Tendrombohitra 12

1. ikaretsaka ( 12/02/2008 04:20)
iza aby tokoa moa ny tendrombohitra 12 amin'imerina..
Di amalaza kao i babay sy lohavohitra.... dia i lohavohitra izoa le efa hitantsika le nambolen-kazon'ny namana iny.... fa aiza i babay?
répondu par endrika01 le 17/02/2008 13:47
2. xxx ( 12/02/2008 13:13)
tongava mitsidika ato e!

http://www.madagascar-vision.com/salon800/page2d.asp?CAT=165&STAND=1052&PROC=3&PAGE=6727
3. sipagasy ( 12/02/2008 13:20)
ity koa misy tena ao tsara mihintsy ny fanazavana rehetra,

http://membres.lycos.fr/manoirrouge/colline_ambohimanga.php

:-*(l):-*

4. ikaretsaka ( 12/02/2008 13:45)
aiza ao apandrana no vohitra kay? dia aiza nomisy an'io doany io..

dia ilay babay tsy mbola hita


sipagasy...misaotra
5. booboo ( 12/02/2008 15:46)
Babay @ iny RN4 iny ihany, alohan'ny Lohavohitra mpisy an'azy. MBola misy tanana ao Babay fa efa tsy eny an-tampony intsony f'efa nidina aty ambany² kokoa.

HS kely, vao hiditra ny tananan'i Babay a, dia misy disques kely maromaro @ vato eny amoron-dalana. Misy kilavadavaka ohatra ireny @ katro ireny. Mandrak'ity tsy mety fantatra ny dikan'ireo disques kely ireo, fa tanana vitsy kely ao Imerina sy tanana kely iray any Malaisie any ihany no ahitana an-dreo. Tsisy traces-na lova-tsofina kounkou momba an'ireo.

Mbola HS ihany, misy tendrombohitra roa hafa izay mpiakama t@ Babay sy Lohavohitra : Ambohimanoa sy Mananjary. Rehefa misy mpanafika ny iray @ izy 4 ireo dia mampirehitra afo ho tazan'ny 3 ambiny, dia tonga ny renforts. Ilay mpitily an'Ambohimanoa mpananihany izay mampirehitra ilay afo foana na tsisy Sakalava manafika aza. Ny farany tena tonga nanafika @ zay ny Sakalava, izy 3 ambiny efa fay sy leo dia tsisy tonga. Ringana aby ny Ambohimanoa iray vohitra (tsisy nipetraka intsony teny nanomboka teo ka hatr@ zao).
Mananjary sy Babay ary Lohavohitra mbola misy mponina f'efa nidina aty ambany kokoa aby zareo.

HS hatrany, mahaliana mitsidika an'i Mananjary satria hita ao aminy aby ny endriky ny tanana Merina t@ ela beeeeee : hady fito sosona, lac kely masina, kianja, ala (mariky ny maha tananan'Andriana) ary ny amontana sy aviavy manodidina ny kianja.

6. ikaretsaka ( 12/02/2008 21:21)
hebe....
misaotra nizara...
ay tsa mahay loatra an'io fa anay vakinangalatra ko
7. pissoa ( 12/02/2008 21:42)
Aiza ho aiza amin'ireo Antongona ? :oops::oops::oops:

Antongona mantsy toa lasa oha-pitenenana mihitsy amin'io milalao afo io : Efa ho lava toy ny afon'Antongona ; ary raha tsy diso aho dia mitovy amin'io notantarain'i Booboo io ny antony.
8. ikaretsaka ( 12/02/2008 22:13)
ie.. ilay atongona koa no henoko aloha e.. bongolaba ny atongona
9. fahamarinana ( 13/02/2008 09:01)
:arrow: Merci sipagasy,booboo fa tena mahavariana tokoa ,ny sasany no mba hay nefa dia mitombona mihintsy ilay fanontanian'ny Ika fa tsara ho fantara daholo ny tantarantsika e,mankasitraka e!!:-*(l)
10. booboo ( 13/02/2008 11:06)
Antongona indray tsy miankandrefana fa @ iny lalana mankany Imerintsiatosika iny ny lalana mankany.

11. ikaretsaka ( 13/02/2008 22:50)
oadray ty booboo.. miakandrefana ange ny mankany imeritsiatosika.. :-D:-D:-D
aia ary zany base de scout izany le:-D:-D:-D:-D


12. endrika01 ( 16/02/2008 09:38)
De inona aloha ny antony hiatsoan\'ireny mpanandro ireny ny tendrombohitr
13. ikaretsaka ( 16/02/2008 14:27)
misy hifandraisany @ volana..
ny volana koa izao manko 12
14. Cybergasy ( 16/02/2008 14:52)
Tendrombohitr' i Sinay
Tendrombohitr' i Oliva
Tendrombohitr' i ....

15. endrika01 ( 17/02/2008 13:47)
endrika01:

De inona aloha ny antony hiatsoan\'ireny mpanandro ireny ny tendrombohitra 12 refa mijery andro izy ireny?



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2737