Dia homena tsiny ve ny filoha amin'ny zavatra toa itony !!!
1. ronaldo09
(
11/04/2008 07:21)
Gaga aho raha namaky ny voalazan'ny gazetiko nivoaka androany fa dia hirotsaka eny amin'ny 13 mai ingahy Lecacheur ,toy izao ny ambangovangon'izany lahatsoratra izany :
" Omaly tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany teo, teny amin’ny kianjan’ny 13 mey dia tonga avy any Ing. Lecacheur Henri sy ny namany , niaraka tamin’ny fiara. Tamin’izany no nitondran’izy ireo sorabaventy roa, izay milaza sy mitaona ny olona hidina eo amin’ity kianja manan-tantara ity anio maraina, fa hanao fanambarana goavana izy ireo mikasika ny zavatra tsy mety nataon’ny mpitondra tarihin’ny Filoha Ravalomanana. Ankoatra izany , mitaona ny olona tsy hanaiky ny fitondrana jadona amin’izao fotoana izao koa izy ireo , ary manambara fa hametraka ny fitondrana teteza-mita. Asa aloha, fa dia tena sahy tokoa ity mpanolotsaina manokan’ny Filohan’ny Repoblika Marc Ravalomanana teo aloha ity, amin’izao zavatra ataony izao. Izy rahateo efa nilaza fa tsy matahotra migadra satria miteny ny marina. Ny mahavariana amin’ity raharaha ity, dia na ireo mpanohitra ao amin’ny Crn miaraka aminy aza toy ny tsy dia matoky loatra ny zavatra hataony. Manahy koa izy ireo satria efa hita ireny nahazo ny jeneraly Fidy ireny. Asa anefa na modian’ity mpanolotsaina ity tsy fantatra ireny raharaha ireny!"
Dia raha samborina izany ny olona tahak'itony dia hoanome tsiny ny filoham-pirenena indray ny mpanohitra ,zavatra efa fantatra fa mamao fady izao koa mbola iniana atao !!!

répondu par Jeankely le 20/04/2008 08:38
2. Jeankely
(
11/04/2008 08:06)
Rehefa manao ny fady ry Ngama dia samborina a. Raha avelanao hanao izy dia midika koa izany fa matohatra ny tsy mety hataonao koa ianao ka izay vao maika hitomboan'ny heriny. Amin'ny Politika anie ka tsisy izany niaraka teo aloha izany e. Jereo ny ao afrika ao fa ny avy niaraka ihany no mitifitra anao. Tsy lesona hianarana akory izany zava-dratsy izany fa ny tiana ambara dia tsy miaraka aminao ny olona rehefa tsy mifanaraka amin'ny tanjony ny lalana halehanao. Rehefa tonga aminao ny mpanendaka dia izy no manana ny rariny ary mety sady ho faty na maratra ianao raha ratsy vintana. Koa anjaran'ny vahoaka no mandalina. Tompon'ny safiny izy. Ny ahy dia ny hoe zory ny lalana ary manantona raha mahasahy sy manana ny marina. Ny manenina ihany no tsy mety ka aleo hiditra izay tena mahavoa. Rehefa tsy mahay ny lalana hitondrana azy fa ny fo no manaraka dia hamay eo.
4. ronaldo09
(
11/04/2008 09:08)
Tena marina io voalazan'i jeankely io satria ,noho io famelana ny olona hanao ny ataony io no lesoka lehiben'i Pr Zafy ,taorian'ireny tolon'ny 91 ireny dia navela handehandeha ny ireo olon-dratsiraka ary tsy nisy nosamborina na dia iray aza ,vokany 3 taona fotsiny dia nitsingidina ny profesora ary niverina i Ratsiraka ...Raha toa mantsy ka nandray fepetra nanafay ireo mpanao ratsy ity profesora ity dia tsy nisy ireny fiverenan-dRatsiraka ireny !!!Koa rehefa manao ny tsy mety sambory faizo ,f'angaha moa ny politika sy fandresen-dahatra ny vahoaka dia tsy maintsy ho fidinana an-dalambe ...Natao ireny ny fifidianana ,maninona no tsy tamin'ireny no nandresy lahatra ny vahoaka ??? Ingahy Andry TGV zao io tsy TIM fa hainy ny nandresy lahatra am-pahendrena ny vahoaka dia io izy nivoaka mpandresy io !!!Koa raha tsy sahy amin'ny fifidianana ianao avelao ny filoha sy ny governemanta hiasa fa liam-pivoarana izahay !!!
5. ronaldo09
(
11/04/2008 09:11)
Ary hoatry ny moramora ery ange le hoe hirotsaka eny amin'ny 13 mai ee!!!!
6. kiadi
(
11/04/2008 09:21)
"oiseaux attrapé par le fou" ny 13Mai!ny nahagaga de ito mpanolotsaina lasa nivadika!ba efa fanaovan'ny mpanao politika gasy mintsy io mivadibadika io an!
refa very seza ve de mivadika ! refa tsy nahazo seza ko ve de mivadika!
arosoy ny hevitra fa refa misy hevitra tsara avôkanao de manaraka ny vahoka fa tsy ito 13Mai ty no atao fakana seza!
refa very seza ve de mivadika ! refa tsy nahazo seza ko ve de mivadika!
arosoy ny hevitra fa refa misy hevitra tsara avôkanao de manaraka ny vahoka fa tsy ito 13Mai ty no atao fakana seza!
7. ronaldo09
(
11/04/2008 09:26)
Ka ianao na hanao tsongolobatita eo tsy hisy olona hiraharaha anao eo e!!! Raha vao anarana efa henon'ny vahoaka zany ho'a tsy mankaiza e! Ny olona mila olom-baovao saingy olom-baovao feno fahendrena !!!Ireny zao ny fifidianana nifanesisesy ,maninona ho'a no tsy nirotsaka fa hirotsaka an-dalambe no hatao !!! Mandritra ny fifidianana anie azo atao ny mandresy lahatra ny vahoaka ,lazao aminy izay hitanao fa tsy nety nataon'ny fitondrana ,lazao aminy ny zava-baovao ho entinao ...fa tsy eny ankalamanjana ianareo no hitarika vahoaka sy hanakorontana fotsiny !!!!
8. kiadi
(
11/04/2008 09:40)
ka zay sisa no fika azondry zalah atao ko!! le fifidianana mila vola ! zalah nefa very seza de ny manakorotana sisa no tsy de mandany vola!manaraka moa ny vahoka de tsara tsy manaraka de tiafaha miaraka dry coutiti ! :-D :-D :-D
9. steph65no
(
11/04/2008 11:00)
Aleo izy hanao izay tianay hatao fa hitan'ny olona ihany izay tokony harahina e.
10. Jeankely
(
11/04/2008 12:04)
Izay no tena marina. Raha aradalana ny firotsahanao andalam-be satria misy lalany izany ary manaraka anao ny olona tsy voasakana mihintsy. Fa raha amboletra kosa dia tsy maintsy samborina. Ny tsy hitoviako hevitra @nao Ronaldo dia ilay fitenenana hoe dia homena tsiny ve ny President?. Mbola mampiditra ao antsain'ny olona izanyfa miandry baiko avy any vao samborina na tsia. Sanatrian'ny vava manjavona ny President ve dia midika koa fa samy manao izay tiany hatao ? Misy ny lalana ary tsy miandry President ny fisamborana tsy mpanaradalana. Aoka mba tsy hentimpo fotsiny fa manova foto-pisainana. Samy maka ny andraikiny io fa tsisy izany olona iray izany no mibaiko ny rehetra.
11. ravatorano
(
11/04/2008 14:37)
mba misy olona niaraka taminy ihany kosa teny e teo amin\'ny ratsatanana roa sy ratsa tongotra roa ny isan\'izy zay omaly fa ny anio tsy haiko fa nahazo olona izy kah !
ny betsaka sy maro amin\'ny vazaha dia anakiroa defa \"puriels\" fa ho antsika malagasy ny betsak sy maro izany aoka ianao hilaza azy :-P
ny betsaka sy maro amin\'ny vazaha dia anakiroa defa \"puriels\" fa ho antsika malagasy ny betsak sy maro izany aoka ianao hilaza azy :-P
12. Jeankely
(
11/04/2008 14:55)
Aza mamitaka kosa fa tsisy vazaha nilaza olona roa ho betsaka izany. Mihoatra ny ray dia misy s fa tsy maro ny dikany. Aleo izy anao rehefa mahavita koa inona no hanakanana. Na hanipy rano fahazato tsy maty ny afo raha mahazo aina. Saingy tsy mirehitra koa raha avela eo aza rehefa tsy hamokatra.
13. salopard
(
11/04/2008 15:23)
very seza anga i lekashera ka mitonatonana hanao 13 Mai
Ary hoatry ny moramora ery ange le hoe hirotsaka eny amin'ny 13 mai ee!!!!
mety ho very seza angamba, fa ity ronaldo, izay nanohitra andravalo t@ 2006 no tsy menatra, satria izany hono no politika-ny; satria nahazo seza ny rainy; dia miandry anao hamadibadika palitao, pataloha, chemise, ba-kiraro, silipo, vao homeko anao ny hevitro ra-ronaldo a!
kai, tsy ampy d^zy aloha an!
sniff, sniff, ttchouff, tchouff....
14. Jeankely
(
11/04/2008 15:31)
Tonga koa ny tsy mikiloty mianakavy. Sniff sniff. Tena mpanamoly marina ity tia hiboridana imason'havana ity
15. bazylou
(
12/04/2008 19:41)
fa inona ny olanao fa izay no reveny e!! izay sahy maty ihany no mifonolamba mena
16. Jeankely
(
13/04/2008 03:08)
Koa naninona no nilefa ??? F'angaha ny olona ihany no ataonao sorona ahazoana seza eo. Ndana mitsambikina ery fa tsy azonao ny mpokona.
17. Optik
(
13/04/2008 10:51)
bazylou:
izay sahy maty ihany no mifonolamba mena
"izay sahy miboridana ihany no tsy mikilaoty"
Mampahonena ny olona ôtran-dry Lecachéra fa mba te ho mahery fo nefa tsisy miraharaha: bado lahy.
Azo oharina @ valalan'alika izy: na ny Crn aza tsy tia.
18. Jeankely
(
13/04/2008 11:28)
Tsy bado lahy izy fa mitady ny bado atao sorona na tengenana hakana seza. Tandremo fa izay ilay izy. Ny bado no antsoina hoe avy, amporisihana hoe azerao ny tetezana fa ny fetsy tsy azonao. Na izy mahazo seza na izy lasa andafy. Fay eo fa araho anjambany ihany. Tsy bado ireny fa tena misy loha hamitaka anao.
19. ronaldo09
(
15/04/2008 06:58)
salopard:
[mety ho very seza angamba, fa ity ronaldo, izay nanohitra andravalo t@ 2006 no tsy menatra, satria izany hono no politika-ny; satria nahazo seza ny rainy; dia miandry anao hamadibadika palitao, pataloha, chemise, ba-kiraro, silipo, vao homeko anao ny hevitro ra-ronaldo a!
kai, tsy ampy d^zy aloha an!
sniff, sniff, ttchouff, tchouff....
Rehefa mitapy sy efa salopard leity mipetraha !!! Fotoanan'ny propagande no nanoherako an-Ravalo ary tsy nanohitra be fahatany aho fa nilaza ny tsy mety ,vita ny fifidianana mbola izy no nametrahan'ny vahoaka fitokisana ,zanabahoaka aho ary safidiko izay safidin'ny vahoaka ,sady izy no role ka ahoana moa no tsy ho tohanana sady izy koa no filoha mendrika indrindra taoriana'ny nahazoantsika fahaleovan-tena !!!!
Efa salopard moa nareo koa inona no mbola hiadiako hevitra amin-drangahy ???
20. Jeankely
(
20/04/2008 08:38)
Mazava ho azy fa izay laniny ary mitana ny toerana no Filoha ary solontenan'ny Malagasy rehetra na tsy nifidy azy aza ianao. Na tsy mahay, na fatratra dia iny no Filoha noho izany ny firenena mihintsy indray no hiadivanao raha mamotika ny voafidin'ny vahoaka tao ianao.