tsiriry ahitra
2. papala
(
18/12/2007 10:45)
:-@:-@ tsiriry ahitra hono hoe, fa tsy mba tsiriry vorona, tsy ho aiza tsy akory ry lahy e! fa efa miorina...............
?mba tohizinareo zay mahay ndrayo!
?mba tohizinareo zay mahay ndrayo!
3. ari.malala
(
18/12/2007 12:24)
tsiriry ahitra hono e, tsiriry vorona
sahala fitonona mantsy e, fa samy hafa fomba
ny tsiriry vorona hono e dia manana elatra
ka tsy mba mitoetra tsy akory fa manifi-drano dia lasa
ny tsiriry ahitra hono e, dia mandatsa-paka
ka na dia mivadika aza ny bainga mitsiry eo ihany
atao tsiriry ahitra lahy ny fihavanana
ka na dia somparana aza tsy mba madilana o
ny lamba sy akanjo aza hono zareo voahidy ao am-bata
mainka fa ny fihavanana roy e, idio ao an-tratra
tsiriry ahitra any aho e, fa tsy mba tsiriry vorona
tsy hoaiza tsy akory ry lahy e, fa efa miorina

5. agmar
(
18/12/2007 16:37)
Lalin-tsaina ny artista malagasy. Fantany fa toetra iray, anisan'ireo mampiavaka ny Malagasy, ny fitandrovany ny fihavanana. Misy ny fihavanana voarindra an-kamehana :tsy maharitra izy ireny fa vetivety dia rava.Toa ny Tsiriry (VORONA), mikopak'elatra dia tsy hita intsony. Misy kosa ireo fihavanana voarindra tsara, tafaorim-paka lalina, ka maharitra ary mahatohitra ny onjam-piainana isan-karazany.Toa ny Tsiriry (AHITRA INDRAY ETO), mitsimoka ary vao maika miroborobo raha mivadibadika ny fiainana.Voamarika ao amin'ny tononkira moa fa Ranamana dia isan'ireo tsy mivadi-belirano amin'ny Havany, ary manainga ny olona izy mba hanaraka ny ataony.
6. papala
(
19/12/2007 10:55)
Ny hira taloha ? za dia tena miaiky ny tonon-kiran-dry zareo mihintsy, na ny feony aza dia tena misy mélodie be mihintsy, mandrotsirotsy sofina! io Tsiriry ahitra io zao tena tiko be mihintsy ny mihaino azy!:D:D:D:D:D, toy ny hiran'ny "BARIJAONA" rehetra koa, tsy mankaleho ny mihaino azy an!