Hira mahafaly, Politika, Andraikitra, Fandrebirebena

1. Jeankely ( 25/04/2008 01:32)
Ny tanora dia tena tia hira ary variana @'ny zavatra mahafaly azy eo noho eo ihany indraindray. Raha raikitra ny 13 Mai t@'ny androny dia nitsangana ny Radio tsiokavao. Rehefa tsy Politika mavesatra dia fenoana HIRA MALAZA ERAN'IZAO TONTOLO IZAO. Satria hoe amin'izay variana mihaino hira ny tanora ka tsy liana @'izay politika. Lasa ihany moa ary nirotsaka hatrany ny tanora satria tonga saina.
Firifiry ny Mpihira nomena andraikitra. Tao no natao Directeur @'ny Ministera, tao ny nomena andraikitra t@'ny Projet isankarazany, tao ny lasa solombavambahoaka, sns fa saingy nohon'ny teo amin'ny andraikitra tsy nahavita ny hirahirany. Satria hafa ny hirahira mirevirevy sy ny tena mandray andraikitra. Anontanio ireo Ministera nametrahana Mpihira Directeur na Mpanolontsaina hoe inona no vitany sy hainy sa tia hanao fampisehoana ?
Noho izany be ny fandrebirebena nefa tsy mitondra mankaiza fa asa vita tsy natao sahala ny hira tokoa angamba. Koa aza variana @'ny ampotomoto ry tanora fa banjino ny halavitra. Hira Malaza androany sy amin'ny taona iray lefy kanefa ny ho avinao aza vizanina @ zavatra mora lefy. Mianara ary araho izay mampandroso ny Firenena.
répondu par Jeankely le 25/04/2008 11:52
2. tsoraka ( 25/04/2008 08:17)
Rehefa tsisy apoka ny mpanao politika dia ny mpihira no fidiana satria mahay mampijijaka sady fanta-bahoaka. Any aoriana indray mieritreritra. Raha ny tena tsara dia Francis Turbo, Rossy, Mahaleo, Bodo, Njakatiana, Mamy Ngojo miampy ny mpandihy kawitsy kawitsy no atao President na Pray ministra sy ministra isanisany. Sady mihomehy no misondrotra faingana ny fanjakana.
3. Jeankely ( 25/04/2008 11:52)
iza ity Mamy Ngojo hahaha sao mba gountso ?
Iny koa tena mahay tsara ato Ministra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1099