afenina

1. miraymel ( 30/11/2007 08:33)
Afenina:!:


Raha handeha ianao izao
Ka ilaozanao eto aho
Raha avelanao irery
Dia hangina aho tsy hiteny
Ka ny ho avy hatrehiko
Raha tsy ho eo intsony ianao
Ambom-po no asehoko
Amin'izay tsy ho fantatrao
Tsy hitamby aminao
Na mangidy aza izany
Mainka mantsy ho fantatrao
Ka izaho tsy hitomany
Ka ny hoaviko eny indrisy
Efa nopotehinao
Ho saronako ilay tsiky
Amin'izay tsy ho fantatrao

Tsy hataoko ho fantatrao
Ny ratra am-poko ao
Sao araraotinao hampijaliana ahy indray
Hataoko ho toy ny hoe
Tsy tiako intsony ianao
Hiala aminao aho sy hanadino anao

Raha ho faty ny fitia
Ka handainga ny masonao
Hamitaka ahy ny fonao
Ho an'olon-kafa indray
Amin'izay ny hoaviko
Mety ho maizina amiko
Nefa hitsiky ihany aho
Amin'izay tsy ho fantatrao.

POOPY:(
répondu par miraymel le 02/12/2007 05:26
2. bonbongasy ( 30/11/2007 09:56)
courage courage e!
et laissez le temps agir en silence
tsiky de ampy:)
3. bioubiou ( 30/11/2007 10:08)
:-*
hiran'poopy afa koa:
mitadiava ianao mandritry ny fiainanao
tsy adalainao raha izaho
fa tsy ahita akory ianao
olona iray no tianao tahaka ahy
ny omaly resin'ny anio
...tsy iazonanao aho satria tiako ahita ianao
f'izaho irery no mbola tena tia...
fantatro fa,tsy ahita ianao

zay fotsiny atao an-tsaina!mbola ho avy ilay maraina hono e!
:-*
4. lunety ( 30/11/2007 10:58)
:(Ny androm-piainako taloha
Fony teo anilanao
Nantenaiko tsy ho rava
Ny hasambarana

Tsy atao hahakivy na hampamoy fo
Mitraka ihany fa tsy hitomany
Tsy haiko angamba ny fomba fitia
Tsy fantatro
Izay atao rehetra tsy mety avokoa
Tsy fantatro

Mahatsiaro resy aho izany
Miantso tody sanatria
Hikizirako hatrany
Mitady hasambarana

Tsy atao hahakivy na hampamoy fo
Mitraka ihany fa tsy hitomany
Tsy haiko angamba ny fomba fitia
Tsy fantatro
Izay atao rehetra tsy mety avokoa
Tsy fantatro


Mahereza aky an
5. booboo ( 30/11/2007 11:08)
Mitraka ihany fa tsy hitomany


mitomania mankony fa manala ny trop plein io
6. miraymel ( 30/11/2007 13:32)
misaotra eeee:cry:
7. Veloo ( 30/11/2007 16:46)
miraymel, isika vevy dia vulnerable be, lasa avelao any, "life goes on" avadio aky ny pejy a, dia profiteo ny fiainana kely sisa izay hananan-tsika, manova foana ny tsara fa tsy ho very mande aky a
dia mahereza an...:-*:-*:-*
8. sitlo ( 30/11/2007 18:42)
aza jamba

fitiavana izany anisan'ny revy.
Ataovy izay hananana harena fa fitiavana izany azo vidiana.
9. bioubiou ( 01/12/2007 06:06)
sitlo:

aza jamba

fitiavana izany anisan'ny revy.
Ataovy izay hananana harena fa fitiavana izany azo vidiana.

:?: :?:
vidiana aiza hono zany fitiavana zany?

10. miraymel ( 01/12/2007 06:12)
Za efa nanontany an'i lery mitsy hoe aleo izy vidiko dia niomehezany fotsiny:(
Aiza marina izy izany no vidina, fa tsy any amin'ny devoly fotsiny kosa an!
Any mantsy fantatro fa azo hividianana, fa za no tsy hividy any.
Et oui!
:cry:
11. bioubiou ( 01/12/2007 06:27)
lé izy nge mety hoe misy sasantsasany mivarotra fa lé @ ambogadiny e!:-D
12. sakaizakely ( 01/12/2007 06:36)
misy fividianana sitlo ve eto @ serasera ? :-P:-P:-P:-P:-P
13. bioubiou ( 01/12/2007 06:52)
:^):D
14. miraymel ( 02/12/2007 05:26)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0826