka mahay ny ho aviny. Ny mitranga dia vahoaka avy dia manantena olona iray ahatafita azy. Ka rehefa manao teny mamibe amboalohany dia hiantsapazana avy eo milaza tofoka politika. Izay ilay izy ary izay hatrany no novohiziko teto. Raikitra moa ny rombo dia mivily ny resaka. Azo jerena ny tahiry rakitra fa voasoratro efa herintaona koa io hevitrao io. Hahaha tsy nanaraka akory ianao fa atidohabe haiko tsara sao raikitra indray ny rotaka =)) =)) =))
5. naughtyboy ( 13/06/2008 15:54)
:-D :-D :-Dny hevitra diso no ahitsy fa tsy misy tombony ny rombo sy ompa sy fanambaniana ny hafa zay tsy talenta ilofosako,ra sendra diso ny hevitro de tsy masosotra mintsiny ny mihaino ny hafa manitsy anzany fa mahafaly aza satria mampatsiaro ahy fa mbola oul za fa tsy anjely ka lafatra de io no mbo tiko ampitaina @ hafa ko ra mety aminy :-P mazava v
6. Jeankely ( 14/06/2008 01:42)
Mazava tompoko oooo :p :p :p
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2644