Nanao "J'ai l'honneur" t@ Fanjakana ny Mpiasampanjakana

1. Jeankely ( 22/04/2008 11:08)
Aza afangaro ny resaka fa tsy mety. Tamin'ny mpanohatra sa tamin'ny fanjakana no nanaovan'ny Mpiasampanjakana "J'ai l'honneur". Na izy manompo ny Fanjakana na izy miala dia manangana izay tsy miankina amin'ny Fanjakana. Ny Fanjakana miova araky ny lanin'ny mpifidy fa tsy ny hevitry ny efa lasana na ny mbola tsy eo no mibaiko ny asa.
Iza no nampianatra ny hoe "Tsisy andova Fanjakana" satria samy manao izay saimpatany ?
répondu par Jeankely le 27/04/2008 00:04
2. kanota ( 22/04/2008 14:30)
Toerana hametrahana olon'antoko ny asam-panjakana ka malahelo rehefa lasa ny nametraka azy.
3. Jeankely ( 23/04/2008 04:51)
Ka ahoana iza izany no diso raha tsy tafavoaka ? Ny efa lasa no mibaiko anao ?
4. ravatorano ( 23/04/2008 06:21)
eo amin'ny asam panjakana dia misy ilay antsoina hoe "toerana ara politika" sy ny toerana ara tekinika.Amiko dia misaraka roa ireo satria ny toerana politika sia natao ho an'ireo izay napetraka nohon'izay antony izay ihany ary tsy mpiasam_panjakana raikitra izany ireo fa mandalo d miserana ihany manao ny adidiny manandrify an'izay
Fa kosa ireo mpiasam_panjakana izay manana ilay toerana ara tekinika dia mpiasa raikitra tokoa.ireto farany izany ilay antsoina hoe baikona v ?
ka raha tsy tafavoaka dia samy tompon'andraikitra foana na ny mibaiko izay mandalo sy miserana ihany na ireo baikoana izany manatanteraka ny asa rehetra !
5. Jeankely ( 23/04/2008 09:44)
Araka ny izy dia tokony izay fa ny fitrangan'ny olana Malagasy hafakely. Izay mitondra dia mibahana hatrany @'ny fifaninanana hidirana Administrateur Civil, Polisy manamboninahitra, Miaramila, Mpiambina Gadra, Commissaire de Commerce, sns kaireo teknisianina ireo izany manimanina ny nikolokolo azy fa tsy araka ny teninao hoe teknisianina fotsiny. Mandray roa ny akamaroany. Ary ao ambadika ny zavatra ataony sy ny asaina ataony tsy hinoany fa mety nefa izy mitomany ho tompn'andraikitra ihany. Noho izany samy tsy tafale amin'ny tsy fahombiazana raha toa ka resy mihoatra ny firenena hafa i Madagasikara. Raha toa kosa moa ka tafavoaka dia samy nanao mafy koa izany. Dia anjarana no manohy azy.
6. penguin ( 24/04/2008 06:09)
Ny mpiasam-panjakana no milaza anisany nametraka ny fitondrana noho izany mihevitra izy fa tokony hanao izay ahafaly azy ny fanjakana. Ary mandrahona koa izy fa afaka manala indray raha ilainy izany. Mpanao politika ary mpikambana @ antoko politika no maro @ mpiasam-panjakana.
7. Jeankely ( 24/04/2008 11:14)
Ka mpanao politika sa tsy manao fa mizara roa mazava araka ny tenin'i ravatorano ve ny mpiasampanjakana ? Amiko na ahoana na ahoana tsy afaka ny hanohatra ny mpampiasa azy ny mpiasa. Mba ahoana no ataonao raha manohatra ny solafa ? Soloina sa tazonina ?
8. penguin ( 24/04/2008 11:28)
I ravatorano angaha mpiasam-panjakana ?
9. Jeankely ( 24/04/2008 13:49)
Iza no no mahalala fa olona mpiasampanjakana no mahalala ny fitrangan'ny ao anaty Ministera angamba fa tsy ny mpandalo.
10. Mio21 ( 26/04/2008 19:24)
Marina ny voalazan'ny ravatorano. Ny ankabetsahan'ny toerana ambony ao anatina ministera iray (directeur, chef de service, ...) dia toerana politika daholo, vao miova ny governemanta sy ny ministra defa kinga mihitsy ny praiministra vaovao maka "'organigramme", mazava hoazy aveo fa tsy maintsy ny mpiray antoko sy ny namana azo antoka no hapetraka @ ireny toerana ireny, ny mahavariana aza dia chef de service lasa Directeur dia ilay Directeur taloha lasa chef de service eo ambany fifehezan'ilay vaovao, ny mahatsara azy fotsiny dia ohatran'ny efa zatra an'izay ny mpiasa-panjakana. Ny olana fotsiny ndraindray dia ny hoe tena mahazaka ilay poste marina ve le olona apetraka eo @lay toerana politika?
11. Jeankely ( 27/04/2008 00:04)
Miarahaba anao aloha ry Mio21. Ahitsiko fa tsy mitombona firy intsony izany teninao izany.
Tamin'ny andron'ireo mpitondra teo aloha dia marina io fa nanomboka taorian'ny 2002 dia maro ny Ministra vaovao fa notazoniny ny SG ary na niova ny SG tsy miova firy ny DG sy Directeur. Misy ny Ministera mikambana ary mihavitsy ny isan'ny Direction Generale sy isan'ny Directeur noho izany tsy ampy intsony ny seza ka tsy maintsy misy midina.
Jereo tsara fa mifamadika ny resakao sy ravatorano. Ny andravatorano miala ny avy nanao poste politique saingy ny anao milaza fa midina Chef de services kosa manohana ilay teniko hoe ny mpiasampanjakana ihany no Directeur ka afaka ahodikodina.
Tsy ao Madagasikara ihany izany fa erantany. Ministran'ny Deba ambasadaoron'i Ravalomanana satria teknisianina hoy nareo. Azy izany fa tsy haiko. Ny eo ihany no miodikodina ary izay vaovao tonga sahirana. Izay no tsy mampivaotra firy satria mifangaro ny seza sy ny fironana politika. Maka Ministera dia hidiro sy jerevo ao fa ampifamidihana fotsiny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2509