Sady mahasosotra no mampihomehy!!
1. badboy
(
06/05/2008 15:53)
Ankorondrano
Jiolahy tratra niaraka tamin'ny basy vita gasy
Voadaka teo amin'ny ankasarotany ka noraisim-potsiny ity jiolahy nikasa hanafika teratany vahiny teo Ankorondrano, ny alahady teo. Basy poleta vita gasy no tratra teny aminy.
Sendra ny nahay azy ity jiolahy ka tratra.
Sendra ny nahay azy ity jiolahy iray nanafika teratany vahiny tetsy Ankorondrano ka noraisim-potsiny. Saika ny ainy indray aza no nanefa. Tao amin'ny Cité Firaisana no niseho ny tantara, ny alahady maraina teo.
Raha iny niditra tao an-tranon'ity renim-pianakaviana vahiny iray iny mantsy izy sy ny namany iray ka andeha hanakenda azy tao an-trano, dia voatsipaky ny dakan'ilay vehivavy mafy be tampoka teo amin'ny ankasarotany. Tonga dia nipitika teo ilay jiolahy, ary tsy vitan'ny nipitika fotsiny fa nitsirara tsy nahalala izay ambonin'ny tany mihitsy.
Taitra ny zanak'ity renim-pianakaviana ity tany an'efitranony tany, ka niezaka nijery ny reniny sy hamonjy. Nefa ny reniny nangitakitaky ny hatairana sy ilay jiolahy nitsirara teo amin'ny gorodona sisa no hitany. Tsy tratra intsony fa lasa nandositra mantsy ilay namany.
Nandamoka ny tetika.
Finday iray nipetraka teo ambony latabatra no notsehany. Niantso vonjy tamin'ny manodidina ihany ireto niharam-boina fa efa dila, tafavoaka ny vavahady ilay jiolahy.
Saika haka vola tao amin'ity renim-pianakaviana ity no antondian'izy ireo, raha ny fanazavan'ilay jiolahy tratra. Soa ihany fa tsy tanteraka ny teti-dratsiny satria nivonona tamin'ny famonoana mihitsy izy ireo raha ny fitaovana hita tao anaty harona novimbiny, izay namitahany an'ireo mpiambina roalahy teo am-bavahady ka nahafahany niditra ny tanàna.
Hita tao avokoa mantsy na ny basy poleta vita gasy, na ny satroka bà, ny « cache-nez » sy ny taratasy hanampenana sy hanentsenana vavan'olona, ny kasikety ...
Polisy nandamina ny fifamoivoizana teo Ankorondrano no nantsoina nisambotra an'ilay jiolahy voadaka. Nentina avy hatrany namonjy ny biraon'ny polisy teo Ankorondrano ihany izy, rehefa nahazo aina.
Anisan'ireo voarohirohy tamin'ity raharaha ity ihany koa ireo mpiambina roalahy, noho ny tsy nanajany ny fepetra amin'ny fampidiran'olona eo amin'ny vavahady miditra ny tanàna. Atolotra ny Fampanoavana anio ny raharaha.
Nirina Rakotoson
Date : 06-05-2008

répondu par Jeankely le 06/05/2008 23:28
2. Jeankely
(
06/05/2008 16:30)
Fa inona no tena asan'i badboy izany izao :-D :-D :-D :-D . Manao fikarohana :-D
3. milaibe
(
06/05/2008 16:37)
tratran`ny dakan-dramatoa mpikotrana be iny ko,ary le basy ve lesy fantatra na mipoaka sa mbola basin`ariary 7?