Tsy dia mila mirehareha raha vao manomboka

1. Jeankely ( 11/01/2008 10:41)
Samy nana ny lazany tamin'izay nampalaza azy avy ireo mpitondra firenena na tompon'andraikitra saingy ny lazany teo loha tsy midika fa mbola nalaza izy rehefa avy niala ny fitondrana. Tao ny ambonibe @ Miaramila lasa aiza ao @'ny fon'ny vahoaka? Tao Profesora voan'ny ampaisomanta; tao ny talohabe lasa tsakitsaky zato arivo sy ny tohizo. Raha malaza koa ny olona mitondra ankehitriny nohon'ny zava-bitany dia ny zava-bita eo @'ny fitondrany no ho jerena sy hitsarana azy farany. Noho izany aza dia ny mampalaza ny TGV no hilazanao avy hatrany fa efa ny asa tokony hatao. Iza avy no efa afaka mirehareha fa nahatonga alavitra an'i Madagasikara? Aoka samy ho tonga saina ary samy hanao ny ezaka manandrify azy avy.
répondu par Jeankely le 12/01/2008 02:29
2. penguin ( 11/01/2008 13:01)
Ny vahoaka koa mila mahay mijery tena fa na avy andanitra aza no tonga eo tsy misy miova izany raha tsy manaiky hiova koa izy.
3. ravatorano ( 11/01/2008 13:29)
ka izay mihitsy
ny mana hilatsaka avy any andanitra izany tsisy tsony fa tsy maintsy ny rehetra no miara misalahy vao ho tafavoaka ny fampandrosoana ny firenenaka na ho mpitondra mahay sy ikoizana aza eo nefa ny entina tsy tonga saiana amin'izay fampivoarana atolotra azy dia ho very maiana ihany ny ezaka izay atao
4. rabingogilabanga ( 11/01/2008 16:32)
Tsymbola nisy nahavita ny vitan'ny Tsiranana aloha raha ny fampandrosoana

nyresaka tsakitsak zato arivo, dia efa resaka rotaka sy ady seza iny,size hafa manokana

ary ry manandafy ndremanjato,sy ratsiraka, anisan'ny nandrisika ny olona hirotaka, hanongana an'i tsiranana, anjarantsika ny mitsara nyvitan'izy ireo t@ 1975-1989,
5. patrick2002 ( 12/01/2008 00:04)
Ekena aloha fa tsy nisy nahavita ny vitany Tsiranana ,nefa matoa izy naongana dia tao koa ny fangirifiriana niainany vahoaka ,teo @ fandoavana karatra ,na hetra izany ,ireo no nahatonga iretsy mpanao politika etsy ambony ,Ratsiraka ,Manandafy ,Monja jaona ,nambosika ny vahoaka nampanantena mahana avy any an-danitra ,dia ilay tolom-piavotana ,sy fanjakany madinika ,mba hanongana azy ,ary aiza isika izao .
6. Jeankely ( 12/01/2008 02:29)
Izaho manokana aloha dia tsy mahita zavatra lehibe vitan'ny Fitondran'i TSIRANANA izany raha oharina amin'ny vitan'ny Mpitondra amin'ny Firenena hafa taorian'ny fanjanahantany. Anisany maharesy tanteraka ny Malagasy ilay fomba MIADY GISITRA. Ireo tsy alehany Malagasy nitondra no jerena na atao tahaka sa ny zavatra avo vitan'ny olona amin'ny firenena hafa nefa samy Mpitondra, samy Tompon'andraikitra. Fa maninona no afaka mirehareha ny vahoaka sy ny Mpitondra amin'ny firenena hafa rehefa tonga izany andron'ny Fahaleovany tena izany satria mahatsapa ireo fa vitany ary arany ny nampandroso ny fireneny. Fa maninona ny Malagasy ny haletra fotsiny hoe fety ny 26 Juin nefa ny saina tsy ao ary ny fampandihizana tapany ambany no jerena fa tsy ny zavatra misy sy ny tantaran'ny firenena? Mila miezaka daholo fa tsy faly fotsiny hilaza ho favy ary ny sasany aza mangantena ho olomanga nefa ny fireneny tsy lasa nankaiza.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0648