Hanitsy ny Mpitondra ve no hanoratana ato @ Forum?
1. Jeankely
(
20/01/2008 02:37)
Izaho manokana aloha dia tsy manana fahaizana hanitsy mpitondra ary ny fahitako tampoka ny olona manompa Filohampirenena ary mamazivazy ny Firenena Madagasikara sy manesoneso ny mampahantra ny Malagasy no nahatonga ahy nirotsaka ary nanoratra hatrany. Amiko samy manana ny andraikiny fa tsy ny mpianatra mbola tsy mahavita fianarana mahita lesona resahin'ny mpampianatra azy no avy dia miseho favy manintsy ny mpitondra. Hafa ny miakatra ambony kianja ary hafa ny mpijery baolina. Hafa ny manao totohondry vaky vava ary ny mpijery nefa milaza hoe inona fa tokony nasiana tatsy dia resy iny. Ny mpitondra firenena sahala izay. Mba mila filazana aho ohatra hoe tena tsy handray karama ary tsy hampiasa fitaovampanjakana ve ny TGV sy ny mpanolontsainany? Ny fananany ve no hanatsarana haingana an'Antananarivo? Ny vahoaka tsotra eran'ny lalana afaka mifampiresaka izany fa tsy andeha hampianatra an'i TGV sy ny namany angamba no tanjona.
répondu par Jeankely le 20/01/2008 06:14
2. penguin
(
20/01/2008 04:48)
Ilay be taimbava ireny fa tsy ny Malagasy rehetra. Vao mbola mianatra dia ny olona PhD no heveriny hanarina. Mba miakatra sehatra, manao ary mahavita vao be resaka fa tsy ny any ampianarana no hiseovana favy. Na ny mpampianatra aza tezitra @'ny mpianatra manao izany. Na izany aza mampihohey ilay Miavotsifeno kara taindelo. Hain'ny any andafy angaha ny dikan'io sa hitany @'ny rakibolana any io=))=))=))
3. Jeankely
(
20/01/2008 06:14)
Misy mantsy ny sasany dia mihevitra tapitroatra loatra ary mahay nohon'ny rehetra. Efa naveriko teto fa raha nanana Nobel Prize tamin'ny toekarena ny Malagasy dia i Tezitra, Bazylou ary ity Badboy ve satria tsy mbola nisy aloha izany izao. Ny fantatro dia ny Mpitondra fanjakana manana ny andraikiny lehibe ary raha tsy mahefa izany izy dia izay ihany dia manala azy amin'ny toerany. Ny vahoaka koa anefa manana ny andraikiny izay tsy hitoviany @'ny an'ny Mpitondra. Tsy misy andraikitry ny vahoaka mihintsy ny manasaratsaraka ny samy Malagasy. Tsy miray loha @'ny olona mampiady foko mba hampikorotana sy ahazoana seza izahay. Hampiakarinay ny herimpo sy ny fitiavan'ny Malagasy ny tanindrazany satria ao no misy azy. Tsy ahazoanay tombony ny korotana ao Madagasikara. Tsy midika izany fa miaro ny Mitondra fa kosa manao izay kely mifanandrify ary ahasoa ny firenena na iza na iza mitondra azy. Ny mpitondra no miaro ny tenany ary manao izay ahavitany ny zavatra kendreny. Raha tsy mahavita izy dia izy no tsarain'ny tantara sahala ireo tsy nahavita azy ka nahatonga ny firenena vizana efa lasa ireny ihany. Tsy mila ireny izahay akory fa aza adino. Ny lasa tsy averinay Malagasy.
