lasan-ko razana ny tena TIM

1. gavoaty ( 26/01/2008 11:33)
Nivadika tanteraka ny fandehan'ny tantara fa ireo olona naongana niaraka tamin-dRatsiraka dia lasa lehibe mpitarika ao amin'ny TIM amin'izao fotoana izao.
DINGANA IRAY LEHIBE hafa koa io.Tena sahy manao dingana iray lehibe ry zalahy.

- Miady amin'ny katolika
- Manao fanaparam-pahefana
- TSY MANDRY FAHALEMANA NY TANY
- MONOPOLE ataon'ny TIKO amin'ny lafiny rehetra izay mety ahazoana vola.
- FIJALIAMBAHOAKA

Tsy efa ampy hanaovana FINGANA IRAY LEHIBE VE IREO???
novalian'i Jeankely ny 27/01/2008 06:33
2. xxx ( 26/01/2008 15:23)
Nga zay vao tsapanao?
Raha any ivelany ianao dia tokony hitanao taratra amin'ny ankamaroan'ny olona miandraikitra amin'ny ambasadintsika ilay izy.
Raha eto an-toerana moa dia jereo ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Ndao atomboka amin'ny eto Analamanga ohatra
Moa va tsy ny mpiandraikitra ny fampandrosoana isam-paritra teto amin'ny faritan'Antananarivo taloha ihany no lasa Chef de region izao? Ny Depioten'Ambohidratrimo faha-AREMA ihany no lehiben'ny TIM eny?
Jereo ny faran'ny film MAHALEO raha nanao resaka politika ry zareo
3. Jeankely ( 27/01/2008 06:33)
Aza mahavoa ny goavy manta sa tsy haiko izy teo. Ny nampisaritaka ny tolona hatr'izay dia ny fiharan'ny tarika TIM amin'ny tarika AREMA niala rehetra io. Ny herivelona koa tsy nanakalahatra satria tsy manana olona FAVY. Ny resaka AREMA io no nanimba ny tanana ary nizahavana lalana kanefa io ry zalahy mahazo vahana io. Politika daholo izany ka izay resy mila misaina tsara raha resaka fanasoavana tanindrazana tokoa no zahavina atao. Mifangaro voraka ary tsy hita izay ho raisina. Mandroso maty raibe, miverina maty renibe. Ny vahoaka no tena mampalahelo satria manaraka izay onjany eo na mandeha mankaiza na mankaiza tsy fantara fa samy milaza manasoa. Ny sasany milaza voa nefa mamely ihany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.117