Mbà fanontaniana manitikika kely !

1. xxx ( 22/04/2008 10:49)
Rehefa mety forum na débat na antso par téléphone tahaka ny KIDAONA MARAINA ohatra dia voizina foana ny hoe ny mpitondra teo aloha aza nanao an izao sy izao etc.....

Kanefa dia iaraha-mahita izao fa mbola ataon ny mpitondra @ izao ihany :fanodikodinam-bola,tsolotra,didy jadona,fanapenam-bava,fisamboran 'olona,fanaovana ampihy mamba ny TVM sy ny RNM,etc

AIZA IHANY IZY ITY E
répondu par Jeankely le 22/04/2008 14:11
2. Jeankely ( 22/04/2008 10:59)
Sao tsy fantarao fa natao hiasa ho an'ny fanjakana ny mpiasampanjakana. Mpiasampanjakana ny mpiasan'ny TVM sy RNM ka raha tia ny hiadana izy dia afaka manangana TSY MIANKINA. Tsisy mahagaga raha tsy sahala ny ataon'ny mpiasa mahaleotena ny asan'ny mpanao gazety ao.
Raha tsy tianao ny Mpampiasa anao dia lasa ianao mifindra toerampiasana koa inona no olana ? Aiza no mbola manitikitika ? Sa tsy hainao fa nanao "J'ai l'honneur" amin'ny fanjakana ny Mpiasampanjakana ?
3. ronaldo09 ( 22/04/2008 12:33)
Tamin'ny andron'i Pr Zafy anie ry bandy akama ka navela hiteny zay tiany ho tenenina ny olona ,inona fa hatramin-dry Jose kely avy manompa filoham-pirenena ary ny tena mampalahelo dia novotsorana razoky .Zavatra toy izany zao no tianareo hatao ,zany hompaina ny filoham-pirenena ,hompaina ny praiminisitra dia avela ireny olona ireny ?Aleo ho hentitra ny fanjakana hanasazy ireo tsy mahay manohitra ary tsy mahalala ny atao hoe demokrasia !Ary tsy ny mpanohitra rehetra anie no samborina :Zao i Pr Zafy ,Lahiniriko tsy misy mikitika nefa dia tena mpanohitra satria hain-dry zareo ny atao hoe fanoherana !!!Ny aty Afrika raha tsy somary hentitra sy mandray fanapahan-kevitra ny mpitondra manao dan'ny kibony sy manararaotra ny mpanohitra!
4. Jeankely ( 22/04/2008 14:11)
Tsy izany Ronaldo fa tsy Afrika ihany no ahitana izany. Ny lalana no arahina fa tsy hoe manao entitra fampijaliana. Rehefa tsy manaraka ny "fepetra ny lalao" dia "Penalty" sahala ny baolina. Fa tsy hoe entiko tanana ny baolina kitra na dakadakana ny "Basket-ball". Tsy izay mahafinaritra anao no atao fa ny lalana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6998