manisa

1. Gie ( 14/04/2008 07:18)
ndao ry zareo mba hanisa kely isika an ! zany hoe ny tanjona @ ity dia asa re hoe mba hatratra firy no vitantsika eto ? mba misy ankizy na lehibe aza an ! (efa nahita aho) tsy mahay manoratra rehefa somary lasa lavitra ihany ilay izy .
Ohatra ny fomba fanoratana 573 ? Dia aleo hatomboko aloha ! dia misaotra antsika rehetra.

iray
roa
telo
efatra
dimy
enina
fito
valo
sivy
folo

dia mba tohizo azafady indrindra ary misaotra. Somary lalao ihany io nefa tena manampy
répondu par endrika01 le 19/04/2008 10:23
2. sakaizakely ( 14/04/2008 16:43)
teloambifitopolo sy dimanjato 8)
3. kiadi ( 14/04/2008 17:27)
dimanjato fitopolo telo amby :wink:
4. milaibe ( 14/04/2008 19:24)
Iray lavitrisa
5. badboy ( 15/04/2008 18:48)
tsisy atao :^) :^) :^) :^) :^) :^)
6. sipagasy ( 16/04/2008 17:05)
manonjana injay i kiady hihih
7. kiadi ( 17/04/2008 16:49)
manina an'i sipabehako injay aza zah! :-D :-D :-D
8. ikaretsaka ( 17/04/2008 20:57)
DLXXIII =telo ampibitepilo sy demanjato (romanina)
9. rova30 ( 17/04/2008 21:05)
ikaretsaka:

DLXXIII =telo ampibitepilo sy demanjato (romanina)



:oops: Naneriko novakiana in-telo mihintsy ry Ika , le "ampibitepilo" fa tsy tafa e! :arrow: Mba teny gasy ve io???????? ;-)
10. ikaretsaka ( 18/04/2008 01:54)
taoko iiiii..... mandehana any ambohibary sambaina , na ao atsemotsemon'Ambatolampy ao deeeee de io mahitsiny ro hitenenana azy fa tonga de ataon'ny olona any ho olona hatagny ianao
11. endrika01 ( 19/04/2008 10:23)
kiadi:

dimanjato fitopolo telo amby :wink:



rAha lay manisa hoatra'io lazain'i kiadi io ,dia tena tsy mba voako
mihintsy fa tena very aho!sarotra be kou!ilay taloha ihany no tsara
ohatra we 21(raika ambiroapolo),de le ray sarotra be lasa we
(roapolo raika amby )ve? tsy mba manavanana ahy!
:-P :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0474