Anaran-tananantsika ihany

1. ikaretsaka ( 11/03/2008 02:10)
Inona tokao kay ny anaran-tanana Gasy misy hoe alahady

Ohatra hoe:
Alatsinainy Bakaro
Talatan'Apano, Talatan'Ivolonondry
Alarobia an'Amboniloha
Alakamisin'Itenina
An-joma Kely
Sabotsy Namehana

Fa ny alahady ahoana?
répondu par mpisotrtoaka le 12/01/2015 05:02
2. endrika01 ( 11/03/2008 05:27)
Alahady fandehanana mivavaka,raha misy io dia tokony ho anarana toerana feno fiangonana mitambatambatra,tsy haiko alou é!Za koa mba miandry raha misy namana mahita,de aiza?
3. Rasiligaoma ( 11/03/2008 05:41)
Misy toerana dia Alahady ny tsenany, fa tsy nipetraka ho lasa anaran'ilay toerana fotsiny ilay izy, iny manaraka ny RN7 iny raha tsy diso aho, lalan'Ambositra
tsy haiko hoe nanao ahoana angaha
4. tsiambaratelo ( 11/03/2008 09:26)
ikaretsaka:
Inona tokao kay ny anaran-tanana Gasy misy hoe alahady Ohatra hoe: Alatsinainy Bakaro Talatan\'Apano, Talatan\'Ivolonondry Alarobia an\'Amboniloha Alakamisin\'Itenina An-joma Kely Sabotsy Namehana Fa ny alahady ahoana?
Hono wa é,tsena dôly zany ireo nomen-dry zareo anaran\'ny andro enina ny herinandro ireo?Talatan\'Ivolonondry!Aiza kay ny faritra misy an\'io ry ika?Sady zaho koa tia andro talata zay!
5. ikaretsaka ( 11/03/2008 21:04)
le tanana no tsena taloha ka..
Ohatra hoe Ivolonondry dia talata ny tsenany dia lasa Talatan'Ivolonondry ko
6. tsiambaratelo ( 11/03/2008 22:19)
Hay ve é!Any aminay koa misy tsenan\'Asabotsy!Tokony mba natao we Sabotsin\'Antsirabe! Hi hi hi
7. Alaina ( 12/03/2008 21:36)
Marina zany ka. Angamba ts hoe anaran'ny tsena fotsiny no nahatonga an'io fa anaran'ilay andro tena nahavory ny olona taloha ka hiangonany amin'ny toerana iray. Ka amin'io no manararaotra mamita n zavatra rehetra. Ka ao no manararaotra mivarotra, mividy, mihaona amin'ny havana. Raha tsy diso koa dia amin'io no fotoana hanaovan'ny Mpanjaka kabary sy hampitana hafatra raha misy. Matetika dia ny mpanandro no mifidy an'io andro io ka lasa andro masinasatria voafidin'ny mpanandro ary heverina fa andro tsara ho an'ilay tanàna mihintsy.
Tsy tafiditra ho anaran-tanàna ny Alahady fa noheverina hoe andro fitsaharana, ka na ny mpiasa tany aza mitsahatra ary tena mangina ny tanàna.
8. ikaretsaka ( 12/03/2008 21:58)
ka t@ izany angaha ry Alaina efa nisy izany andro fitsaharana izany?
9. endrika01 ( 13/03/2008 06:17)
Taloha tokoa dia tena hita miavaka mihitsy zany andro Alahady izany!Tsisy mpivarotra na iray aza mamoha ny tsenany!Fa @zao efa entiny fiainana makany makany dia tsisy fitsaharana intsony!Ny hatokona anio,tadiavina anio,fa tsisy tsony le we ny apitso efa milamina!
10. Alaina ( 13/03/2008 12:02)
ikaretsaka:

ka t@ izany angaha ry Alaina efa nisy izany andro fitsaharana izany?



De tsy haiko alou, fa tsy mbola nahita mhitsy aho we zavatra nataon'ny Malagasy ka mifandraika amin'ny andro alahady. Zay nonahatonga ahy hilaza fa andro fitsaharana izy io: tsy hanaovana ny asa fanao andavanandro
11. ikaretsaka ( 13/03/2008 18:08)
Tsetsatsetra kely

ilay hoe "fitsaharana" io hono efa taloha be no nisy azy t@ gasy.... ilay fika hoe maka andro 1 @ herinandro ny gasy mba hialana sasatra rehefa avy manao ny asa fataony nandritra ny herinandro t@ izany (miasa tany sns...) . principe tsy misy hidirany t@ fivavahana mihitsy ilay izy t@ iznay fa de resaka recuperation fotsiny

dia rehefa tonga ny vazaha sy ny kristianisma dia zaran'ny misionera aza nahita ilay concept satria dia nifandraika tokoa @ ilay hoe andro iray ho an'Atra.
dia lasa concept kristianina ilay izy

12. Alaina ( 14/03/2008 09:39)
ikaretsaka:

Tsetsatsetra kely
ilay hoe "fitsaharana" io hono efa taloha be no nisy azy t@ gasy.... ilay fika hoe maka andro 1 @ herinandro ny gasy mba hialana sasatra rehefa avy manao ny asa fataony nandritra ny herinandro t@ izany (miasa tany sns...) . principe tsy misy hidirany t@ fivavahana mihitsy ilay izy t@ iznay fa de resaka recuperation fotsiny


Resaka recupération pur et simple tokoa ve no tena izy? Raha ny fantatro manko dia ny mpanandro no nametraka azy io dia nolazaina hoe "andro fady" ka tsy azo anaovana asa-tany. Ny tsy fantatro fotsiny dia hoe ny asa tany ihany ve no tsy azo atao sa rehefa mety ho asa fivelomana (mikapa hazo, manao charbon, manao trano sns...)? Ary dia nararaotina tamin'io andro fady io ilay andro hanaovana tsena sy tonga anaran'ny tanàna matetika.
Fa ilay alahady mbola tsy tafiditra ihany na dia izany aza.
13. mpisotrtoaka ( 12/01/2015 05:02)

tsiambaratelo:

ikaretsaka:
Inona tokao kay ny anaran-tanana Gasy misy hoe alahady Ohatra hoe: Alatsinainy Bakaro Talatan\'Apano, Talatan\'Ivolonondry Alarobia an\'Amboniloha Alakamisin\'Itenina An-joma Kely Sabotsy Namehana Fa ny alahady ahoana?
Hono wa é,tsena dôly zany ireo nomen-dry zareo anaran\'ny andro enina ny herinandro ireo?Talatan\'Ivolonondry!Aiza kay ny faritra misy an\'io ry ika?Sady zaho koa tia andro talata zay!

Any amin'iny faritra Ramainandro Faratsiho iny misy anaran-tanana hoe Alahady ! Tena izay mihitsy fa tsy mamorona aho !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6399