SMOTIG

1. penina ( 17/03/2008 06:27)
Inona marina moa ireo asa tsy maintsy natao tamin'ny SMOTIG?
nanamboatra lalam-by, tonelina dia inona koa?
répondu par ni81 le 13/07/2008 17:48
2. kiadi ( 17/03/2008 08:03)
inona lesy zany smotig?
3. penina ( 17/03/2008 08:06)
Service de la Main d’Oeuvre des. Travaux d’Intérêt Général

Ilay tamin'ny fanjanahatany. Ilay soavaly mianto-bilona.
4. kiadi ( 17/03/2008 08:13)
hay ve zavatra ho anireny condamné zany eh!
5. menalamba ( 17/03/2008 11:06)
Tsy ny condamné izany fa ny ankamaroan'ny ilona no voatery t@ io ry kiady an.Ny fanaovana lalana koa ,ny fiasana tany izay novolen'ireo colon koa tafiditra tao anatiny ka izany aza no tena nahatonga ny fihetseham-bahoaka."Saka iray mandadia!!!!...Izay no teny hifanaovan'ireo Malagasy voatery miasa rehefa mikapoka ny vazaha,raha vao mitraka maka aina ireo olona
6. penina ( 19/03/2008 15:29)
misaotra an'i menalamba fa mazava.
7. ikaretsaka ( 19/03/2008 15:57)
ny lalamby tana toamasina no tena asa goavan'y smotig hono
8. endrika01 ( 03/05/2008 17:02)
ikaretsaka:
ny lalamby tana toamasina no tena asa goavan\'y smotig hono
Niresaka an\'io i ika,fa tena mba mafy tokoa ny nahazo ireo olona taloha ireny!@zao aza misy izao fitaovana isan-karazany izao mbola mijafajafa nefa t@zany andro zany ,ny tanana ny herim-batana manontolo no miasa,ny sakafo tsy hay hay na misy na tsia.Tena na mijery ireny havoana be nangadiana natao lalam-by sy lalana ireny.Mametraka fanotaniana zah manao we,ny zatovo @zao fotoana izao ve mahavita an reny,tena sarotra inoana:D:D:D
9. ktsif ( 16/05/2008 12:48)
Ny SMOTIG dia lalana napetraka tamin'nyandron'i Gallieni (talohan'ny 1902) ka nifarana tamin'ny 1936 izay nahatongavan'ny sosialista teo amin'ny fitondrana tany Frantsa. Foloandro isan-taona isan-dehilahy izy tamin'ny voalohany ary taty aoriana (1927) dia navadika ho 30 andro. tamin'izany mantsy tsy mba nisy tetibola hanaovana fotodrafitrasa fa ny hetra sy ny herintsandry no nampiasaina nanaovana ireny asa lahibe rehetra ireny. Dia maivoka tokoa anie satria tsy maintsy mandeha raha vao lehilahy efa misy volom-poireaux e. N'aiza n'aiza andefasana ary n'inon'inona asaina atao. Betsaka tokoa no maty tany indrindra fa matinny tazo. izany aza dia mbola misoratra any amin'ny tatitr'ireo governora izay nifandimby hoe KAMO NY GASY
10. endrika01 ( 11/07/2008 07:25)
Raha averina angamba io fomba nataony mena sofina io,lasa mamono faty isan-kerinandro ny Malagasy,satria @zao vitsy ny tena mitontona,fa lay mpandroba no tena bobaka.kAMO TIA MIFANINANA DIA HERISETRA no ampiasainy.:-P
11. tsidina ( 13/07/2008 17:02)
endrika01:

Raha averina angamba io fomba nataony mena sofina io,lasa mamono faty isan-kerinandro ny Malagasy,satria @zao vitsy ny tena mitontona,fa lay mpandroba no tena bobaka.kAMO TIA MIFANINANA DIA HERISETRA no ampiasainy.:-P

............Hay fantatrareo sy tsapanareo malagasy rehetra mipetra any frantsa ny haratsipanahin'menasofina t@zany andro zany ka maninona no mbola manoriponenena any @taniny ianareo??????????????????????????
tsy vitany manoro-ponenana fa mbola milelaka mba ho sakaizany?
Tsarovy anie fa isika malagasy hatramin'zao dia mbola voazanaka ankolaka e! ohatra @zany, nahoana moa isika malagasy no voatery mampiasa ny teny frantsay hatramin'zao? ka nefa raha tokony ho izy dia tokony hampiasa ny fiteny anglisy satria io no international?
12. ni81 ( 13/07/2008 17:48)

Fantatra sy mazava be toy ny masoandro be lohataona ireo resaka ireo, fa tsy ny menasofina rehetra akory no nanao izany. Safidy ny anay fa tsy nisy nanery akory ny hijanonana aty. Toy ny faharatsian-toetran'ny olona hafa firenena rehetra ihany izany nataon'ny vazà sasany izany. Ary zà izao dia manana havana akaiky namoy ny ainy t@ fanjanahantany, saingy tsy menasofina no namono io havako io fa gasy toa azy ihany fa nolaingana dia nolazaina fa vazà. Afaka lazainao ange ny ao @ fampianarana hoe: ATAOVY ANGLISY NO AMPIANARINA ANY AN-TSEKOLY AO DAGO E.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3757