29 mars 1947: inona ny marina

1. redanty ( 31/03/2008 16:40)
ny mahagaga dia izao:
-ny mpitarika (MDRM), na avy any @ faritany, na avy tao andrenivohitra, dia tao antananrivo daholo, ary tao no foiben'ny MDRM
-ny nahagaga anefa dia, ny tany moramanga, ny tany ambatondrazaka (madiotsifafana), sahasinaka(manakara), no nirehitra, nisy fifandraisana tsy nety ve, sa nisy namadika.
-ary ahoana ny lehiben'ny tolona tany @ ireny faritra ireny, tsy fantatray anarana akory, izahay aty aoriana; fa dia i raseta, rabemananjara, ary ravoangy no heno, nefa ireo, ni-degonflé t@ fotoana farany

-ary nahoana ny Jina Panama ny Monja jaona , izay mpitari-tolona ngezalahy t@ izany no tsy nanaraka ny MDRM; tsy azo antoka ve ireto farany , sa nisy tsy fifampitokisana

asa ny tantara no hitsara?
répondu par Jeankely le 05/04/2008 03:56
2. Jeankely ( 31/03/2008 21:47)
Tsy tao Madagasikara ihany io ry Ledanty fa ny toerana voazanaka rehetra dia ny mpamadika aza no tena lasa Hero. Ireo tena sahy nanohitra ary maty aza lasa resaka mampiomehy aty aoriana nefa dia nitsofoka amim-pitiavana ireny maty ireny. Averiko fa tsy ao Madagasikara ihany io.
3. kanota ( 01/04/2008 06:44)
...kori ty ndate eee!!!!!
4. remena ( 02/04/2008 17:27)
redanty : mba afaka azavanao ve io teninao io raha azo atao?
; fa dia i raseta, rabemananjara, ary ravoangy no heno, nefa ireo, ni-degonflé t@ fotoana farany
.
ary anao ve isan'ny mitsikera sa ahoana ,
ny mba hamaliako anao dia zao : raha misy antoko na fitondrana zany na inona ,dia saika tsy heno ny vondrona ao anatiny fa ny mpitarika foibe ihany no heno anarana sy re=laza , ka mety ho zay angmab no tsy nandrenesana loatra ny anaran'ireo mpitarika tolona tany @ ireo toerana voalazanao ireo
5. Jeankely ( 02/04/2008 23:21)
redanty vs. remena ve?
Ary tsisy badboy angaha? :-D :-D :-D :-D :-D
Avy amin'iza no mahatonga ny 29 mars ho tsy amakian'ny taranaka aty aoriana loha? Satria resaka mifangaro voraka. hatrany alavitrabe no mahatonga ny firenena mihisatra amin'ny fandrosoana ary hatramin'izao dia mbola miodikodina tsy mifampatoky.
6. xxx ( 04/04/2008 17:35)
Akory ke resaka maloto be ra ny fahazoako i ndaty a ! satria ny iray t@ ireo mpitarika telolahy malaza ireo dia tena tia frantsy tanteraka satria neda tany no nianatra dia avy eo lasa mpitaritolona tany ihany de naverina teto de raikitra ny gera de avy eo nigadra tany frantsa mandrampahafaty , naverina teto ndray refa nahazo fahaleovantena de lasa mpanolotsaina , de minisitra . De aminao mba ahoana ny fandinihanao an'izany tsy misy resaka maizina ve zany
7. Jeankely ( 05/04/2008 03:56)
Nivadika xxx indray ve? Ny zava-misy tsy azo lavina dia tsy mihevitra ny 29 Mars ho andro hankalazaina ny taranaka aty aoriana na asesika ao antsainy aza satria mivorakabe ilay tantara.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0615