26 Martsa 2002 tao Fianarantsoa: talata mainty ho takaitra

1. todisoa2 ( 27/03/2008 08:15)
Ra Dieu-Donné, 52 taona, manam-bady ary manan-janaka efatra.Monina eny Mazavatakona-Fianarantsoa. Anisan’ireo nitondra takaitra vokatry ny nafitsoky ny 26 Martsa 2002. Tolona hoan’ny fahamarinana sy ny fahamasinana hono. Mijoro vavolombelona ny nahazo azy ankehitriny….

……26 Martsa 2002 : nalain’ireo Mpiaro ny Fitondram-Panjakana (MFP) an-keriny ireo agents de sécurité tao @ MAGRO Fianarantsoa dia i Ralava sy ny ekipany. Tsy nanaiky anefa ireto mpitolona tao @ Kianjan’ny Fahamarinana ka nanao dia rodobe nankeny Andohanatady hitaky ny hamoahana ireto agents de sécurité ireto tsisy hatak’andro. Nivadika anefa ny tantara fa dia tifitra variraraka sy toraka grenady, tsisy antra no nasetrin’ireto MFP azy ireo. Vokany. Am-polony namoy ny ainy, an-jatony maro naratra mafy….

… “anisan’izany ny tenako, hoy Ra Dieu Donné,…hoatry ny nangatsiaka izay fotsiny ny vatako….tsy afa-nihetsika intsony dia safotra aho avy eo….tsy nahafantatra hoe voatifitra anie ny tongotro roa…..efa teny @ Hopitaly izaho vao nahatsiaro (Tambohobe Fianarantsoa). Enim-bola katroka ny izaho no tao……ary nalefa tany Iarivo hotsaboina, satria tsy vitan’ny teto an-toerana intsony ny fitsaboana. Nanome fanampiana ny fitondram-panjakana teto an-toerana, notarihin’Atoa Pety Rakotoniaina t@izany.... Efa-bolana izaho no tany ary nodidiana im-balo….anefa indrisy!!!!! Tsy nisy fiahatsarany……. Dia izao hitanareo izao.”

Am-pandriana Ra Dieu Donné t@ namangiana azy. Tsy afa-miarina, na mipetraka fa dia mandry….mandra-maty…… Ny asa voatery nialana tsy fidiny. Ny PASERP no nandray an-tanana azy ireo ka nanome fitaovana fanaova-mofo gasy iray, ary izany no fotom-piveloman’ny mpianakavy ankehitriny….4 be izao anefa ny zanaka…

Ny tena mampalahelo dia ity fitondram-panjakana tsy mba mijery akory ireto mpitolona azom-boina tahaka an’Atoa Dieu Donné. Vola mitentina 20000 Ar monja no nomen’Atoa Filoha hajaina azy ny 26 Martsa 2003 dia izay!!!!

Tsy I Ra Dieu Donné ihany anefa no mitondra takaitra mafy tahak’izany fa olona maherin’ny 500 no azom-boina vokatry ny nafitsoky ny tolom-Panafahan’ny 2002 iny, ary dia tsy misy fijeren’ny Mpitondra mihintsy!!!!!

Ity ny hafatr’i Ra Dieu Donné: “manaitra ny sain’ny mpitondra fanjakana….satria dia izao ny vokatry ny fitiavana azy, tolona natao…..dia izao no vokany!!!!”

Mipetraka ary ny fanontaniana: “aiza ny valin-kasasaran’ny tolona? Ahoana ny @ mitondra takaitra toy itony? Dia havalona, hotoy ny tantara efa lasa, ka tsy hasian-dresaka intsony ve ny 2002? Anefa tsy notafapetraka t@ toerany io Ravalo io raha tsy ny vahoaka no nitolona…..

répondu par Jeankely le 05/04/2008 23:29
2. Jeankely ( 27/03/2008 09:12)
Mazavabe ary tsy ny eritreritra no tohiny. NOHO IZANY HAFARO NY TARANAKA AMAMPARA TSY HANAIKY HATAON'NY OLONA TOHATRA FIAKARANA. Rehefa ilainy hoe dia antsoiny avy eo adinony. Dia mampalahelo ary aza manao intsony. IREO MIADY SEZA NO ALEO HIFANAO BOXE FA AZA MANAIKY ATAO HIKAHIRAKA INTSONY NY HAFA MBA TSY HANENINA. Leo politika e, maty vady e, mahantra mafy e, very asa o, sns mba mandiniha tsara alohan'ny hanarahana hetsika fa tsy manaranaraka nefa tsy hisainana ny mety ahazo ny tena sy ny fianakaviana. Ny mpitady seza mila anao ho sorona ka manatona rehefa manaiky ary aza mitaraina satria sitrapo. MANDINIHA AMIN'NY SISA SATRIA MBOLA MIANDRY NY VAHOAKA KOA NY MPITADY SEZA MANARAKA EO. Aza manambe
3. yonikafopl ( 27/03/2008 09:22)
petitjean :wink:

Tsy hoe handatsa na hanakora ireo voa tamin'iny hetsika iny, fa za kou miombonkevitra amin'i Jeankely,io politika politikanareo io, ataon'ny olona tohatra fiakarana fotsiny fa avy eo rehefa azony ny seza maharikoriko azy na ny mijery anareo aza.ny vahoaka tsy misaina no mamono tena mba hahazoany ny sezany, fa mba lazao kely we raha nisy fianakaviany akaiky nanampy anareo nitolona???
4. lazounet ( 27/03/2008 10:15)
Mampalahelo tokoa ny tantaran'i RaDonné, izay maritiora velona.
Moramora ho an'ny fanjakana (na ny olona @ ankapobeny) ny manome voninahitra an'ireo maherifon'ny tanindrazana efa nodimandry; kanefa io izao Radonné nanao sorona ny fiainany manontolo,porofo velona kanefa atao toa ny tsy misy!?
Natao tohatra fiakarana dia nidinana she ahateo.
5. Jeankely ( 27/03/2008 10:36)
Rehefa mba tia ahazo seza dia mahaiza mampiresaka olona hoy reo ary rehefa romotra ny olona dia hialao aleo ho faty eo fa iny indrindra no tena LANJA AHAZOANA SEZA. Rehefa mitady ka tsy mahalala manenina ary tsy mananatra ny ankizy tsy ho viravirain'ny politika dia mbola ho avy koa ny an'ny ankizy.
Rehefa miteny aho hoe ny mifanamoy, mifofotra, mikaroka na mafy na mandreraka lazaina fa efa vizana ve mbola resahana izany. Koa raha manaiky ho tengenana dia efa miandry koa ny mpitaingina hafa ka manatona raha raha tsy tia vady amanjanaka. Sorona nefa tsisy mpananibohitra fa tairin'ny sasany dia mitsofoka satria mihevitra matanjaka amin'ity sandry be. Amporisio ihany koa ny manaraka fa ho hita hitaraina koa avy eo. Ary aiza koa ilay bandy kely potiky ny grenade ny tongony. MIANDRY NY MPITAINGIN-TSOAVALYkaikaikaikai
6. kanota ( 27/03/2008 10:44)
Ny martiora tsy manenina @ zava-bitany ary tsy mitady ny hafa hanampy azy satria vonona ny ho faty. Matoa miditra dia efa vonona. F'angaha nanenina Jesosy nanaiky ho fantsihana? Aza misaina ihany fa harao ny mpanao politika. Ny hatokany mivalombalona sy ny taviny no jerenao. OK JK.
7. Jeankely ( 27/03/2008 13:19)
Aza manao intsony hoy ny Talata mainty sa ahoana?
8. rabingogilabanga ( 27/03/2008 17:24)
Mazavabe ary tsy ny eritreritra no tohiny. NOHO IZANY HAFARO NY TARANAKA AMAMPARA TSY HANAIKY HATAON'NY OLONA TOHATRA FIAKARANA.

-t@ 2002: OLP : olona leo politika: izany ny fikambanna nantsangan'ny ekipan'ny Ratsiraka, mba tsy hilaharan'ny olona hanohitra azy.
-Dia io indray fa averin'ny Jeankely, hoe aza manaiky hatao fitaovana.

Ny zava-misy:
-ny Tsara seza efa tsara petraka, milaza hoe aza manainky hatao fitaovana, nefa izy no nanao fitaovana ny sasany taloha.
-ny Very seza indray , mitady ny sasany hataony fitaovana.
ny marina:

ny vahoaka tsotra tsy mitady seza, ny hohaniny, ny hitafiany, sy ny filaminana no ilainy. rehefa tsy feno io, dia tapi-dalankaleha izy, noana ny kibo mivezivezy ny fanahy, dia voasarik'ireo tsara resaka, ary ny tantara dia milaza fa ny olona mihoitra sy manao revolution misy foana, rehefa mafy ny adiny.

Mba tsy hisian'ny ny fifanonganana lava, ny fifamonoana lava, ny kivy lava , ny exilé lava, dia io teteza-mita io no solution, raha sur fa tsy mahazo milatsaka n'iza n'iza filoha eo, au bout de 2 mandat, tsy misy adala akory tsy hahandry izany (oh: ratsiraka 10 ans fotsiny fa tsy 25 ans, ravalo reste 3 ans, etc...)

9. Jeankely ( 28/03/2008 00:02)
Averiko ny soratr'i Ra-Bogosy tsy gila tsy banga: "ny Very seza indray , mitady ny sasany hataony fitaovana" ary "ny vahoaka tsotra tsy mitady seza, ny hohaniny, ny hitafiany, sy ny filaminana no ilainy". Ka asa aiza no mifameno sy mifanohitra amin'izany. Ataovy mivorivory miaraka aminao be loha amin'ity TETEZA-MITA IZY FA HAINY NY TIANAO HATONGAVANA. Ary lazao mialoha izy fa HO AZO NY ERITRERITRA TSY HISY NY HARATRA FA HANDEHA NY REHETRA AMIN'NY TETEZA-MITA. Tsy manenina fa fialaminana sy soa no ho azo KOA TONGAVA MALAKY.
10. todisoa2 ( 28/03/2008 14:52)
mbola tsy eo aminao marina raJean ny toerany ka mora aminao ny mteny. Rf tonga ny tokoa, antsoy aho dia hovaliako hianao
11. Jeankely ( 28/03/2008 15:57)
Ary @ vavaka ianao miresaka be ry todisoa a. Tsy fomban'ny mpivavaka ny manozona. Izaho tsy manenina amin'ny zavatra hinoako. Rehefa mivadika ny vady dia voa satria nitia saingy tsy manenina. Raha maditra ny zanaka dia voa ihany koa saingy tsy manenina ny niteraka ary raha resaka politika no mahavoa dia aleo hamay tsara satria mitady ny fahasambarana. Inona no hanenenana? Tsarabe. Izay mitady dia ahita koa izaho tsy nitady politika fa miasa mafy tena tseboka sy marary andoha vao mihinana. KA AHOANA HANENINA SA HITARIKA NY HAFA HO VOA KOA, SA HANANATRA. Averiko indray koa AZA MANENINA RAHA KENDAN'NY NASESIKY NY TANANA. SA NOTEREN'I RAZOKY IZY? :-D :-D :-D
12. rabingogilabanga ( 28/03/2008 16:06)
marina ny anaora-todisoa, satria raha ny zanadambo nogadrain'ny ravalomanana, nefa zanadambonamany dia asa!

Tsy midika hoe marina na diso ny any zanadambo, fa dia ny mitsipa-doha laka-nitana tsy fahendrena loatra hoy ny taolo
13. kanota ( 29/03/2008 00:08)
Ho an-drabingo. Hafaro Herizo Razafimahaleo-nao fa tamin'ny andron'i Jamba no nalaza ny MBA. Efa misy bandy kely zara raha 30 taona marobe manana PhD avy USA sy Japon. Tsy mahataitra ny bandy kely intsony izy raha tsy hainy.
14. Jeankely ( 29/03/2008 12:46)
Ary i todisoa angaha tsy mba homena hafatra? Tsy mety tonga amiko ny toerana satria aho raha manantona dia tena feno fanantenana noho izany tsy hanenina ra-todisoa a. Ody varatra io ka ny aza voany e. Dia nitomany ve Ra-zoky hoe tsy hanao intsony sa hoe asio koa ireo nivadika?
15. todisoa2 ( 31/03/2008 12:59)
Jeankely:

Ary @ vavaka ianao miresaka be ry todisoa a. Tsy fomban'ny mpivavaka ny manozona. Izaho tsy manenina amin'ny zavatra hinoako. Rehefa mivadika ny vady dia voa satria nitia saingy tsy manenina. Raha maditra ny zanaka dia voa ihany koa saingy tsy manenina ny niteraka ary raha resaka politika no mahavoa dia aleo hamay tsara satria mitady ny fahasambarana. Inona no hanenenana? Tsarabe. Izay mitady dia ahita koa izaho tsy nitady politika fa miasa mafy tena tseboka sy marary andoha vao mihinana. KA AHOANA HANENINA SA HITARIKA NY HAFA HO VOA KOA, SA HANANATRA. Averiko indray koa AZA MANENINA RAHA KENDAN'NY NASESIKY NY TANANA. SA NOTEREN'I RAZOKY IZY? :-D :-D :-D


hihihihi......... tsy ozona izany fa meteza enao @ toerany e!!!:!
16. Jeankely ( 31/03/2008 14:17)
Izaho angaha amin'ny toerany? Na hidaboka raham-pitso izy tsy misy fiantraikany @ asako andavan'andro. izay manao zavatra tsisy "motivation" fa manaranaraka fahatany no manenina amin'ny nataony. MANDRORA MITSILANY VALY. :-D :-P :-D :-P
17. todisoa2 ( 01/04/2008 08:18)
reveko le feeling. Mlay zan kou.hihihihihihih
18. Jeankely ( 01/04/2008 10:52)
Ny ahy na iza tezitrabe dia lazaiko izay sendra ahy hoe rehefa fantatrao fa tsara ary nandinika ianao fa ahasoa ny ho avin'ny taranaka amandimbinao tsy olana na hiala aza ny ainao. Ny manenina antsasa-dalana kosa tsy mety. Izay no niadivana teto. Ry zalahy mitarika ny olona hifidy TIM ary ao ny milaza TIM niala. Ao ny milaza mbola TIM fa tia hanatsara nefa dia izaho indray no lazainy miaro ny fitondrana rehefa tsy mitovy fijery aminy. Fa inona no tao andoha tamin'ny fitarihana vahoaka etsy aroa no leo. AZA MANENINA SA MANDRORA NITSILANY VALY
19. todisoa2 ( 05/04/2008 15:42)
ZAN an? :lol: :lol: :lol:
20. Jeankely ( 05/04/2008 23:29)
Ny olona matotra amin'ny ataony tsy haneninena fahatany.
Raha manambady @ resaka revirevy avy eo vao hoe tsy ity indray fa iry ary mifampitady any fitsarana dia ny adalana hatrany amboalohany.
Ny Politika tsy haraharahana fahatany. Hain'ny firenena ary ho avin'ny taranaka ka asakasakao izay zakan'ny rivotra tairin'ny olona hoe aty indray e, ary indray e, eto indray e. Maneke ihany lalaovin'ny Mpanao politika.
Ampidirina sy aletra ao antsaina ilay politika nofa miaraka amin'ny saina nofa dia samy mandraingiraingy avy eo. Politika manapaka tetezana, mitarika adi-poko ve ohatra ahasoa ? Ianao mandeha amin'izay tianao aleha tsy maninona fa ny olona miasa indray no roahinao rehefa tairin'ny mpanao politika ianao?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0477