Ny fitiavan-kavana!

1. niryna ( 22/04/2008 17:59)
Mifampitondrà izay mavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy. Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy.Gal 6:2-3
Nijanona tao an-trano nandritra ny tapa-bolana ity ramatoa fa narary,noho izany tsy fahasalamany izany dia tonga nanampy azy ny rahavaviny izay lavi-toerana ,nanatitra ny mpianatra sy nahandro sakafo ho azy mianakavy kely.
Io faharariko io hoy izy no nahatonga saina ahy izany hoe fitiavan-kavana.Tena tsaroako fa misy vidiny aho,rehefa salama aho tsy dia tsaroako ny fitiavan'ny havako ahy,fantatro fotsiny fa zanak'Atra aho saingy tsy mba nasiako vidiny izany fitiavan'ny mpiray tam-po amiko izany sy ireo mpirahalahy sy mpirahavavy eo amin'i tompo.
Nianatra lesona aho ary fantatro fa mila fifanampiana ny fiainany, hoy ihany izy,nanomboka nizaka ny anjarako ,ny fizarana ny tenin'Atra ny hafa,ny fihainoana ireo olona izay mijaly,ary ny fijoroako fa tsy mahavita tena aho sy ny fampiharana izany fitiavan'i kristy amin'ny hafa izany ary dia hitako fa misy fifaliana sy velombelombolo ny fanahiko .
Misaotra Tompo o izay Mpanasitra lehibe indrindra,ary misaotra ihany koa noho ny nanomezanao anay ireo olona marobe izay mifanampy anay amin'ny fotoantsarotra ka mampianatra anay ny izara izay fahasoavana nomenao anay ho amin'ny hafa ihany koa. Amena
Ahoana no fomba izaranao,izany fitiavan'Atra lehibe izany @ny hafa?
misaotra e
(l) niryna
répondu par bor2lais le 20/05/2008 16:26
2. rakaroka ( 22/04/2008 19:11)
Misy tenin'i Abbé Pierre izay indramiko: Hoe "Raha nahavita izay tokony ho nataontsika tamin'ireo mpiarabelona amintsika isika" , dia hanana fiérté raha mby manantona ny fahafatesana.
Dia hoe: tsy ny vola no hampiroborobo ny olona amin'ny tontolo, fa ny olona
mahay mitia ny mpiara-belona aminy!
Tahatahaka izany no tokony hitiavana ireo manodidina!
3. bobone ( 23/04/2008 05:21)
Niryna: tena marina fa io an! fa hoy lay fitenenana hoe !"
tsy misy manana ny ampy!
fa sambatra izay mifanampy!
tsy ara-bola ihany araka ny ten'i Rakaroka fa tena le fitiavana madio avy any anaty mihitsy no entina hanampiana namana ! any afara ny vola fa le FITIAVANA! zava-dehibe io! raha tsy misy ny fitiavana dia zava-poana ny fanampiana ny hafa!
Fitiavana tsy mila tambiny fa maimaimpoana! tahaka ny nanomezan'Atra io masoandro io ! fitiavana anie zany e! misy mahay mamono io masoandro io angaha! tahaka ny nanomezany ny rivotra izay iainan'ny olombelona sy ny zava-manan'aina rehetra! ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa!
tahaka ny tanana rehefa maratra mistoka ny vava! rehefa voa ny molotra misafo ny tanana!
Vavaka koa anie tena zavatra lehibe e! efa miombona na mandray anjara @ fanampiana ny hafa izay !
Ny zavatra rehetra baikon'ny fitiavana izay mandresy ny sarotra rehetra!
4. dziana ( 23/04/2008 10:03)
Teny tsotra sady fohy:tsy fangorahana no zava-dehibe fa famindra-po.Andriamanitra aza nahafoy ny ainy ho antsika tsy noho ny fangorahana fa famidrapo nasesiky ny fitiavana.Hoy Jesoa hoe "Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany " .Tia antsika izy dia mamindra fo aminsika na mpanota aza isika.Ny tiany ho tsapantsika dia tokony hifankatia sy hifamonjy isika sartia Izy Zanak'Andriamanitra aza nanao toy izany koa.
Mahereza ry sakaiza dia minoa
(l)
5. milaibe ( 23/04/2008 11:36)
Mahasambatra kokoa ny manome nohon'ny mandray
6. niryna ( 23/04/2008 17:42)
rakaroka:

Misy tenin'i Abbé Pierre izay indramiko: Hoe "Raha nahavita izay tokony ho nataontsika tamin'ireo mpiarabelona amintsika isika" , dia hanana fiérté raha mby manantona ny fahafatesana.
Dia hoe: tsy ny vola no hampiroborobo ny olona amin'ny tontolo, fa ny olona
mahay mitia ny mpiara-belona aminy!
Tahatahaka izany no tokony hitiavana ireo manodidina!


marina tokoa izany ,sarobidy ny fihavanana ary isika no jiro fitaratra ny manodidina
7. niryna ( 23/04/2008 17:45)
bobone:

Niryna: tena marina fa io an! fa hoy lay fitenenana hoe !"
tsy misy manana ny ampy!
fa sambatra izay mifanampy!
tsy ara-bola ihany araka ny ten'i Rakaroka fa tena le fitiavana madio avy any anaty mihitsy no entina hanampiana namana ! any afara ny vola fa le FITIAVANA! zava-dehibe io! raha tsy misy ny fitiavana dia zava-poana ny fanampiana ny hafa!
Fitiavana tsy mila tambiny fa maimaimpoana! tahaka ny nanomezan'Atra io masoandro io ! fitiavana anie zany e! misy mahay mamono io masoandro io angaha! tahaka ny nanomezany ny rivotra izay iainan'ny olombelona sy ny zava-manan'aina rehetra! ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa!
tahaka ny tanana rehefa maratra mistoka ny vava! rehefa voa ny molotra misafo ny tanana!
Vavaka koa anie tena zavatra lehibe e! efa miombona na mandray anjara @ fanampiana ny hafa izay !
Ny zavatra rehetra baikon'ny fitiavana izay mandresy ny sarotra rehetra!


marina tanteraka izany aky a, ary ny 1 kor 13 no mamelabelatra io fitiavana io,sambatra tokoa ny mizara fitiavana ary misy hery tsy takatry ny saina miboiboika ao anaty amin'izany fizarana fitiavana izany araky ny tenindry hoe tsy ny vola ,fa ilay fitiavana ao anaty mihitsy

8. ikaretsaka ( 23/04/2008 18:21)
Jesus said love one another. He didn't say love the whole world.
Mother Teresa
9. fijo ( 23/04/2008 21:09)
de akory ???
10. ikaretsaka ( 24/04/2008 02:03)
tiavo aloha ny akaiky koa,
11. fijo ( 24/04/2008 20:42)
izay koa no tokony hiaingana naie e.fototra ngamba izay.
12. niryna ( 29/04/2008 15:41)
ikaretsaka:

Jesus said love one another.

ka iza avy ireo one another ireo,tsy ny fianakaviana,ny manodidina ? ny fahavalo,ny olona tsy tia antsika?

He didn't say love the whole world.
io dia ny fitiavana ny olona rehetra amin'ny alalan'ny asa nasainy natao,ny fitoriana ny teniny,ny fampisehoana ny fitiavany antsika rehetra izay mpanota,ary ny fampifantarina ny olona fa tsy tia ota Atra,fitiavana daholo izany

Mother Teresa
dia asehoy amin'ny fihetsika,fiteny,ny asa,ny finoana an'Atra fa mahery izy,ny fizarana izany fahasoavana nomeny izany ho an'ny hafa fa tsy hikritika lava na haningana lava ka hanohitra ny teniny,izay miaraka aminy dia ny ataony no ataony ihany koa fa tsy hanohitra ny tenininy lava


13. ikaretsaka ( 29/04/2008 16:13)
dia asehoy amin'ny fihetsika,fiteny,ny asa,ny finoana an'Atra fa mahery izy,ny fizarana izany fahasoavana nomeny izany ho an'ny hafa fa tsy hikritika lava na haningana lava ka hanohitra ny teniny,izay miaraka aminy dia ny ataony no ataony ihany koa fa tsy hanohitra ny tenininy lava

tsy izay ve no nolazaiko ary dia notoherinao foana hoe you are saved by grace alone...


ary zahay hoa tsy manohitra ny teniny.. fa kosa manohitra ny interpretation diso ataonao momba Azy @ fihononana eo @ teniny fotsiny no entina mihambo hoe ampy hahalalana Azy io

fa mason'inona sy sofin'inona sy atidohan'inona kay ny an'i niryna no tsy mety mahazo an'io foana kay?
14. naritsimba ( 30/04/2008 05:21)
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.

9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?

10 Tsy mino va hianao fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.

11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.

12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray.

13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin'ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka.

14 Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hanareo, dia hataoko izany.

15 Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.

16 Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay,

17 dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.

18 Tsy hamela anareo ho kamboty Ahy; hankaty aminareo Aho.

19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa hianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo.

20 Amin'izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin'ny Raiko, ary hianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.

21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

JAONA 14 no nakana ireo andinin-tsoratra masina ireo, moa mahatanteraka ireo voalaza ireo ve isika?
15. ikaretsaka ( 30/04/2008 15:20)
ilay hoe ny ray ao aminy...
ilay hoe mbola hahita mpananatra... tsy boky kosa io ngamba ry naritsimba fa le fanahy masina e?

ny asa ataoko no ataony: ny asa nataon'i Jesoa tsy nanao pli vava soratra masina kosa e?? fa nanasitrana sy nitory fitiavana sy nampahafantatra an'Atra... sady tsy t@ alalan'ny fanaovana pli vava soratra masina no nanaovany izany e!
16. bor2lais ( 20/05/2008 16:26)
Rehefa avy namaky izay voalaza rehetra momba ity sujet ity ny tenako dia izao no tsapako :
resy lahatra daholo isika fa ny Kristiana dia tokony hanao soa @ mpiara-monina amintsika avy. Izany fanaovan-tsoa na fitiava-namana izany anefa tsy \"exclusivité\" ho an\'ny Kristiana irery ihany fa na izao tontolo izao koa dia manao izany (jereo ny associations maro isan-karazany manao izany).

Raha jerena dia toa mahavita be (noho ny Kristiana aza) tokoa ireny associations ireny.

Ny fanontaniana apetrako amintsika (izay heveriko fa mifanaraka ihany @ ity sujet ity) dia ny hoe : inona no mahasamihafa ny asa soa ataon\'ny Kristiana sy ny asa soa ataon\'ireny associations ireny ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0772