ny railovy

1. chouchou74 ( 24/02/2008 10:10)
manahoana daloho tompoko
saika mba hangataka an'ilay hiran'i railovy misy hoe
"hisy hatsiarovanao ny anarako hisy hanembonanao ny fitiavakoa" fa tsy aiko ny lohateniny dia misaotra mialoha
répondu par ari.malala le 28/02/2008 07:11
2. ari.malala ( 28/02/2008 07:11)
Hisy hahatisarovanao ny anarako
hisy hanembonanao ny fitiavako
Ty fo nitia jamba nanantena anao
Eny mbola hitomany ianao
Toy izao tomaniko izao

manganohano (2*) maratra ny ao am-po
izao rehetra izao rakotra haizina avokoa
nilaozanao mbola tia ka tomany mahatsiaro
irony dina izay natao ho tia anao

Hisy hahatisarovanao ny anarako
hisy hanembonanao ny fitiavako
Ty fo nitia jamba nanantena anao
Eny mbola hitomany ianao
Toy izao tomaniko izao

efa nilazako ianao nilazako ny tsiambarateloko
efa notiaviko ianao, ny fitia tsy hay nafeniko
nefa alahelo sy tomany
no zakaiko noho izany

Hisy hahatisarovanao ny anarako
hisy hanembonanao ny fitiavako
Ty fo nitia jamba nanantena anao
Eny mbola hitomany ianao
Toy izao tomaniko izao

Ny Railovy

Mihirà finaritra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0496