fanamelohana ho faty sy ny fanandevozana

1. penina ( 03/03/2008 16:54)
Tsy manararao-paty aho fa mba tia hampita kely ny fomba fivevitro.

Raha izaho manokana mantsy dia manohana tanteraka ireo zavatra tsy dia tian'ny olona ireo.

Ilay fanamelohana ho faty aloha mety efa azonareo daholo ihany ny antony.

Fa ilay fanandevozana, amiko, ny olona rehetra dia tokony hiasa daholo. Ary raha misy tsy miasa noho ny hakamoana, ilaozany mangataka, mitsindroka na mivaro-tena, dia tokony azo angatahana any amin'ny fivondronana hampiasaina an-tery. Omena ampahany amin'ny vokatry ny asany izy, ary ny ampahany ankohatra ny hetra dia omena ny tompony.

Diso ve ny eritreritro?

Raha efa nanao jeu de strategie ianareo, oh red alert, dia ho tsapanareo tsara fa ny famokarana no fototra.
répondu par penina le 04/03/2008 11:50
2. ikaretsaka ( 03/03/2008 17:57)
Fa ilay fanandevozana, amiko, ny olona rehetra dia tokony hiasa daholo. Ary raha misy tsy miasa noho ny hakamoana, ilaozany mangataka, mitsindroka na mivaro-tena, dia tokony azo angatahana any amin'ny fivondronana hampiasaina an-tery. Omena ampahany amin'ny vokatry ny asany izy, ary ny ampahany ankohatra ny hetra dia omena ny tompony.

miala tsiny fa somary eritreritra sendra mandalo ao anaty eritreritra sendra mandalo kely an
fa ataoko fa mifandraika @ le sujet ihany ..
fa nga ny mitsindroka sy ny mivaron-tena tsy asa??
3. penina ( 03/03/2008 18:27)
Asa ihany ireny fa tsy dia ahazoam-bokany. Ilay vokatra mantsy no tena ilaina.

Tsy azo sokajiana amin'ny fialamboly ("entertainment", "divertissement"), satria ny mozika sy ny fanatanjahatena mety ahazoana vola avy any ivelany.

Ny fitsindrohana sy ny fivarota-tena dia fanimbana toe-tsaina mihitsy. Lasa isaky ny misy olana dia hoe: afaka mitsindroka ange eh, afaka mivaro-tena ange eh.

Amin'izao aho ohatra ny manenina kely ny vola nomeko ireny mpangataka ireny.
4. ikaretsaka ( 03/03/2008 18:31)
ataovy fikan'andrianampoinimerina sy ry pere pedro letsy a.. angady sy fitaovana isanana no omena ny pokona mangataka
5. penina ( 03/03/2008 18:45)
amidiny iny koa

Izay ilay teneniko hoe tokony misy mpiambina mihitsy hoe asao io tany io.

Ka izao mantsy ilay olana:
Vitsy ny asa satria tsy misy mamorona asa fa mifampiandry daholo.

Ny manam-pahaizana mitombo ihany. Samy tsy an'asa na ny nianatra na ny tsia, dia lasa ambaniana ny fianarana. Ohatra fotsiny ny fihomehezan'ireo tsy niatra ireo afaka baka nefa samy mpiasan'ny zone ihany.

Vokany, lasa manam-pahaizana ireo jiolahy. Vazivazy iny, fa lasa jiolahy ny manam-pahaizana no tiako tenenina.

Ary raha izao no mitohy dia mety hisy karazana mafia (raha tsy efa misy) mihitsy.
6. ainaheri ( 03/03/2008 18:50)
penina:
Ny fitsindrohana sy ny fivarota-tena dia fanimbana toe-tsaina mihitsy. Lasa isaky ny misy olana dia hoe: afaka mitsindroka ange eh, afaka mivaro-tena ange eh.



Raha ny fihevitro za manokana,ataoko tsy fanimbana toe-tsaina ny fitsindrohana sy ny fivarotan-tena,ka hoy enao we ra vô misy blem d tsy maintsy any ny lalana,tadidio sy eritrereto fa refa tonga tokoa ny tokoa hany ka na ny fianakaviana aza manome lamosina anao ataoko angamba tsy maintsy mitady vahaolana,@ ety efa anaty lavaka,ny kibo kou tsy mba lamosina!!

penina:
Amin'izao aho ohatra ny manenina kely ny vola nomeko ireny mpangataka ireny.



Aza d miteny an'zany lotra,tadidio fa nysoa atao levenam-bola fa..........
7. yonikafopl ( 03/03/2008 18:59)
inona moa no atao hoe fanandevozana??
-asa an-tery sa
-voatery miasa sa
inona???

Amiko kosa ,dia marina fa ny olona rehetra dia tokony hiasa daholo raha te hivelona.
Tsy tokony hifanerena nefa le izy we tsy maintsy miasa, fa izay tiany ihany io.
Izay miasa ihany no mihinana, fa izay tsy miasa de eo ny tranony.
\"ny hatsembohan\'ny tavanao no hihinananao\"

De hoy ika hoe
fa nga ny mitsindroka sy ny mivaron-tena tsy asa??


Azo lazaina ho asa doly refa ahitana vola sy hohanina ka, mitsemboka miasa mafy mihintsy refa mitsindroka eo am zoridira eo zareo ka. De ry zareo mpivaro-kena (hihihi) koa mitsemboka mikofokofoka vo mahazo vola, asa doly zany ry havana:-D
8. penina ( 03/03/2008 19:05)
Ka arakaraka ny hanomezana vola ireny no ijanonany eo.

Ohatra iray ohatra, nisy zatovo vavy tonga nila ravinahitra tao Antananarivo. Niasa tamin'ny zone franche izy, dia tamin'ny grevy 2002 dia anisan'ireo nanala mpiasa ny orin'asany. Roa volana taorian'izay izy dia lasa nivaro-tena. Dia avy eo niteny tamin'ireo namany hoe hiala. Dia hoy ny namany hoe tsy ho afaka eo fa mampijanona(adictive) io.

Raha ny vahaolana natolotro anefa dia izao, raha misy ny tompo sy andevo. Dia afaka noferan'ny fanjakana tsara ilay tompony hoe, nahoana ny andevonao no ohatra izao. Ilay tompo izany karazana "assurance" fa "assurance" akaiky.
9. penina ( 03/03/2008 19:16)
yonikafopl>

1- asa an-tery

2-
fa izay tsy miasa de eo ny tranony
, tsy eo izany ny tranony.
Misy karazany roa ny tsy miasa. Ny iray tsy niasa hatrizay fa variana nirevirevy. Dia ny iray ny tsy mahita asa.
Ilay voaloha no tena loza satria zatra tsy mandray ravin-dena dia mandroba ny an'ny hafa sy manao kolikoly etsy sy eroa. Ireny amiko no anisan'ireo tokony hovonoina.
Dia ireo tsy mahita asa nefa tia hiasa indray, dia tokony omena asa. Dia raha tsy manaiky dia terena hiasa fotsiny izao na tsy tiany aza ilay asa.

Isika mantsy tsy dia mahalala dia mifidifidy ho PDG daholo, fa na ny vazaha tany mandroso io aza, mba misy mpamafa gabone koa.
10. ainaheri ( 03/03/2008 19:28)
penina:
Isika mantsy tsy dia mahalala dia mifidifidy ho PDG daholo, fa na ny vazaha tany mandroso io aza, mba misy mpamafa gabone koa.



Dray dray dray ,aleo alou za haka sisiny,ireny no tena kamo velona,zatra miaina @ rmi sy ny tariny ny gasy sy ny afrikanina efa zatra miafy sy tsy miaingitraingitra(tsy we akory ny retra² an;-)),enao ve ahita vozà hamafa gaboné zany,tavaratra ngamba zany kozinao
11. penina ( 03/03/2008 19:32)
ainaheri:
Raha ny fihevitro za manokana,ataoko tsy fanimbana toe-tsaina ny fitsindrohana sy ny fivarotan-tena,ka hoy enao we ra vô misy blem d tsy maintsy any ny lalana,tadidio sy eritrereto fa refa tonga tokoa ny tokoa hany ka na ny fianakaviana aza manome lamosina anao ataoko angamba tsy maintsy mitady vahaolana,@ ety efa anaty lavaka,ny kibo kou tsy mba lamosina!!


Ny zanaky ny mpangataka dia mpangataka. Izay ilay teneniko hoe simba ny toe-tsain'ilay zaza. Ny zazavavy tsy an'asa nefa mahita ireo mpivaro-tena misatyl dia lasa mpivaro-tena.

Jereo ny fandihako raha diso.
1986 teo, vitsy ny mahantra. Mbola vitrine tsy misy grille de protection. Mandeha daholo ny feu de stop rehetra.
1990 efa nitombo ny mpangataka
2000 aoka fotsiny, pipy etsy sy eroa, teny ratsy fanendahana
2005 feno ankizy kely mangataka "madama, noana be"

2008
paris10 tao amin'ny antson'ny fo:
isan'ny habibiana nataon'ny tanora gasy taty dago io,nandritra ny herinandro iny dia von'olona fotsiny tsy nisy niainana teto tanà, nandevina tanora no nahalany ny andro, mampalahelo rey olona a;
12. penina ( 03/03/2008 19:36)
ainaheri:

Isika mantsy tsy dia mahalala dia mifidifidy ho PDG daholo, fa na ny vazaha tany mandroso io aza, mba misy mpamafa gabone koa.



Dray dray dray ,aleo alou za haka sisiny,ireny no tena kamo velona,zatra miaina @ rmi sy ny tariny ny gasy sy ny afrikanina efa zatra miafy sy tsy miaingitraingitra(tsy we akory ny retra² an;-)),enao ve ahita vozà hamafa gaboné zany,tavaratra ngamba zany kozinao


Efa nahita. Italianina izy, ary namelo-tena. Fa tsy nataony asa mandra-maty ilay izy fa nakany vola hamitana fianarana. Dia miasa am-birao izy amin'izao sady faly amin'ny maha-izy azy.
13. lapino ( 03/03/2008 20:02)
ainaheri:

Aza d miteny an'zany lotra,tadidio fa ny soa atao levenam-bola fa..........

:D ka justement, ratsy natao ireny izany ko, lojika raha somary anenenana :wink:

Za koa aloha tsy contre an'ireo zavatra ireo e. Fa za tsy mazoto hanazava :P
14. simplex ( 03/03/2008 21:06)

Samihafa ny fanamelohana ho faty sy ny hoe fampiharana azy, tena vonoina tokoa ilay olona... Tiako kokoa, ilay hoe melohana izy fa tsy ampiharina fa atao aza anterivozina mandra-pahafatiny :)
15. penina ( 03/03/2008 21:51)
tombony: avazoana vokatra ny asany
alany: raha sefo deba izy dia vao maika lasa miketriketrika mahazo namana ao am-pigadrana

vahaolana: raha tena atahorana izy dia tifirina, dia raha tsia dia atao manao asa anterivozona mandra-pahafatiny. :°)

Ilay hevitro koa ange tena eritreritra mandalo marina fa izany ve hotanteraka na haniry nify aza ny akoho.
16. tess ( 03/03/2008 22:10)
amiko aloha raha otran'ilay tantara habibina namono olona atsy amin'ny antson'ny fo dia ny tsara hatao azy , ampanaovina asa mandritra ny fotoana voafetra , omena ny zanak'ilay olona tsy manantsiny maty ny vola karamany dia rehefa amin'ny farany vonoina amin'izay.....:x
17. Jeankely ( 04/03/2008 04:59)
Ny fanaovana makorel aloha tsy heloka ary tsy tokony ahafaty. Ratsy izy saingy aza adino fa be ny makorel amin'ny fomba mihaja sy miafina. Ohatra na Directeur aza dia be ny miveraka voatsangoka ka tazonin-dry zalahy ny seza na tsy hamokatra aza. Ireo miseho mivantana moa dia henatra ary fahotana hoy isiaka saingy raha resaka fahotana dia Andriamanitra koa mahita ny LAVATANAN'AKANJO mandray tsisy mpahita=))=))=)). Ny fanamelohana ho faty no anisany mampivoatra an'i Singapore. Manandrama mitondra rongony na basy ao rehefa tia hamono tena. Ho antsiaka nohon'ny maha-kristianina dia heloka ny famonoana olona ka ny mpivaron-drogony, ny mpangalatra sy mpanendaka indray no mahazo vahana mamono ny miasa mifofotra. Vavaka io
18. ainaheri ( 04/03/2008 05:29)
penina:

ainaheri:

Isika mantsy tsy dia mahalala dia mifidifidy ho PDG daholo, fa na ny vazaha tany mandroso io aza, mba misy mpamafa gabone koa.



Dray dray dray ,aleo alou za haka sisiny,ireny no tena kamo velona,zatra miaina @ rmi sy ny tariny ny gasy sy ny afrikanina efa zatra miafy sy tsy miaingitraingitra(tsy we akory ny retra² an;-)),enao ve ahita vozà hamafa gaboné zany,tavaratra ngamba zany kozinao


Efa nahita. Italianina izy, ary namelo-tena. Fa tsy nataony asa mandra-maty ilay izy fa nakany vola hamitana fianarana. Dia miasa am-birao izy amin'izao sady faly amin'ny maha-izy azy.





Zany aza izy we tsy tena asan'ny lery fa mba natao vatsim-pianarana klé;-)


19. ari.malala ( 04/03/2008 06:51)
izaho efa ela no pour ny fanamelohana ho faty, ary tena tanterahina satria ireny olona mamono olona ireny anie migadra any izy tsy haiko 10taona, 5taona, 15taona? mivoaka avy any izy dia mamerina ny fanaony iany ary ny tena loza dia mamaly faty ilay olona nitory azy izy dia miverina indray ny vono olona... au poteau ary tifirina eo noho eo ny mendrika ireny... aina solon'ny aina tsinona ka!

Penina:
Jereo ny fandihako raha diso.
1986 teo, vitsy ny mahantra. Mbola vitrine tsy misy grille de protection. Mandeha daholo ny feu de stop rehetra.
1990 efa nitombo ny mpangataka
2000 aoka fotsiny, pipy etsy sy eroa, teny ratsy fanendahana
2005 feno ankizy kely mangataka "madama, noana be"

2008

Hoy i paris10 tao amin'ny antson'ny fo:
isan'ny habibiana nataon'ny tanora gasy taty dago io,nandritra ny herinandro iny dia von'olona fotsiny tsy nisy niainana teto tanà, nandevina tanora no nahalany ny andro, mampalahelo rey olona a;


Marina tanteraka mintsy io! tsy hoe tsy nisy mintsy ny mahantra tam 85-86 fa nisy, fa vitsivitsy. Amzao fotoana izao, isak'izay elakela-trano tsy maints misy zazakely (mbola menavava aza ny sasany) midaboka @ io goudron io ary misy kapoaka kely eo alohany eo, eny ampovoan'arabe misy ankizy malotokely mibaby zaza ary arahina zazakely bedabe mangataka fa tsy mbola nisakafo... fa ny tena mandratra fo dia ireo ankizy mangataka fa ny vola aveo isotroan'ny RADny toaka:evil::evil:
20. penina ( 04/03/2008 11:50)
hehe marina izany malala kely.

andao ho any amin'ny sisiny daholo ry zareo fa ilay antananarivo efa surpeuplE

mody avadiko ny resaka fa izaho koa lasa kamo a la la pino
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.9246