Vehivavy 75 000 isan-taona no manala zaza

1. ronaldo09 ( 26/02/2008 11:00)
Isan’ny mampitombo ny taham-pahafatesan’ny vehivavy eto amitsika ny fanalan-jaza. Fantatra tamin’ny lahadinika nataon’ny avy amin’ny Foibe Arrupe (Fiangonana Katolika) eny Faravohitra nahitana solontena avy amin’ny fiangonana hafa tamin’ny alahady teo fa vehivavy 75000 isan-taona no manala zaza eto Madagasikara. Tarehimarika azo tamin’ny alalan’ireo vehivavy na tovovavy tonga manatona mpitsabo aorian’ny fanalan-jaza ataony io. Ankoatra izay dia maty avokoa ny 40% ary voalohany isika raha aty Afrika. Voalaza tamin’ity lahadinika ity fa tsy voafetra ny taonan’ireo manao izany satria misy vao 12 taona monja. Ireo vehivavy sahirana ara-pivelomana no maro mpanao ity fanalan-jaza ity. Araka ny fanazavana nomen’ny Mompera Jean Simon dia vahaolana mety ho lavitra ezaka ihany ny fananganana Foibe handraisana ireo vehivavy te hanala zaza na efa nanala zaza eo amin’ny fiangonana na amin’ny sehatra hafa. Ao no hivoizana amin’izy ireo fa sarobidy ny aina. Nisy ny mpisolovava nanazava ny lalàna manameloka ny fanalan-jaza, nilaza ny voka-dratsy aterany kosa ny mpitsabo tamin’io. Marihina fa ny fanalan-jaza sy ny fanalefahana ny lalàna manameloka an’izany no niompanan’ny lahadinika tamin’ny alahady teo.
Mba manontany aho hoe fa ahoana no esorina nefa nahazoana fahafinaretana teo ampanaovana azy!!!
répondu par soanja le 02/03/2008 21:05
2. sipagasy ( 26/02/2008 11:47)
manameloka??????:evil::-/:evil: mahagaga sy mahavariana, fa tsy hivalamparako e!!!!! ny tena tsara tokony hatao dia ny fisorohana izany ary ny fametrahana foibe mpitsaboana manerana ny fokon-tany raha ilaina aza izany!!! ny lalàna koa natao hivoatra e!:-P

http://mialisenfout.hautetfort.com/tag/FEMMES
3. sakaizakely ( 26/02/2008 12:11)
:idea::idea:rehefa samy hanameloka ihany, ny ahy eritreretiko hoe mba hisorohana azy de reo lhl tsy mahatana biby reo no tokony borina

4. antigone ( 26/02/2008 16:15)
Misy antony maro maro mahatonga ny vehivavy hanala zaza ary tsy ny vehivavy ihany no tokony ho melohana fa reo lehilahy tsy mandray adidy ; tia tena manary ny malotony de miala andraikitra, ^^^^:evil::evil::evil:
5. ikaretsaka ( 26/02/2008 16:21)
ny ahy ny tsy azoko dia hoe voatery hamono aina 1 ve mba hahafahan'ny 2 miaina malalaka?

Sakaizakely> matoa tsy tana ny biby dia misy lavaka mivaha koa any ko! :-D:-D:-D
ny biby manko hainao ihany fa vao taitra dia lavaka ihany:-D:-D:-D
6. ronaldo09 ( 27/02/2008 10:13)
Oka ra-ikaretsaka :-D::-D:-Dfa tena voavalinao tao amin'le oui mihitsy lay biby sy lavaka lazain'i sakaizakely:-D:-D:-D:-D:-D:-D
7. mitia04 ( 27/02/2008 10:59)
ikaretsaka:

ny ahy ny tsy azoko dia hoe voatery hamono aina 1 ve mba hahafahan'ny 2 miaina malalaka?

Sakaizakely> matoa tsy tana ny biby dia misy lavaka mivaha koa any ko! :-D:-D:-D
ny biby manko hainao ihany fa vao taitra dia lavaka ihany:-D:-D:-D


oudry! mifeheza tena rissé a, aza mijerijery lavaka d ts taitaitra ny biby e, sa misy biby taitaitra ho azy?:roll::roll::roll:, d amzay milam doli e, tsisy aina hafoy!
8. ronaldo09 ( 27/02/2008 11:22)
Ka ny maso ange tsy manaiky raha vao mahita fa tsy maintsy mijery ,indrindra moa fa lavaka no hita ary biby no mahita azy ,oka fotsiny!!!
Fa le biby aloha no inona ary inona koa le lavaka mba mila fanazavana fa sao dia mba izaho koa no tsy mahazo na hafa fandray!!!
9. mitia04 ( 27/02/2008 11:40)
ronaldo: anotanio sakaizakely! :-D:-D:-D:-D
10. ari.malala ( 27/02/2008 12:20)
samy tompon'andraikitra daolo na ny lahy na ny vavy fa nahoana moa no ny vevavy irery no mizaka ny tsiny? ny lelà sasany tia tena ftsn, d miala adidy, ireny no tena tokony saziana mafy amiko! samy mahazo ny sazy tandrify azy,fa ny lelà miala adidy no tokony mahazo triple noho ny an'le vevavy...
11. ikaretsaka ( 27/02/2008 13:51)
ka izay hoa.. niara natao io dia miara reponshabla
12. ravakamalala ( 27/02/2008 19:01)
dein!!!!! tena nangorintsiny aho rey olona namaky an ilay blog! nefa izany aza tys niniako novakiana hatram farany!

tsara ny manana ny fihevitra manokana eo anatrehan ny trangan javatra iray , tsara ihany koa ny mahay manohana ny hevitry ny tena, fa mba ento am pahendrena sy ampiheverana, fa tsy hoe izay rehetra mahay miziriziry amin ny heviny dia hoe rôle! na dia miteniteny foana aza
13. booboo ( 27/02/2008 19:52)
:°) zà tena miombon-kevitra tanteraka @ lé nanoratra lé blog nefa.

14. ikaretsaka ( 27/02/2008 20:10)
parce que l'enfantement n;est pas une obligation hono....
de t'es pas obliger de mampiditra sy mamoha lavaka raha izany kooo
15. ravakamalala ( 29/02/2008 17:28)
tsy miombon kevitra zany tsika sy booboo amin ity indray mitoraka ity

16. booboo ( 29/02/2008 22:27)
hihihihih ie :-*
17. soanja ( 02/03/2008 21:05)
Ny tena izy angamba dia beazina ny tanora maitso volo maba hahalala ny atao hoe soatiavina momban'ny vatan'olombelona.
Raha te hanandrana zany firaisana izany dia iza no tokony antonina voalohany vao mivelatra ny fe.
Aty aminay anie ke bojo ny vidin'ireo fanafody tsy mampitoe-jaza ireny eo ho an'ny tanora mbola latsaky ny 21 taona. Any Mada tsy fantatro.
Raha zaha aloha ny tanora dia mikiloty vy aloha mandra-pa satria mafy ny aina rehefa manan-janaka ary ratsy ny mamono olona.
Ny fitiavana azo ampiharina ihany na dia tsy misy aza ny firaisana e!
Ampiasao Kapoty Baba refa tena malailay tokoa!
Resaho ny zanakao vavy!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4493