paka juif
1. patrick2002
(
21/03/2008 13:41)
efa mazava amintsika inona no hakalazaina @ paka kristianina ,fa izao mahare koa hoe misy ny paka jiosy ,dia lasa ny eritreritro inona no hankalazaina @ paka jiosy nefa ry zareo tsy mino an'i jesosy ho kristy mpamonjy :idea:
répondu par fijo le 28/03/2008 22:19
2. veromahefa
(
21/03/2008 14:23)
Ny Paska Jiosy araka ny Eksodosy 12 dia fahatsiarovana ny nanafahana ny Zanak'Israely tany Egypta : rehefa nalefan'Andriamanitra ny loza 9 nefa mbola nanamafy ny fony ihany Farao, dia nanafatra ny Z'I izy hamono ondry na osy tsy misy kilema, lahy iray taona ; ka hanosotra ny ran'io ondry na osy io amin'ny tolam-baravarana.
Rehefa nandalo ny mpandringana ... izay tsy nanisy io ran-janak'ondry io tamin'ny tolam-baravarana (mazava ho azy fa ny Egyptiana) dia ringana avokoa ny lahimatoany.
Voalaza ery amin'ny sora-mandry ambany fa Paska = Fandalovan'i Jehovah

3. prime
(
21/03/2008 14:45)
patrick2002> tsy ny paka kristiana no voalohany fa ny paka jiosy...
Ny paka jiosy dia Andriamanitra mihitsy no nanafatra azy tsy ho azo adinoin'ny taranaka intsony mandrakizay, ary manana heviny maro fa ireto no tena fototra :
Ireo rehetra ireo dia efa taratr'ilay fihavian'i Jesosy Kristy avokoa :
- hanafaka ny olona eo ambany fanandevozan'ny ota
- hamonjy ny olona rehetra amin'ny fandatsahany ny ràny ho antoky ny famelan-keloka ho an'izay rehetra mino Azy, mariky ny fahatanterahan'ny asany
- hanaiky hanetry tena ka ho tonga iray amin'ny olona rehetra mandray Azy... (fanasàn'ny Tompo)
- hanome ilay tena fitsaharana marina sy tanteraka ao amin'Izy Jesosy...
- hanafaka eo ambany ozon'ny ota sy ny fahafatesana izay hiseho tamin'ny hitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, fahatanterahan'ny faminaniana rehetra izay hita taratra tamin'ny fahafahan'ny zanak'Israely avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ilay tany nampanantenain'Andriamanitra hisian'ny fiadanana...
Ireo manaraka rehetra ireo dia tanteraka avokoa tamin'ny andro fankalazàna ny andro paska jiosy tamin'ny taona 0... ary izany no antony ankalazàn'ny kristiana ny paska na dia tsy mitovy intsony aza ny fototra iorenany nefa nifandrohy akaiky hatrany am-panombohany...
Ny paka jiosy dia Andriamanitra mihitsy no nanafatra azy tsy ho azo adinoin'ny taranaka intsony mandrakizay, ary manana heviny maro fa ireto no tena fototra :
- ny fanafahan'Andriamanitra ny zanak'Israely avy tany amin'ny fanandevozana tany Egypta teo ambany vahoan'i Farao, nanirahany an'i Mosesy ka nametrahan'Andriamanitra lalàna manokana ny hahatsiarovana izany fotoana sy andro lehibe izany...
- ny nanosorana ny ràn'ny zanak'ondry ny varavaran'ny fianakavian'ny zanak'Israely rehetra nialoha ny andro nahafahany tany Egypta nentina nametrahana marika niarovana manokana ny zanakalahy matoan'Israely rehefa tonga ny anjelin'Andriamanitra hanatanteraka ny famaizana hamono ny lahimatoa rehetra tany Egypta noho ny hamafin'ny fon'i Farao tsy namela azy ireo handeha (ho olon'afaka)...
- ny fihinanana mofo tsy misy sira sy anana mangidy nanafarana ny zanak'Israely ho mariky ny fanetren-tena feno sy fivavahana mifantoka amin'Andriamanitra tonga hanafay an'i Egypta, velona tamin'ny fahorian'ny hafa... nandritra ny famaizan'Andriamanitra, nandefa ny anjely hamono ny lahimatoa rehetra...
- ny fitsaharaha ao amin'Andriamanitra ka tena maneho ifotony ny tena hevitry ny Sabata na dia mbola tsy nomena ny zanak'Israely aza izany raha tsy tany an'efitra ho tena lalàna raikitra nifandraika tamin'ny famoronana izao tontolo izao...
Ireo rehetra ireo dia efa taratr'ilay fihavian'i Jesosy Kristy avokoa :
- hanafaka ny olona eo ambany fanandevozan'ny ota
- hamonjy ny olona rehetra amin'ny fandatsahany ny ràny ho antoky ny famelan-keloka ho an'izay rehetra mino Azy, mariky ny fahatanterahan'ny asany
- hanaiky hanetry tena ka ho tonga iray amin'ny olona rehetra mandray Azy... (fanasàn'ny Tompo)
- hanome ilay tena fitsaharana marina sy tanteraka ao amin'Izy Jesosy...
- hanafaka eo ambany ozon'ny ota sy ny fahafatesana izay hiseho tamin'ny hitsanganan'i Kristy tamin'ny maty, fahatanterahan'ny faminaniana rehetra izay hita taratra tamin'ny fahafahan'ny zanak'Israely avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ilay tany nampanantenain'Andriamanitra hisian'ny fiadanana...
Ireo manaraka rehetra ireo dia tanteraka avokoa tamin'ny andro fankalazàna ny andro paska jiosy tamin'ny taona 0... ary izany no antony ankalazàn'ny kristiana ny paska na dia tsy mitovy intsony aza ny fototra iorenany nefa nifandrohy akaiky hatrany am-panombohany...
5. fijo
(
21/03/2008 20:41)
ny fampiasana ity teny ity:"Andriamanitra mihitsy" dia tena mahagaga ahy;
efa nisy naheno azy niteny ve???
efa nisy naheno azy niteny ve???
6. ni81
(
21/03/2008 21:06)
ny fampiasana ity teny ity:"Andriamanitra mihitsy" dia tena mahagaga ahy;
efa nisy naheno azy niteny ve???
Raha toa tsy mpino no mandre io fiteny io dia sarotra be ho azy ireo ny mandray azy.
7. fijo
(
21/03/2008 21:18)
ka efa nisy naheno izan andriamanitra izany niteny ve??izay no fanontaniana.
8. fijo
(
21/03/2008 21:23)
za aloha tsy mpino jiosy na kristianina,fa de mifety ny paka e,ary dia tena hifety tokoa .ary di ahisotro ny rany tokoa.ka asa na homasina avy eo na akory;
9. majesty
(
25/03/2008 05:26)
Na inona na inona fomba fanazavana entina eto dia izao ihany,ny paska dia tandindona fotsiny ihany ny @ ahafatesan'ilay Mpamonjy raha jerena ny testamenta taloha fa ny fahantaterahan'ny Paska dia ny nahafatesan'ny Mpamonjy teo @ hazo fijaliana hoy ny S.M hoe "fa maty Kristy,paska ho antsika".Fa ny nahatonga ny fahasamihafana teo @ Kristiana sy ny Jiosy dia ry zareo tsy nino fa Jesoa no Mesia (tahaka an'i Fijo:D):D
10. fijo
(
25/03/2008 22:14)
hi hi i ,ka izao ani eletsy e,raha izy niara niaina taminy aza tsy nino,ahoan amo an ohinoanareo olon aratsy teo amin'ny mpiarabelona taminy????
11. ikaretsaka
(
28/03/2008 01:48)
8) sambatra ny tsary mahita nefa mino e..
de nisy niteny anahy hoe tsary mahita ny lavaka ao anvanimbany ao andamosin'ialahy ao hono ialahy ra fijo nefa ahoana no hinoan'ialahy fa misy ao?
de nisy niteny anahy hoe tsary mahita ny lavaka ao anvanimbany ao andamosin'ialahy ao hono ialahy ra fijo nefa ahoana no hinoan'ialahy fa misy ao?
12. majesty
(
28/03/2008 08:18)
Ka io anie ra fijo ilay hoe mpaminany tsy masina an-taniny e,ry zalahy Jiosy mieritreritra fa mbola vao ho avy ny Mesia dia eo no mizara ny lalana!
13. fijo
(
28/03/2008 21:27)
ika an,le lavaka ao andamosina anie asiana fitaratra dia io fa ita e.izay no ninoako
majesty,hay ve???ka ny vahiny izany raha nilaza fa tena mpitondra nahay radidy ,dia tokony hino isika fa ry zareo no tena nahita ny fitondrany tao,fa isika nizaka fotsiny.hummmmm,tsy ratsy koa iny an.

14. ikaretsaka
(
28/03/2008 22:10)
fijo> dia ahoana no inoan'ialahy izay hitan'ialahy eo @ fitaratra?
15. fijo
(
28/03/2008 22:19)
ka ny fitaratra ohatra ,raha asaiko jeren'ny olona eo akaikiko,dia manome ny hendrika itako maso.izany hoe tsy manova ilay zavatra itako maso;
noho izany inoako fa tsy hanova ny zavamisy itako ao koa
noho izany inoako fa tsy hanova ny zavamisy itako ao koa