respect fankatoavana

1. Xp ( 04/05/2008 22:12)
Firenena iza no manana respect ho an'i Gasikara?
répondu par Jeankely le 07/05/2008 13:17
2. Zina ( 04/05/2008 23:28)
Firenena izay mahita avantage ao Dago
3. Jeankely ( 04/05/2008 23:43)
Lalina kosa izany fahitan'i Zina azy izany. Ireo Mpanjanantany rehetra dia nila ary hananany avantages ilay firenena. Nozanahany, nesoriny ny Mpanjakany, nalainy ny harena tao, novany ny culture ary tiany ho foana fa hanaraka ny fomba fisainany ny olona sns. Ka izany ve aminao no atao hoe respect. Raha vehivavy ianao ary ny mofonao fotsiny no avantage ilain'ny bandy dia lasa izy dia respect ve izay. Raha lehilahy ny volanao no hilainy fa raha manana olana ianao dia hialany dia izay ve no respect ? Aza manafangaro. Avantages izany resaka tombony na Profit tsy resaka respect mihintsy.
4. ainaheri ( 05/05/2008 04:40)
Tô tsisy angamba ka asa i Comore? Io ngamba no itako mahantra no isika kou hihi,satria refa mahantra enao tsy ananan'ny oul enamaso ouzy ny fitenenana zay!!! Resaka iny fa le respect tô tsy mi-existe na any @ pays hafa aza ee,natao fotsiny le izy ara fomba diplomasia d mifono fiatsarambelatsiny!!
5. Jeankely ( 05/05/2008 07:44)
Aza miteny an'i Comores ho vizana ianao Ra-Hery. Taloha tamin'ny andronay dia "gardien, samosa, mokary, bobon coco..." no ahalalana ny Comorian ary Mavoranjo no filazan'ny Malagasy azy. Tsy nisy vehivavy manaiky zakan'ny Mavoranjo izany taloha na lazaina karazany ilay vizana aza.
Ankehitriny amin'ny andronareo mivoatra dia anjakan'ny Mavoranjo na ny sipa milaza taranak'Andriana aza ao Ananarivo. Ny any @ Faritany moa tsy asiana resaka. Porofoy raha lainga fa faly mampiasa teny parantsay ary lanin'ny Mavoranjo ny mofony.
Mila anao ny Mavoranjo fa tsy manaja anao izany.
6. ravakamalala ( 05/05/2008 17:33)
respect ho an ny gasikara ahoana???? tsy azoko loatra?
fanajana ny teny malagasy ve?
fanajana ny politisiana gasy ve?
fanjana ny tontolo iainana gasy ve?
fanajana ny olona malagasy ve?
.....
malalaka be ilay fanontaniana? 8O
7. Jeankely ( 06/05/2008 01:06)
Eto anie betsaka ny manokatra loha-hevitra fa tsy manaraka izay heviny izy ary tsy manohana izay tiany ahatongavana fa sokafana fotsiny ny hevitra dia lasa mitsoaka fa eo ianareo mitadiava izay saimpatatrareo eo. Ka izany ve no adihevitra, manokatra dia lasa tsy manamafy?
8. ainaheri ( 07/05/2008 04:38)
Jeankely>> tena marina io voalazanareo io,virtoaly mou le izy ka atao aona fa revena manja eny!! :roll:
9. Jeankely ( 07/05/2008 10:12)
Tsy haiko izay tianao ambara amin'ny hoe "virtoaly mou le izy". Ny Filohampirenena aza hay ny manompa azy satria tsy tafavoaka koa ahoana ny olona misy saina no tsy mahay manitatra ny loha-heviny fa manjavona fotsiny ? Sao izy kosa no tena tsisy loha ?
10. ainaheri ( 07/05/2008 11:16)
ngah tsy virtoaly tsika miresaka zao ry jeankely aa,na ny pampiditra na ny mpamaly dinika sa itanareo mivantana doli zay eto?
11. Jeankely ( 07/05/2008 13:17)
Tsy ny dikan'ny "virtoaly" mivantana no resahiko ry dadatoa. Mino aho fa tsy ny hifampitady resaka mandehandeha ho azy no nanangananareo ny serasera angamba. Hita mihintsy tokoa fa ny resaka manala azy no tena tian'ny maro nefa gaga indray rehefa tsy mahatafavoaka amin'ny lafiny rehetra ny firenena. Koa resaka manala azy no betsaka sy matsiro koa inona indray ary fa dia tairin-tsiaka ny virtoaly ary fa izay hiafarany e.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1181