Maraina no lohatenin'iny hira iny, Naly Rakotofiringa no namorona ny tonony sy ny feony ary Salomon no tena mihira azy.
Zava-baovao no entin'ny maraina
mifoha indray ny tontolo fa mbola velon'aina
Maro no efa lasa nanalavitra ny akany
Satria tsy maintsy miasa raha mbola eto an-tany
Zovy moa ianao no tsy hifoha maraina
Handramo kely ange ny mitsangana malaina
Ny ambany ny mafy, manàna herin-tsaina
Fitsanganana avy hatrany no finiavana ilaina
Indro ny hazavana avy any an-danitra mirotsaka
Tapitra ny aizina, ny masoandro vao miposaka
Hita miramirana rehefa mety ho zava-boahary
toy ny avy nolokoina, na nadika tami-sary
Amin'io fotoana io, ny fanahy sy ny saina
Dia miadana finaritra mahatsiaro fa miaina
Aina sarobidy loatra tsy novidiana fa nomena
Tsy zaraina amin'ny hafa fa natokana ho an'ny tena