Mandalina sa manakatra ?

1. xxx ( 28/11/2007 09:26)
Misy heviny roa mazava ireo teny Malagasy ireo:

- Ny mandalina dia ho an'ny siansa sy fandratoam-pahaizana
- Ny manakatra kosa dia eo amin'ny lafiny Finoana. Mila manakatra ny hevitr'Andriamanitra isika.

Noho izany dia mifanipaka atsimo sy avaratra hatrany ny adihevitra finoana raha toa ka fandalinana no hiheverana azy. Ny zavatry ny tany no tokony halalinina fa tsy ny Zavatry ny Lanitra.

Maro ireo manam-pahaizana ara-tsiansa ankehitriny izay mandany volabe mi-identifier an'Andriamanitra hoe toy ny ahoana Izy. Ao anaty matiere sy tantara anefa no andalinany izany dia very izireo.

Raha hendry izy dia tokony hanakatra izany ao amin'ny Tenin'Andriamanitra sy araka ny fanahy fa tsy handalina izany ara-tsaina eo amin'ny zava-misy.

Ahoana ny hevitrareo?


répondu par fijo le 30/11/2007 21:10
2. ikaretsaka ( 28/11/2007 16:49)
dia ahoana raha mandalina mba hanakatra?
Est autem fides credere quod nondum vides; cuius fidei merces est videre quod credis ny filazan'i St Augustin azy!
3. Fody ( 28/11/2007 17:44)

Hanapiko azy: Fanahy, saina, fo, vatana ny olona, ary ireo rehetra ireo dia ampiasany hanatonany an'Andriamanitra.
Noho izany tsy misy mahadiso ny fandalinana, fampiasaina ny saina. Ny tsy mety kosa dia ny mionona fotsiny amin'ny "herim-pahalalana" iray izay hoe: mionona fotsiny amin'ny asan'ny saina, na ny asan'ny fanahy. Hery roa samy ao amintsika ireo ka tokony samy ampiasaina avokoa.

Vakio ilay encyclique ny Jn Paul II hoe: "fides et Ratio" fa mety hanampy anao.

Misaotra.
4. ikaretsaka ( 28/11/2007 17:54)
izay mantsy =D misaotra fody a
5. fijo ( 28/11/2007 22:22)
Raha hendry izy dia tokony hanakatra izany ao amin'ny Tenin'Andriamanitra
ary raha hendry ny mpanoratra dia tsy nanao XXX,ho fanajana ny namana
6. ikaretsaka ( 28/11/2007 22:38)
:wink::-D ialahy ity tena tssssss:-D
7. fijo ( 28/11/2007 22:40)
ka atomboka amin'iza ary le fahendrena?tsy eto ve
8. ikaretsaka ( 28/11/2007 22:44)
izay aloha dia marina e...
raha ato tokoa dia ny honesty no tokony hiseho voalohany indrindra! raha sahy mijoro ho vavolombelona ve dia hanao xxx.. inona koa izany?
tokony miala any tokoa aloha e
9. fijo ( 28/11/2007 23:02)
ka izay,raha handresy lahatra olona,dia asehoy azy aloha ny tokony hoatao,ho itany.
10. soanja ( 29/11/2007 03:29)
Ny zavatra takarina dia tsy voatery miakatra foana fa na fanambanin-javatra aza dia ilaina takarina koa rehefa tsy tratra amin'ny tanana na tongotra tsy mihinjitra.
Noho izany dia zavatra samihafa ireo. Ny fanakarana dia zavatra efa hita sy fantatra, mety fantatra ny halavirany, fa takarina fotsiny na ampiasaina saina na tsia ny fomba hahatratrarana azy saingy efa hita ny tanjona.
Ny zavatra alalinina kosa dia zavatra tsy fantatra na hitondra aiza ary ahoana ny zavatra ho hita sy tranga misy. Mety fantatra ny tanjona ary mety tsy fantatra ary misy saina miasa ao arakaraky ny zavatra tsapa na azo no ahafahana maka fanapahan-kevitra izay misy.
Afaka mifandray anefa ireo raha ny finoana no resahina satria mandalina ny zavatra tsy mbola fantatra ianao no sady manakatra ny tanjona tiana hotratra eo ampandalinana eo.
Manakatra no tanjona ary ny mandalina no lalana -process, Andriamanitra no manenika izany rehetra rehetra izany.
Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana i Jesoa!
11. xxx ( 29/11/2007 08:54)
Misaotra izay namaly fa marina avokoa ny voalazanareo.

Miala tsiny amin'i Fijo sy Ikaretsaka raha manao xxx fa mahamenatra ilay solonanarako dia izany no anaovako xxx. Aza tsiny indrindra tompoko.
12. ikaretsaka ( 29/11/2007 15:29)
xxx> mahamenatra ahoana ny solon'anaranao? angaha teny ratsy sa tsy solon'anaran'olona sa ahoana fa tsy azoko ny tianao ambara eo

izay ilay miorom-paka mba ho lasa avoavo kokoa!
zahay mpanao trano itony moa dia zatra an'io! ny zavatra lasa avo dia lalim-paka be
na trano io na hazo ohatra
13. rabilabila ( 29/11/2007 16:08)
ko n'ena ary rabilabila kouu:oops:
14. booboo ( 29/11/2007 16:21)
hihihihi
15. ikaretsaka ( 29/11/2007 16:24)
ny anay aza ikaretsaka, hidim-baravarana ary tsy mahamenatra anay ry xxx ko
ny an-dry booboo aza ohatran'ilay feon'ilay zavatra mitsoka malefaka dia malefaka izay.. tsy mampaninona azy ko
16. pissoa ( 29/11/2007 16:42)
:-D:-D:-D
17. xxx ( 29/11/2007 17:01)
:):):)
Misaotra amin'ilay vazivazy!
18. ikaretsaka ( 29/11/2007 17:33)
dia omeo ny reason mahamenatra @ 'ny solon'anaranao aza raha tsy mahadiso e
19. fijo ( 29/11/2007 23:10)
apetrao eeeeeee ny ps
20. booboo ( 30/11/2007 17:13)
Ikaretsaka > :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1228